Ao anatin’ny fanatanterahana ny Fanavaozana ny fitantanana ny firenena, dia manambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, fa tsy hisy sariny ofisialy hapetaka eny amin'ireo biraom-panjakana.

Natao izany mba :

• Hialàna amin’ny kolontsaina fanandratana olon-tokana
• Hampiharana ny politikan’ny fitsitsiana. Isan’ izany ny fahaizana mitsinjara sy mampiasa amin’ny tokony ho izy ny volam-panjakana.

Ity sary ity kosa dia entina maneho fa ny Fanjakana dia natao hanompo sy hiasa ho an'ny vahoaka. Ary andry sy ain-dehibe iankinan'ny firenena ny tanora.