I. FAMPITANA AM-BAVA

GOVERNEMANTA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA 

  • Nanao tatitra momba ny iraka nataony tamin’ny "Réunion de Printemps 2026" niaraka tamin’ny FMI sy ny Banky Iraisampirenena ny delegasiônina Malagasy notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta. Io fandraisan’ny Delegasiona Malagasy anjara tamin’ny fivoriamben’ny Banky Iraisampirenena sy ny Tahirim-bola Iraisampirenena io dia nahafahana namelabelatra ny vinan’ny Governemanta Malagasy mifandraika amin’ny fanaingana ny toekarena, ny fanorenana asa, ny Fanjakana tsara tantana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo andry ara-bola iraisampirenena. Nankatoavin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena ireo ezaka marobe nataon’ny Governemanta tao anatin’ny fotoana fohy. Vokatr’izany dia nanolotra famatsiam-bola fanampiny ny Banky Iraisampirenena.

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana hananganana ny “African Legal Support Facility” (ALSF).
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavam-pirenena ny antontan-taratasy "Profil pays sur le Dividende Démographique de Madagascar".

MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tokony hisian’ny fandinihana mialoha ny lafin’ny fananan-tany isaky ny tetikasam-panjakana tsirairay mba hialana amin’ny olan’ny fananan-tany mandritra ny fanatanterahana ny tetikasa.
  • Izany no atao dia hahafahana mamaritra mazava ny tany ampiasaina sy ny fiarovana izany tany izany araka ny lalàna.

MINISITERAN'NY FIOMPIANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fandraisana an-tanana avy amin'ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny rafitra ZEBUSCAN mitentina 1 918 706 000 ariary na 393 500 euros
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fandraisana an-tanana avy amin'ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandoavana ny fandraisana anjara iraisampirenena (Tahirim-bola SEGA, OMSA sy Commission Séricicole Internationale).

MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fampahafantarana ny tetikasa ValoDéchet / ValoMétaux.

MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana fifaninana ho fandraisana mpianatra miisa 30 "contrôleurs d'exploitation des postes" sy mpianatra miisa 60 "agents d'exploitation des postes".

MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampitam-baovao mikasika ny fanombohana ôfisialy ny fankalazana ny faha dimampolo taonan'ny JIRAMA sy ny fitokanana ireo fotodrafitrasa vaovao mamokatra rano fisotro madio ao Mandroseza izay hatao ny 15 mey 2026.

MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Nankatoavina ny fandraisan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fandaniana momba ny fampanarahana fenitra ny Kianjan'ny Barea Mahamasina (pelouse hybride).

II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA 

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana momba ny fahazoana mitaky ireo hetran'ny JIRAMA amin’ny Fanjakana sy ny fahazoan-dalana hanova azy ireo ho renivola.

MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ireo tahirin-tany ho fametrahana na fampitaovana ao anatin’ny Drafitra fanajariana ny tanànan'Antsirabe izay voafaritra amin'ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe sy ny manodidina.

MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2019-1279 tamin'ny 19 jona 2019 manangana ny “Agence Routière” sy mamaritra ny fandaminana, ny fampandehanana ary ny andraikiny.

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN' NY FOLOALINDAHY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-974 tamin’ny 9 aogositra 2023 ary manendry ny Colonel RANDRIANARISATA Ony Zafinirina ho Kaomandin’ny Sekolin’ny Miaramilam-Pirenena.

MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SAMBO Jean Jonasy Fils ho Lehiben’ny Faritra vonjimaika ao Ambatosoa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANAIVO Voahangindraibe Ravakiniaina ho Prefen’Antsirabe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-417 tamin’ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa TSILAVONDAHY Jacob ho Lehiben’ny Distrikan’i Soanierana-Ivongo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1286 tamin’ny 19 novambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISON Mandimby ho Lehiben’ny Distrikan’i Bekily.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-917 du 10 septambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRATSIMBA Masiaritovo Antoni ho Prefen’i Farafangana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABEMANANTENA Herschel Faguet ho “Directeur de la Logistique et du Patrimoine” eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

MINISITERA MISAHANA NY FANAVAOZANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMPILAMANANA Rostand ho Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Ihorombe.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-512 tamin’ny 6 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa DOMINIQUE Volaravo Josie ho “Directeur de la Recherche et de l’Innovation” eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-064 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa VELONTSANGANA Ndalana Davida ho “Directeur de l’Ecole du Génie Civil et Génie Naval de l’Institut Supérieur de Technologie d’Antsiranana” (IST-D).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-607 tamin’ny 18 jolay 2017 ary manendry an-dRamatoa RAZANARIVONJY Mathilde Ardimatie ho “Directeur de l’Ecole du Génie Mangement, Commerce et Service de l’Institut Supérieur de Technologie d’Antsiranana” (IST-D).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-258 tamin’ny 15 martsa 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAFANOTSIMIVA Liva Falisoa ho Directeur de l’Ecole du Génie Industriel (DEGI) de l’Institut Supérieur de Technologie d’Antsiranana” (IST-D).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-300 tamin’ny 22 martsa 2023 ary manendry an’Andriamatoa JAOMARINA Franck Désiré ho “Directeur Administratif et Financier de l’Institut Supérieur de Technologie d’Antsiranana” (IST-D).

MINISITERAN' NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa HARINIRAINA Bemanarivo ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Analanjirofo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa SAIGNY Merjoie Rosette ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Melaky.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-324 tamin’ny 20 janoary 2026 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Maharavo Pierre ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Bongolava.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIANAIVO Mahefason Tinanombana Tsiriniaina ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Itasy.

MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1012 tamin’ny 17 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARY Hanta Haritiana ho “Directeur d’Appui à la Production Végétale” (DAPV) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZANAJATOVO TSILAVO Sarobidy ho Tale Jeneralin’ny Fahaleovantena Ara-tsakafo (DGSA) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RALAINIRINA Razokiny Eric ho Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo ao Ambatosoa.

MINISITERAN' NY FIOMPIANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASOARAHONA Onintsoa Paul ho Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Fiompiana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiompiana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIMIHAJA Hagatiana Sariaka ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiompiana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAFALINDRINA Mahefa Herilaza ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiompiana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa MANANTOANINA Iakoniaina Njaritoetra ho Tale misahana ny Serasera sy ny Rafitra Fampahalalam-baovao ary ny Fanovàna Nomerika eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiompiana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHARIMANANA Bali Wilfrid ho « Directeur des Affaires Juridiques et Contentieuses » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiompiana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RATOLOJANAHARY Jean Justome ho Talem-paritry ny Fiompiana ao Melaky eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiompiana.

MINISITERAN' NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-083 tamin’ny 8 janoary 2026 ary manendry an’Andriamatoa RAJAONARISON Lala Andriamarohasina ho “Directeur de l’Audit Interne et de la Lutte Anti-Corruption” eo anivon’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-204 tamin’ny 15 janoary 2026 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIVELO Lalao Lantonirina ho “Directeur Technique” eo anivon’ny “Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales”.

MINISITERAN' NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1365 tamin’ny 03 jolay 2024 ary manendry an’Andriamatoa RASAMISON Jullino Serge ho “Directeur de la Planification Stratégique, du Suivi et de l’Evaluation” eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.

MINISITERAN' NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1349 tamin’ny 19 novambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAVELOMANANTSOA Be-Rija ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

MINISITERAN' NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMBARISOA Annick Sandra ho “Directeur des Infrastructures en Eau” eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2115 tamin’ny 18 desambra 2024 ary manendry an’Andriamatoa RALAIMARO Arisoa José Marius ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Itasy.

MINISITERAN' NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-190 tamin’ny 19 febroary 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOBE Giles ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS) ao Menabe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1258 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa COIFFARD Mario Ernest ho Talen’ny Ivon-toeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Toamasina (CJST) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NARIARIMBOLOLONA Lydine Lilias ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Matsiatra Ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Anselme ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Amoron’i Mania eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-226 tamin’ny 15 janoary 2026 ary manendry an’Andriamatoa RARIVOSON Jeannot Chançard ho Tale Jeneralin’ny “Académie Nationale des Arts et de la Culture” (ANAC) ao amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAINIBE Erik Lalaina ho « Directeur des Ressources Internes et de la Communication » eo anivon’ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture » (ANAC).

MINISITERA DELEGE MISAHANA NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1559 tamin’ny 03 desambra 2025 ary manendry ny Colonel RANDRIAMALALAHERITIANA Rivo Rino Jean de Dieu ho “Directeur de la Police judiciaire” eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

 

Antananarivo, 05 mey 2026,
Rahajason Harry Laurent
Talen’ny Serasera
eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika