I. FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fitsidihana ôfisialy notanterahin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara tany Guinée Équatoriale, ny 26 hatramin'ny 27 martsa 2026.

MINISITERA MIADIDY NY FANAVAOZANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana iombonana ny dinik'ireo mpamatsy vola miaraka amin'ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola ao anatin'ny fanatanterahana ny fandaharanasan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ary fampidirana ny fandraisan'ny tanora anjara.

MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo fivoriambe isam-paritry ny minisitera.

MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAKA ASA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanitsiana ny PIP amin'ny alalan'ny famatsiam-bola anatiny 2026.

MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana ny famoahana ny tetibola handoavana ireo karama tsy mbola voaloa sy ireo latsakemboka sôsialy (CNAPS) ho an'ireo mpiasan'ny FCE.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana hampiasana ny tetibola fanampiana ho an'ny zotra Fianarantsoa - Côte Est, taona 2026.

MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandaminana lasitra manokana entina manetsika ny fanapariahana haingana ny angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro eto Madagasikara.

MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanendrena ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ny Kraomita Malagasy.

MINISITERAN'NY NY ASA VAVENTY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana tovana amin'ny hanalavana ny fe-potoana fifanarahana amin'ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny "voie rapide" mampitohy ny Seranan-tsambon'i Toamasina sy ny RN2 tanterahin'ny orinasa SINOHYDRO.

MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana sy fanohanana ara-bola amin'ny fandraisana anjara amin'ny Lalao Tompon-dakan'i Afrika Judo any Nairobi ny 22 hatramin'ny 27 aprily 2026.

MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ny saran'ny fampitana ny lalao fiadiana ny tompon-daka maneran-tany FIFA 2026.

II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalána fehizoro mamaritra ny fandaminana, ny andraikitra sy ny fampandehanana ny Filankevitra ara-toekarena, sôsialy sy kolontsaina.
  • Nolaniana ny didim-panjakana mamarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram- pirenena
  • Nolaniana ny didim-panjakana mampanan-kery ny fe-potoan'ny hamehana ara-angovo.

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalana momba ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (partenariat public - privé)

MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

  • Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ny fomba fampiharana ny Lalana laharana faha-2017-002 tamin'ny 6 jolay 2017, momba ny Fehezan-dalana mifehy ny Fifamoivoizana eto Madagasikara.

MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manambara ny maha tombontsoa iombonana ireo asa ao anatin'ny "Programme Intégré d'Assainissement d'Antananarivo Phase II (PIAA2)" momba ny fahazoana amin'ny alalan'ny raharaham-pihavanana na fanesorana ny fizaka- manana sy ny fanafahana ny faritra voakasika noho ny tombontsoa iombonana, ireo ampahan-tany sy/na trano voakasik'ireo asa.

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Médecin Général de Brigade RAMANANTSOA Northon Raherizah ho Inspecteur des Armes Spécialisées auprès de l'Inspection Générale des Armées.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1468 tamin'ny 26 novambra 2025 ary manendry Général de Division RAVOAVY Nandrasanarisoa Zafizambatra ho Inspecteur Général à l'Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale.

PRIMATIORA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-666 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry ny Général de Brigade COMPOGE Jojo ho Talen'ny Kabinetra Miaramilan'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1820 tamin'ny 23 oktobra 2024 ary manendry ny Colonel RANDRIANIRINA Patrick Noël Maminiaina ho Secrétaire Exécutif de la Cellule de Prévention et d'appui à la Gestion des Urgences (CPGU) eo anivon'ny Primatiora.

MINISITERAN' NY FOLOALINDAHY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1462 tamin'ny 26 novambra 2025 ary manendry ny Colonel RANAIVOSON Herimiandrasoa José ho Tale misahana ny Fanavaozan-drafitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy.

MINISITERAN' NY FITSARANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1970 tamin'ny 27 novambra 2024 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANASOLO Johanna Hariniony ho Commissaire Général de la Loi près le Conseil d'Etat de la Cour Suprême.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-610 tamin'ny 27 jona 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Tafita ho Commissaire Général du Trésor Public près la Cour des Comptes de la Cour Suprême.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-399 tamin'ny 09 aprily 2025 ary manendry an'Andriamatoa MANJANY Bienvenu ho Procureur Général près la Cour d'Appel d'Antananarivo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1697 tamin'ny 17 desambra 2018 ary manendry an-dRamatoa ARIMALALA Marie Laure ho Premier Président de la Cour d'Appel ao Fianarantsoa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-613 tamin'ny 27 jona 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOSAMIMANANA René ho Procureur Général près la Cour d'Appel ao Fianarantsoa.

MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1663 tamin'ny 8 desambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa AINA NIRINA Serge Honoré ho Tale Jeneralin'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrososana Ifotony.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOLOJANAHARY Renel Edelphin ho Tale Jeneralin'ny Institut National de la Décentralisation et de Développement Local
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2013 tamin'ny 04 desambra 2024 ary manendry an-dRamatoa BEVAZAHA Marie Annick ho Lehiben'ny Distrikan' Ambanja.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-982 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa NDEHA Sylvain ho Lehiben'ny Distrikan' Ambato-Boeny.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-984 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa PIERRE Djaosera ho Lehiben'ny Distrikan'ny Mitsinjo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-176 tamin'ny 19 febroary 2025 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMBAHOAKA Soanaivo Erik ho Lehiben'ny Distrikan' Ivohibe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1670 tamin'ny 8 desambra 2025 ary manendry an-dRamatoa ZARA Amélie ho Lehiben'ny Distrikan'ny Beroroha.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ADAKALO Nasolo ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Boeny.

MINISITERAN' NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1005 tamin'ny 20 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISON Jacques Roland ho Directeur Général du Contrôle Financier eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-045 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RASOLONIRINA Ranarivony Harilalaniaina ho Directeur des Statistiques et de la Comptabilité eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-2008 tamin'ny 22 desambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Christophe Andrianjafinira ho Directeur de la Législation et de la Valeur eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

MINISITERAN' NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-2020 tamin'ny 22 desambra 2025 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTO Thomas Richard ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Directeur Sofia eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.

MINISITERA MISAHANA NY FANAVAOZANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIZAFY Romario ho Talem-paritra ao amin'ny Faritra Fitovinany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MIHA JAONASITERA ho Talem-paritra ao amin'ny Faritra Androy.

MINISITERAN' NY FANAJARINA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-591 tamin'ny 13 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RANIVOARISON Manantenaniaina Charlie ho Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ao amin'ny Faritra Vakinankaratra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-086 tamin'ny 29 janoary 2025 ary manendry an'Andriamatoa MARA Manovondahy ho Talem- paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ao amin'ny Faritra Androy.

MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-704 tamin'ny 20 martsa 2024 ary manendry ny Dr BEFANAMBINA Thiera Leri ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao amin'ny Faritra Androy.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROANA ARA- TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-304 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZANAMARO Onja Hariveloniaina Morilline ho Directeur du Parc Botanique et Zoologique eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikaroana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-191 tamin'ny 7 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAZAKA Tina José ho Directeur des Affaires Juridiques eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikaroana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAFIDISON Daudet ho Filoha vonjimaikan'ny Oniversiten'i Menabe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABERINARY Daniel ho Filoha vonjimaikan'ny Oniversiten' Anosy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BENAIVO BOULEVIN ho Filoha vonjimaikan'ny Oniversiten' Androna.

MINISITERAN' NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MANATSARA Marcellin Alisé Christophe ho Directeur de la Fabrication du Centre National de Production de Matériels Didactiques (CNAPMAD).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1036 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an' Andriamatoa ANDRIATSARAFARA Clarck Rasoanaivo Lalaoharizaka ho Directeur des Affaires Administratives et Financières eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMADIMANANA Sandy Miatrika ho Directeur de l'Institut National de Promotion de la Formation eo anivon'ny Fampianarana Tekinìka sy ny Fanofanana Araka asa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-126 tamin'ny 5 febroary 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAMIANDRASOA Andrianandraina Lionel ho Directeur de la Programmation du Suivi et Evaluation eo anivon'ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-063 tamin'ny 22 janoary 2025 ary manendry an-dRamatoa BAYANTE Sarah ho Directeur de l'Apprentissage et de la Formation Qualifiante eo anivon'ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-435 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAHERINIAINA Odilon Ryanne ho Talem-paritry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa.

MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRANAIVO Tolonjanahary Lovaniana ho Tale Jeneralin'ny Fambolena (DGA) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena Ara-tsakafo (MiASA).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARIJAONA Narindra ho Directeur Général des Projets et Partenariat (DGPP) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena Ara-tsakafo (MiASA).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMBOLOLONA Forgeot Fandinisa ho Directeur Administratif et Financier (DAF) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena Ara-tsakafo (MiASA).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAMONJISOA Lalanirina Marie Erika ho Directeur des Affaires Juridiques et Contentieuses (DAJC) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena Ara-tsakafo (MiASA).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOZANANY Miandrisoa Tokiniaina ho Directeur de la Planification et du Suivi-Evaluation (DPSE) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena Ara-tsakafo (MiASA).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARISON Hoby Andrianjatovo ho Directeur de la Vulgarisation et de la Formation Agricole et Rural (DVFAR) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena Ara-tsakafo (MiASA).

MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBONA NY INDOSTRIA SY NY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMANDRATRA Fenosoa Dolaniaina Nomenjanahary ho Tale Iraisam-paritra vonjimaikan'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Antsirabe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHERISON Andrianantenaina Liva ho Tale Iraisam-paritra vonjimaikan'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina Antananarivo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa JAORIZIKY Patricia ho Tale Iraisam-paritra vonjimaika ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Miarinarivo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABOTO Paul Elodie ho Tale Iraisam-paritra vonjimaikan'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Toamasina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RADANISON Nary Arture Patrick ho Tale Iraisam-paritra vonjimaikan'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Mahajanga.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATSIZAFY Hyacinthe Hygin Tale Iraisam-paritra vonjimaikan'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Fianarantsoa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa M. MANOVOSOA Hugo Tale Iraisam-paritra vonjimaikan'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina ao Taoloagnaro (Anôsy sy Androy).

MINISITERAN' NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa HERIMALALA Jimmy ho Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ao Ihorombe eo anivon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFITSITAIRANA Jean Harlain ho Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ao Anosy eo anivon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana.

MINISITERAN' NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1332 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa SETH Andriamarohasina ho Talen'ny Serasera eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam- panjakana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-542 tamin'ny 6 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMISETRA Herimalala Rija ho Directeur des Affaires Juridiques eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.

MINISITERAN' NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-264 tamin'ny 15 martsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAZANAKA Ravaka Lalatiana Miriame ho Directeur des Affaires Juridiques eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1339 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISON Nandrasanamahery ho Sekretera Jeneraly eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-2079 tamin'ny 22 desambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Rado ho Coordonnateur Général des Projets eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1155 tamin'ny 5 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa FIDELIS Marcel ho Directeur des Affaires Financières eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

MINISITERAN' NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMAHATRATRA Dina Anjaniaina ho Coordonnateur Général des Projets eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMAMONJISOA Carl Eric ho Directeur des Finances, Logistique et Patrimoine eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-307 tamin'ny 22 martsa 2023 ary manendry anAndriamatoa TAMONY Bruno ho Directeur des Affaires Juridiques eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISOA Anjara Lalaina ho Directeur de la Planification, du Suivi et de l'Evaluation eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANANTSOA ANDRIAMPANIRY Tovoniaina ho Directeur des Energies Renouvelables eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.

MINISITERAN' NY JONO SY NY TOE-KARENA MANGA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-336 tamin'ny 23 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAHARIMANDIMBY Simon ho Tale Jeneralin'ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano eo anivon'ny Minisiteran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1006 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa ROVAMAMPIANINA Diary Manantsoa Princy ho Directeur des Affaires Administratives et Financières eo anivon'ny Minisiteran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-250 tamin'ny 23 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa BE Jean Jacques ho Directeur des Etudes, de la Statistique et de la Planification eo anivon'ny Minisiteran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga.

MINISITERAN' NY RANO SY NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa VAOSOLOMALALA Yvette Maria ho Directeur de la Valorisation des Ressources en Eau.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1427 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANDRANTO Miantsaniaina Hasimiora ho Talem-paritry ny Rano sy ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Vakinankaratra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONIAINA Armand ho Talem-paritry ny Rano sy ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Diana.

MINISITERAN' NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-316 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an' Andriamatoa RAZAFINDRAMARAKOMA Solohery Rufin ho Tale Jeneralin'ny Mponina eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1366 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAJAONARY Sylvestre ho Tale Jeneralin'ny Firaisankina eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRY Heritiana Josias ho Directeur des Ressources Humaines eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMPANAHY Danefo Gré de Dieu ho Directeur des Affaires Juridiques eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1760 tamin'ny 8 desambra 2025 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANIRINA Chatrian Sonya ho talen'ny Serasera eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-558 taminn'ny 5 febroary 2026 ary manendry an'Andriamatoa BEARIMBOLA Lahatramiharifetra ho Directeur de la Gestion du Registre Social Unique eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-520 tamin'ny 6 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa ZAMANILEHA Elando Fréda ho Directeur du Développement Social eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-317 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANTSOA Eric Niaina ho Directeur de la Planification et de Suivi-Evaluation eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANDRAVAKA Famenontsoa Sarah ho Directeur de la Promotion du Partenariat eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLONJATOVO Patricia Bodosoa Olihène ho Directeur de la Promotion d'Egalité Femmes-Hommes eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABEMANANTSOA Maminiriana Rolland ho Directeur de l'Autonomisation des Personnes en situation d'Handicap et d'Appui aux Personnes Agées eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-557 tamin'ny 5 febroary 2026 ary manendry an'Andriamatoa RATOVOMAMONJY Anja Hobiniaina ho Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1704 tamin'ny 25 septambra 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAKOTO Lalinoro Imalala ho Directeur de la Protection de l'Enfant eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-559 tamin'ny 5 febroary 2026 ary manendry an'Andriamatoa BETINA BRUNO ho Directeur de la Prévention des Risques et Réponses aux Chocs eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.

MINISITERAN' NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MAMPITEBY Jean Luc Randrianatenaina ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena ao amin'ny Faritra Androy.

MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1062 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RABANIT Gérard Bradon ho Directeur des Affaires Juridiques eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-613 tamin'ny 04 jona 2025 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIJAONIMANANA Finoana ho Directeur de la Dépêche Informative Taratra eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOLONA Herinomenjanahary ho Directeur de la Régulation et de la Pédagogie auprès de l'Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC) eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANAIVOSON Herilalaina Emmanuel ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin'ny faritra Vakinankaratra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa NAVY Clé Sylvain ho Talem- paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin'ny faritra Sava.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa BODANOMENA Hajason Archinel ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin'ny faritra Analanjirofo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFARAHARINIVO Tantely Fanja Oliva Franckline ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin'ny faritra Boeny.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHARISON Mika André ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin'ny faritra Sofia.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANALINA Iharison Gaston ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin'ny faritra Betsiboka.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RASOANIRINA Marie Lydia ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin'ny faritra Ihorombe.

IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-615 tamin'ny 04 jona 2025 nanendry ny Directeur des Ventes et Recouvrement auprès de l'Agence Nationale d'Appui au Logement et à l'Habitat ou ANALOGH.

MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1247 tamin'ny 30 septambra 2020 izay nanendry ny Directeur des Curricula et des Recherches Pédagogiques teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1069 tamin'ny 2 mey 2024 izay nanendry ny Directeur Général de l'Institut National de Formation Pédagogique (INFP) teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.

MINISITERAN'NY FITANTERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1341 tamin'ny 19 novambra 2025 izay nanendry ny Directeur de la Communication co anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

MINISITERAN' NY RANO SY NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1756 tamin'ny 8 desambra 2025 izay nanendry ny Directeur des Infrastructures en Eau.

MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-207 tamin'ny 07 febroary 2024 izay nanendry ny Directeur de la Promotion de la Femme teo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-320 tamin'ny 21 febroary 2024 izay nanendry ny Directeur de l'Adoption Malagasy teo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.

Antananarivo, 23 aprily 2026,

Rahajason Harry Laurent

Talen'ny Serasera

eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika