I. FAMPITANA AM-BAVA
PRIMATIORA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fanendrena an-dRamatoa Kassam ZITANA ho mpikambana ao amin'ny Filankevi-pitantanan'ny Trano Fiantohana ARO.
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny "Raid" hotanterahin'ireo mpianatra manamboninahitra avy amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe any amin'ny Faritra Androy sy Anosy ny 19 hatramin'ny 31 mey 2026.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fitohizan'ny famokarana pasipaoro ôfisialy, ny fanamarinana ireo santionany ary ny fanafarana azy.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana amin'ny fandoavana ireo hetra amin'ny fananan-tany momba ny trano nisy ny "consulat" an'i Madagasikara ao Afrika Atsimo eo amin'ny 13, Sixth Street, Houghton Estate, Johannesburg.
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana tetibola manokana mitentina 1 816 779 214,00 ariary ho fanajariana ireo fotodrafitrasan'ny fonja sy ny Fitsarana taorian'ny rivodoza Gezani.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny famindrana vondrona mpihary herinaratra ho an'ny rafi-pitsarana ao Toamasina (Fitsarana Ambaratonga Voalohany, Fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana sy raharaha ara-bola, ny Fitsarana Ambony)
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanohanana ny fanomezana fiarakodia sy fitaovana "informatique" ho an'ny Minisiteran'ny Fitsarana ao anatin'ny tetikasa PRODIGY.
MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famindrana ny loharanom-bolan'ny FDL: fanitsiana ny isan'ny kaominina mpisitraka sy fanatsarana ny tetibola isaky ny vondrom-bahoaka.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny tatitra momba ny fankatoavana ny didim-panjakana mikasika ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana sy ny Rejisi- pirenena momba ny fifidianana (Registre électoral national).
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampahafantarana ireo tomponandraikitra ambony amin'ny famindrana na fivarotana fanana raikitra an'ireo orinasa misy fandraisana anjaran'ny Fanjakana.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny Volavolan-drijan-tenin- dalàna momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (PLFR) 2026.
MINISITERA MIADIDY NY FANAVAOZANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ireo fikaonandoha ifotony sy ireo fikaonandoha momba ny fitantanana ny fifidianana sy ny fanovàna ny lafiny andrimpanjakana ny 20 mey 2026.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana handraiketana tetibolam-panjakana ho fividianana ireo vaksiny vaovao (PCV-10, DTC- HepB-Hib-10, Rotavirus-1, Antirougeoleux-10 sy HPV-2) ho an'ny taona 2026.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana handraiketana tetibolam-panjakana amin'ny fividianana ireo vaksiny mahazatra (BCG, bOPV, Td) ho an'ny taona 2026.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny fiantohana ny kalitao sy ny fanomezana fankatoavana (accréditation) ireo andrim-pampianarana sy ireo tolotra fiofanana eo amin'ny fampianarana ambony.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana amin'ny famindram-bola handoavana ireo vatsim-pianarana sivy volana miaraka amin'ny fampitaovana ho an'ireo oniversite miisa enina, ireo IST miisa telo ary ireo oniversite manakaiky vahoaka
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA- TSIANSA + MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiasana taratasy fanamarinana ara- panjakana ho an'ireo mpianatra tsy ampy taona misitraka vatsim-pianarana.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny herinandron'ny Ranomasimbe 2026 any Toliara, ny 1 hatramin'ny 8 jona 2026.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana sy ny fandaminana ireo fanadinana "Brevet d'Etudes Professionnelles" sy ny "Certificat d'Aptitude Professionnelle" ary ny "approches par les compétences" iadidian'ny minisiteran'ny fampianarana tekinika sy ny fanofanana araka asa.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana tetibola fanampiny.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana ny famoronana tsikelikely ireo toeran'asa voafaritra anaty tetibola ho famelomana indray ny fanapariahana ireo tekinikam-pambolena manakaiky ny vahoaka
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tetikasa hanitsiana ny Pôlitika Nasiônalin'ny Fampananana asa sy ny drafitra hanatanterahana izany.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanolorana ny Pôlitika sy fandaharanasam-pirenena momba ny Fiarovana sy ny Fahasalamana amin'ny Toeram- piasana eto Madagasikara.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny lalan-tsaina stratejikan'ireo tetikasa IPP sy ny fitantana ireo fotodrafitrasa famokarana herinaratra azo avy amin'ny rano.
MINISITERAN'NY NY ASA VAVENTY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana tovana amin'ny analavana ny fe-potoana fifanarahana amin'ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny Lalambe Migodana tanterahin'ny orinasa SAMCRETE
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASATANANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny famindrana ny tetibola ho an'ireo asa fampiroboroboana ny fizahantany.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ireo saran'ny tombana hahazoana ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana mikasika ireo asa fanamafisana ireo ivon-toerana efa misy eto Antananarivo, ny fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio ao Mahajanga sy Fianarantsoa ary ireo asa taorian'ny fandalovan'ny rivodoza ao Mananjary sy Antsirabe - Tetikasa PAAEP.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana manokana hamindrana maimaimpoana amin'ny Fanjakana Malagasy, ireo tany misoratra amin'ireo kaominina mba hamindrana azy amin'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ho an'ireo asa fanamboarana fotodrafitrasa momba ny rano (Fianarantsoa, Antsirabe, Mahajanga, Antsiranana sy Mananjary) tetikasa PAAEP.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana tohana ara-bola ho fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny andiany faha-15 amin'ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika taranja "bras de fer", ny 28 aprily hatramin'ny 3 mey 2026 ao Accra, any Ghana.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fifanarahana fandraisana an-tanana ireo fandaniana amin'ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ireo fiadiana ny Tompondakan'i Afrika - taranja Lutte U17, U20 ary sokajy zokiny, ny 25 aprily hatramin'ny 5 mey 2026 ao Alexandrie, any Egypta.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ireo fikaonandoham- pirenen'ireo tanora amin'ny ambaratonga rehetra ao anatin'ny Fanavaozana ny Repoblika
MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava mahakasika ny fandraisan'ny Fanjakana an-tanana ny fanarenana ny Rovan'Ambohidratrimo taorian'ny fahamaizana
II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA
FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
- Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manova sy mameno ireo fepetra sasantsasany ao amin'ny Lalàna laharana faha-2018-043 tamin'ny 13 febroary 2019, araka ny fanitsiana nataon'ny Lalàna laharana faha-2023-026 tamin'ny 1 febroary 2024, momba ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana.
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome alalana an'i Madagasikara hiditra ho mpikambana amin'ny Fifanarahana manafoana ny fepetra fanamarinana ara-dalàna ny antontan-taratasy ôfisialy vahiny, na "convention Apostille".
- Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome alalana an'i Madagasikara hiditra ho mpikambana amin'ny Fifanarahana mikasika ny fampahafantarana sy ny fandefasana any ivelany ny antontan-taratasy ara-pitsarana sy ivelan'ny fitsarana amin'ny raharaha sivily na ara-barotra.
MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2023-051 tamin'ny 18 janoary 2023 momba ireo tambin-karaman'ireo sefo fokontany sy ny lefiny.
MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana momba ny fandinihana sy fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana hanao asa fanotofana tany (remblai) sy fanalana tany (déblai), ny fitaterana ireo akora mifandraika amin'izany ary ny sazy amin'ny tsy fanarahan-dalana atao ao anatin'ny faritra iasan'ny A.P.I.P.A.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Nolaniana ny dim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2013-034 tamin'ny 22 janoary 2013 ary manova ny andininy faha-9 amin'ny didim-panjakana laharana faha-95-167 tamin'ny 1 martsa 1995 mikasika ny famoronana sy ny fandaminana ny rafitra "Internat" amin'ny fitsaboana
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA- TSIANSA
- Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ny fampiharana ny andininy faha-30 (vaovao) sy ny andininy faha-65 (vaovao) ao amin'ny Lalàna laharana faha-2021-005 tamin'ny 14 jona 2021, manova sy manampy fepetra sasantsasany ao amin'ny Lalàna laharana faha- 95-023 tamin'ny 6 septambra 1995 sy ny Lalàna laharana faha-2003-008 tamin'ny 5 septambra 2003, momba ny sata mifehy ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka- mpampianatra ao amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara- tsiansa.
- Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ny fampiharana ny andininy faha-60 (vaovao) ao amin'ny Lalàna laharana faha-2021-005 tamin'ny 14 jona 2021, manova sy manampy fepetra sasantsasany ao amin'ny Lalàna laharana faha-95-023 tamin'ny 6 septambra 1995 sy ny Lalàna laharana faha-2003-008 tamin'ny 5 septambra 2003, momba ny sata mifehy ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra ao amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa
- Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ny fampiharana ny andininy faha-33 (vaovao) ao amin'ny Lalàna laharana faha-2021-005 tamin'ny 14 jona 2021, manova sy manampy fepetra sasantsasany ao amin'ny Lalàna laharana faha-95-023 tamin'ny 6 septambra 1995 sy ny Lalàna laharana faha-2003-008 tamin'ny 5 septambra 2003, momba ny sata mifehy ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra ao amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ny "Domaine Minier National D'hydrocarbures".
- Nolaniana ny didim-panjakana mankatoa ny modely fenitra amin'ny Fifanarahana Fizaràna Vokatra (Contrat de Partage de Production) ho an'ny fikarohana sy fitrandrahana akoran'afo (hydrocarbures) eto Madagasikara.
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY
- Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fitantanana ifotony ireo harena voajanahary azo havaozina vaovao.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ireo asa ilaina amin'ny fametrahana Tetikasa fanatsarana ny fampisitrahana Rano Fisotro Madio eto Madagasikara (PAAEP) ao amin'ny faritry ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa sy ny Kaominina Ambanivohitra Ilananindro sy momba ny fahazoana araka ny raharaham-pihavanana na amin'ny fanesorana fizaka-manana noho ny tombontsoa iombonana ireo tany sy ampahan-tany voakasiky ny asa.
- Nolaniana ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ireo asa ilaina amin'ny fametrahana Tetikasa fanatsarana ny fampisitrahana Rano Fisotro Madio eto Madagasikara (PAAEP) ao amin'ny faritry ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe sy ireo Kaominina Ambanivohitra Alakamisy sy Andranomanelatra, Faritra Vakinankaratra sy momba ny fahazoana araka ny raharaham-pihavanana na amin'ny fanesorana fizaka- manana noho ny tombontsoa iombonana ireo tany sy ampahan-tany voakasiky ny asa.
III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
PRIMATIORA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1150 tamin'ny 5 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RASOLOFOARIJAONA Miary ho Tale misahana ny Serasera eo anivon'ny Primatiora.
MINISITERAN' NY RAHARAHAM-BAHINY
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABEMAHEFA Michel ho "Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar" eo anivon'ny Repoblika Frantsay.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMIANDRISOA Edelin Calixte ho "Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la Confédération Suisse et Représentant permanent auprès de l'Office des Nations Unies et des Institutions Spécialisées à Genève".
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa PARAINA Auguste Richard ho "Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République Fédérale d'Ethiopie et Représentant Permanent auprès de l'Union Africaine et de la Commission Economique des Nations Unies pour l'Afrique"
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATOVONDRAHONA Joahary ho "Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès du Royaume du Maroc".
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RALAMBOMAHAY Toavina ho "Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République d'Afrique du Sud".
Marihina fa efa nahazo fankatoavana mialoha avy amin'ireo Firenena handefasana azy ireto masoivoho ireto.
MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-742 tamin'ny 2 jolay 2025 ary manendry an' Andriamatoa RAKOTOMALALA Richard ho Prefen'Ambositra.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1261 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RANJAKAMANANA Stephen Weld ho Prefen'Ambatondrazaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1661 tamin'ny 8 desambra 2025 ary manendry an-dRamatoa LALANIRINA Lisiarisoa ho "Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation" eo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MADINA Francis Emilien Romly ho Lehiben'ny Distrikan'Amboasary.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAHAVALISOA Hanitra Eliane ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Itasy.
MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ZARA Hassanaly Patrick ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOLOFONIRINA DERANOMENJANAHARY Fanoelson Aimé ho Talem-paritry ny Fahasalamam- bahoaka ao Amoron'i Mania eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
MINISITERAN' NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1715 tamin'ny 8 desambra 2025 ary manendry an-dRamatoa BOTOALE Quesiat ho "Chef de l'Unité de Communication" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-2050 tamin'ny 22 desambra 2025 ary manendry an-dRamatoa RASOLONANAHARY Faliarisoa Hantamalala ho "Directeur des Evaluations Professionnelles et de Valorisation des Acquis de l'Expérience" eo anivon'ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa.
MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABARISON Arsène Andriatiana ho Sekretera Jeneraly (SG) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (MiASA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa LAHINIRIKO TIANDRAZA Mahavivitsy ho Directeur de l'Intégrité et de la Prévention de la Corruption (DIPC) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara- tsakafo (MiASA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Andriatsitohaina Mahefa ho Tale misahana ny Serasera (DCOM) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (MIASA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASAMOELINA Mirado ho "Directeur de l'Unité de l'Audit Interne" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (MiASA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMILIARIJAONA Nomenjanahary Saholy ho "Directeur de la Protection des Végétaux" (DPV) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (MIASA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOMAINTY Haintsoa Nirina ho "Directeur de l'Agriculture Durable et Biologique" (DADB) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (MiASA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARISAONA Mitia ho "Directeur du Partenariat et des Relations Internationales" (DPRI) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (MIASA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RARIVOARIMANANA Anjaratiana Malala ho << Directeur de la Conception et de la Formulation des Projets >> (DCFP) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (MiASA).
MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TANIGNA Romuald Florentin ho Tale Iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Antsiranana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANJAFY François Lucien Juhavelange ho Tale Iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Manakara.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa JOELSON Mbolatiana Livaharilala ho Tale Iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Toliara.
MINISITERAN' NY VAROTRA SY NY FANJIFANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1550 tamin'ny 3 desambra 2025 ary manendry an-dRamatoa NAMBOHOE VENON Yolandine ho Tale Mpiaro ny Mpanjifa eo anivon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana.
MINISITERAN' NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2008-295 tamin'ny 25 febroary 2008 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARIVO Haingotiana ho "Agent Comptable de la Caisse Nationale de Prévoyance Sociale" (CNaPS).
MINISITERAN' NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1106 tamin'ny 27 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANARISOA Désiré ho Tale Jeneralin'ny Fitaterana An-tanety eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1294 tamin'ny 7 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RINDRASOA Nadia ho Tale Jeneralin'ny "Ecole Nationale de l'Enseignement Aéronautique et de la Météorologie".
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-483 tamin'ny 07 mey 2025 ary manendry an'Andriamatoa SOAFILIRA Angelicot Gildas ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Androy eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
MINISITERAN' NY RANO SY NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAFENOHAVANA Christian ho Talem-paritry ny Rano sy ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Vatovavy.
MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-328 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry ny Général de Division Aérienne SOLO ANDRIANANTENAINA Angélitto ho "Directeur Administratif et Financier" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1369 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRABE Tahina Mampionona ho Sekretera Jeneraly eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa FANOMEZANTSOA Marie Robine ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Faritra Melaky.
IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Lehiben'ny Distrikan'Ikongo.
Antananarivo, 28 aprily 2026,
Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika
