Tafo aman-jatony no niharam-boina tao anatin’ny firehetan’ny afo izay nitranga nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiaraha-misalahy teo amin’ny mpamonjy voina sy ny vahoaka no nahafahana nifehy sy namono ny afo.
 
Samy nandray ny andraikitra mifanandrify aminy ny rehetra, anisan’izany : ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ; ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ; ny Ministère de la Population et des Solidarités de Madagascar ; ny BNGRC ; ny Croix-Rouge Malagasy ; ny CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo ; ny Fiangonana ; ny mpitandro filaminana ; ny filohan’ny Fokontany ; ny Solombavambahoaka ; ny mponina manodidina …
 
Trano lay miisa roapolo no natsangana vonjimaika, niaraka tamin’ny BNGRC, mba hamonjena ireo tra-boina mandritry ny 10 ka hatramin’ny 15 andro.
 
Nanolotra vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ireo tsy manan-kialofana ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
Noraisin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana ny fitsaboana sy fanomezana fanafody maimaim-poana ireo tra-boina, isan’izany ny mpivady sy zazakely may ary vehivavy iray izay sempotra.
Nanome sekoly mba hitobian’ireo vehivavy bevohoka sy kely anaka kosa ny Masera.
 
Efa mandeha ny fanadihadiana mba ahitana ny marina mahakasika ny fototry ny afo ary mbola eny an-toerana ireo mpitandro filaminana manohy ny fanaraha-maso sy fandrindràna ho fiarovana ireo traboina.
 
“Rano sy vary isika” hoy ny Kolonely RABEARIMANANA Lucien raha nijery ny zava-misy teny an-toerana, ary nanentana ny amin’ny firaisan-kina sy ny fitandrovana ny fahadiovana sy nampitandrina amin’ny mety fanararaotana eo anatrehan’ny tranga izay niseho.