Manoloana ny hain-trano nahazo ny mponina tao Manambondro – Vangaindrano, dia nidina ifotony nijery sy nampahery ny tra-boina ny Fitondram-panjakana, notarihin’ny Mpanolotsaina Avo, Kolonely RAMPANARIVO, miaraka amin’ny Minisitry ny Ministère de la Population et des Solidarités de Madagascar, Ramatoa RAHARINIRINA Sidonie ary ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Vangaindrano, Andriamatoa MAHAVITARAHA Sylvestre.
 
Nanolotra fanampiana vonjimaika ho an’ireo tra-boina sy ho fanehoana firaisankina amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana.
« Maharary ny mahita ireo trano fonenana may sy rava ao anatin’ny fotoana fohy, satria fahorian’i Manambondro dia fahorian’ny Malagasy rehetra » hoy Kolonely RAMPANARIVO.
Nohamafisiny fa efa misy tafo fanitso sy fitaovana natokana ho amin’ny fanorenana trano vaovao, ary fanampiana hafa ho avy, avy amin’ny BNGRC.
 
Namporisihina ny vahoaka hifanolo-tanana, satria amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao no ilàna ny fiaraha-mientana sy manamafy orina ny firaisankina.
 
Nampitandrina ihany koa ny Mpanolotsaina Avo, Kolonely RAMPANARIVO, ny amin’ny tsy fitandremana mety hiteraka loza na ny fanimbana, ary nangataka amin’ny rehetra mba hanaraka ny toromarika sy fepetra omen’ny manampahefana isan-tsokajiny.
 
Ramatoa Ministry ny Mponina sy ny Firaisankina indray dia nanamafy ny tokony hitandremana sy hanorenana trano manaraka ny fenitra, ny tokony handraisan’ ny Ben’ny tanàna andraikitra amin’ny fanaraha-maso ary ny fananan’ny vehivavy anjara andraikitra feno ao anatin’ny fanorenana.
 
« Asa no ilaina amin’ny fotoana toy izao fa tsy kabary » hoy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara MAHAVITARAHA Sylvestre.