Notanterahina androany 28 oktobra 2025, ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany ahafahan'ny Governemanta vaovao manomboka amin'ny fomba ofisialy ny asany izay notaritin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.
Ireto no laharam-pahamehana enina (06) napetraka ho fandrindrana ny asa :
1- Fisitrahan'ny rehetra ny angovo;
2- Fisitrahan'ny rehetra rano fisotro madio sy fanadiovana;
3- Fisitrahan'ny rehetra fahasalamana;
4- Fisitrahan'ny rehetra fanabeazana tsara kalitao sy mendrika;
5- Famoronana asa ho an'ny Tanora
6- Fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ho an'ny Fanavaozana.
Nampahatsiahy ny Governemanta ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara fa mila vokatra azo tsapain-tànana ao anatin'ny 60 andro. Nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny fampiharana haingana sy mazava ny fifanekena nifanaovana. Nohamafisiny fa ny fahaizan-manao no fototry ny fanendrena ireo minisitra, ary tokony haneho fahombiazana sy fahavitrihana izy ireo araka ny fe-potoana napetraka.
Noantitranteriny ihany koa ny ady amin'ny kolikoly sy ny fananana fitondran-tena modely eo amin'ny sehatry ny asa.
Voamarika ho laharam-pahamehana ihany koa ny fampiantsoana amin'ny fifampidinahana nasionaly momba ny fanantaterahana ny fanavaozana, mba hahazoana antoka ny fandraisan'anjaran'ny rehetra.
Hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara : "Ny Tanora no fototra sy andry iorenan'ny fanavaozana ka tokony omena sehatra ahafahana miara-miasa eny anivon'ny ministera tsirairay."
I- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
PRIMATIORA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-418 tamin'ny 14 aprily 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Heritiana Joël, ho Sekretera Jeneralin'ny Governemanta;
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-362 tamin'ny 31 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANTSOA Antsivalahiniriko Eralison Pierrot, ho Sekretera Jeneraly lefitry ny Governemanta.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1692 tamin'ny 25 septembra 2024 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMANETRIMANANA Fenosoa Andrianaivonirina, ho Talen'ny Kabinetra Sivilin'ny Praiminisitra.
MINISTERAN'NY FITSARANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1822 tamin'ny 23 oktobra 2024 ary manendry an'Andriamatoa RASAMOELINA Herinirina Roger, ho Tale Jeneralin'ny Mpandraharahan'ny Fonja
II- SAMIHAFA
Teo am-pamaranana dia nampahatsiahy ny Filoha fa ny fanavaozana dia manomboka amin'ny tsirairay ary asa fa tsy kabary no atao ho an'ny tombontsoan'ny firenena.
Antananarivo, 28 oktobra 2025
Ny Fitaleavan'ny Serasera eo anivon'ny Fiadidian'ny Fanavaozana
ny Repoblikan'i Madagasikara