Vola mitentina 50 tapitrisa Ariary no natolotry ny "Association Générale des Commerçants et des Entrepreneurs Chinois à Madagascar" (ACECMA) sy ny "Association Générale des Jeunes Entreprises Chinoises à Madagascar" hanampiana ireo tra-boina nohon'ny hain-trano izay nitranga ny faran’ny herinandro lasa teo.
Nanolotra « Forage » miisa dimy (05) ihany koa izy ireo aparitaka manerana ny oniversitem-panjakana manerana ny Nosy (Toliara, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Antsiranana) mba ahafahan’ny mpianatra misitraka rano.
