I. FAMPITANA AM-BAVA


FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fametrahana vondrona handrindra ny fanarenana ny tanànan'i Toamasina.


PRIMATIORA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fivoriana maika ho fandrafetana drafitrasa mikasika ny toe-draharaha any Iran.


MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY FANAVAOZANA
NY REPOBLIKA Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandrindrana ireo asa fikaonandoha tafiditra ao anatin'ny fanavaozana.


MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny asa fanitsiana ny sokajin-taona 2025 sy ireo tsy tafiditra.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo sambo mpanjono vahiny tafiditra ao anatin'ireo jono tsy manara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (INN) ao amin'ny Faritra ara-toekarena manokan'i Madagasikara.


MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny andiany voalohany amin'ny dinika fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina ao anatin'ny fifanarahana Samoa.

MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA + MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA + MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA + MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fampirantiana manokana "Belgrade 2027", tanterahin'ny kômity iraisan'ny
    Minisitera mpandrindra, ny 15 mey hatramin'ny 15 aogositra 2027 any amin'ny Repoblikan'i Serbie.


MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hanova ireo fitsinjaran'ny tahirim-bolan'ny PIP 113, taom-pikatrohana 2024
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fepetra manokan'ny famatsiam-bolan'ireo fampiasam-bola kaominaly laharam-pahamehana sy fanarenana taorian'ny
    rivodoza.


MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanolorana ny tetiandro fanomanana PLFR 2026 sy PLFI 2027.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fandrafetana ny FAD-17.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiatoana vonjimaika ny fandoavana ireo haba sy hetra amin'ny fanafarana lafarinim-bazaha sy menaka.


MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampidirana manokana amin'ny vatan- draharaha mivantana ambony (corps immédiatement supérieur), ireo pôlisy mpiasam-panjakana voamarina noho ny asa mendrika miavaka nataony.


MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Nankatoavina ny tampitana am-bava momba ny fanombohan'ny tankalazana ny taon-jôbily faha 130 taona an'ny sampan-draharaha misahana ny raharahan-tany eto
    Madagasikara.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famindrana ny tetikasa fanamboarana toeram-piantsonana (gare routière) Amoronankona amin'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro.


MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fomba fiasan'ny Governemanta hanamafisana ny fahasalamana fototra amin'ny alalan'ny fametrahana "fanampiana ara-bola ho fanohanana ny fanatanterahana ny fitsaboana fototra" ho an'ireo mpiasa ao amin'ny Ivontoeram-pahasalamana fototra (CSB), ary koa ny fanohanana ny
    fampidirana eo amin'ny sehatry ny asa ireo tanora mpitsabo mpanampy matihanina.


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava amin'ny fangatahana fahazoan-dàlana ny fandoavana "attachement" amin'ny asa fanorenana trano fatoriana ao amin'ny Oniversiten'i Mahajanga, Antananarivo A ary Antananarivo B.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hampiasa ny fomba fanomezana tsenam-baro-panjakana araka ny fepetra voalazan'ny andininy 39.11.2 amin'ny lalàna laharana faha-2016-055 tamin'ny 25 janoary 2017 momba ny Fehezan-dalàna mifehy ny tsenam-baro-panjakana, ho an'ny asa fanorenana trano fatorian'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Toamasina, Sava ary Anôsy miaraka amin'ireo fitaovana.


MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandaniana ny taotrano vaovao ho an'ireo sekoly sy ny fiantraikany amin'ireo tsenam-baro-panjakana amin'ireo taotrano teo aloha ESM (Sekoly Manara-penitra)


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanokafana ny fandraisana toeran'asa voafaritra anaty tetibola miisa 200 ho an'ny taona 2026


MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fitazonana ny fanesorana ny hetra amin'ireo "fongicides" (positions tarifaires 3808.92 sy 3808.93)

MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo fepetra noraisin'ny Minisitera taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Gezani sy ny fanampiana ara-bola ny "State Procurment of Madagascar" (SPM).
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny paikady tanterahina momba ny fidinan'ny vary akotry any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, Itasy, Bongolava.


MINISITERAN'NY VAROTRA SY FANJIFANA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA + MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanitarana ny AGOA sy ireo hetsika mila atao ho faharetan'ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy Etazonia.


MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fananganana Tsanganasa (Fondation) iray ho an'ny toekarena manga eto Madagasikara.


MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASATANANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny hetsika "Gasy k'Art Manja" ny 14 hatramin'ny 17 mey 2026 any amin'ny Domaine du Coq ao Suèvres, Frantsa.
  • Nankatoav?na ny tampitana am-bava momba ny tangatahana ny tandra?san'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fandoavana ireo asa famaranana ny "Village Artisanal" Ivato.


MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana tetibola fanampiny entina manomana ny andro iraisampirenena ho an'ny zon'ny vehivavy 2026.


MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana amin'ny fanokafana ireo fifaninana nasiônaly sy fangatahana toeran'asa voafaritra anaty tetibola handraisana ireo "cadre technique"-n'ny tanora (Inspecteurs, Mpanolotsaina sy Mpandrindra ireo hetsika ho an'ny tanora)
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny Fikaonandoham- pirenena ho an'ny tanora ho an'ny Fanavaozana, miaraka amin'ny fifampidinihana isam-paritra ho fanavaozana ny Pôlitika Nasiônalin'ny Tanora sy ny famolavolana ny Pôlitika Nasiônalin'ny Fanatanjahantena. Ny Fanokafana amin'ny fomba ôfisialy dia hatao ny alarobia 11 martsa 2026 ho avy izao.


MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ireo fandaharanasa fampiasam-bolam-panjakana mifanaraka amin'ireo asan'ny Minisitera maika sy ireo fandaniana amin'ny fampandehanan-draharaha amin'ireo fankalazana ôfisialy sahanin'ny Minisitera.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famindrana ny fandoavana ny karamin'ireo mpiasan'ny "Agence Nationale d'Information" TARATRA mankany amin'ny tetibola ankapobeny.


MINISITERA DELEGE MISAHANA NY ZANDARIMARIA NASIÔNALY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraiketana ireo toeran'asa voafaritra ara-tetibola ho an'ny taona 2025-2026 ho fandraisana ireo mpianatra zandary.


II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA


MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana laharana 2009-890 tamin'ny 02 jolay 2009 novaina sy nofenoin'ny didim-panjakana laharana faha 2025-1246 tamin'ny 19 nôvambra 2025, mamaritra ny fandaminana, ny fampandehanana sy ireo andraikitry ny Fokontany.
  • Nolaniana ny didim-panjakana fankatoavana fanafarana sy fanomezan-dalana fivarotana fitaovam-piadiana sokajy faharoa sy fahatelo ho an'ny "Société des artifices civiles

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana mamela ny fanitsiana ireo fananana ara-bolan'ny Tahirim-bola Iraisampirenena (FMI) ho amin'ny ariary.
  • Nolaniana ny didim-panjakana momba ny "régularisation de libération" ny Fandraisan'ny Fanjakana Mal?gasy anjara amin'ny renivolan'ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy JIRAMA S.A


MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Nolaniana ny didim-panjakana momba ny fampifandraisana amin'ny "Caisse de Retraite Civile et Militaire" ny mpiasan'ny orinasam-panjakana "Réseau National des Chemins de Fer Malagasy" miasa ho an'ny Fianarantsoa Côte Est (FCE).


III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


MINISITERAN' NY FITSARANA

  • Noraisina ny didim-paniakana manendry an-dRamatoa ANDRIANARIVIO Tahiriarifara ho « Directeur Adm?n?stratit et rinancier Penientare » eo an?ivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-paniakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1653 tamin'ny 22 desambra 2022 ary manendry an'Adriamatoa NAPOU Jérémie       « Directeur de l'Inspection Pénitentiaire » eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-1282 tamin'ny oktobra manendry an'Andriamatoa RASOAMANANARIVELO Ranto Diary ho « Directeur de la Sécurité des Etablissements Pénitentiaires » eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2009-1057 tamin'ny 04 aogositra 2009 ary manendry an-dRamatoa RANOROMANAMPISOA Hanitrininosy ho « Directeur de l'Humanisation de la Détention et de la Préparation à la Réinsertion Sociale » eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANAIVOSON Olivier ho Fandraharahana ny Fonja ao Analamanga eo anivon'ny Talem-paritry Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOKINIAINA Tata Hygin Fortuné ho Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja ao Vakinankaratra eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana
  • Noraisina ny did?m-panjakana manendry an Andriamatoa RAFIDISON Rija Hajatiana ho Talem-paritry ny Fandraharahana nv Fonia ao Bongolava eo anivon't Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RIVOHARILALA Léa Sidonie ho Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja ao Alaotra Mangoro eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAVAO James Judicaël ho Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja ao Melaky eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa INDRIAMIFIDY Nantenaina Gérald ho Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja ao Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.


MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFITSIANDROAFA Jean Brunelle ho Lehiben'ny Farira vonjimaika Fitovinany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Division MIANDRISOA Olivier ho Lehiben'ny faritra vonjimaika ao Atsimo Andrefana. 
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Lieutenant-Colonel AUNEZIFORT Philippe ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Menabe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa DELLARIS RANDRIAMANANKEVITRA Huberto ho « Adjoint au Préfet de Police de la Ville d'Antananarivo ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANAIVOSON Narisoa Ando Joelle ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation de l'Institut National de la Décentralisation et de Développement Local » eo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-399 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa SASY Nireigna Suzuéline ho Tale misahana ny Serasera eo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1668 tamin'ny 08 desambra 2025 ary manendry an' Andriamatoa ANDRIANANDAZANA?Desnos Télésphore ho « Directeur de la Formation et du Perfectionnement ».?
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1916 tamin'ny 13 nôvambra 2024 ary manendry an-dRamatoa RAHARIJAONA?Andoniaina Norosoa ho « Directeur de la Coopération des Collectivités ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-669?tamin'ny 20 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANARISON Jessica Nancy ho Lehiben'ny Distrikan'i Toamasina II.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-709 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Bruno ho Lehiben'ny Distrikan'i Mampikony.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-420 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAJOELINARIVO?Tantelinirina Lala Jérémy ho Lehiben'ny Distrikan' Antsalova.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-985 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry an' Andriamatoa RANDRIANTSOA Félicien ho Lehiben'ny Distrikan'i Kandreho.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-986 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa SOLOFOMALALA?Andriantiana Duval ho Lehiben'ny Distrikan'i Tsihombe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-598 tamin'ny 04 jona 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINANTOANINA Andriamanana ho Lehiben'ny Distrikan'i Mandoto.


MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Dr RANDRIANAMBININA Ephraïm Stéphanson ho Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1050 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARISON Sendra
    Nirina ho "Directeur de la Promotion du Partenariat et de la Coordination des Relations Internationales" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny
    Fikarohana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa NOFISOA MAMPITOHY Jonary Tolérant ho Filoha vonjimaikan'ny Oniversiten 'Androy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1310 tamin'ny 19 nôvambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAHERISON Andoniaina Hajanirina ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1308 tamin'ny manendry an-DRamatoa RAMANANTSIOHARANA Harisoa Nathalie ho "Directeur des Bourses Nationales et Extérieures" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-2040 tamin'ny 22 desambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa JAONA Clément ho "Coordonnateur de la Cellule Anti-corruption" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
  • Noraisina didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RANDRIAMANDRATONDRAKOTONIRINA Hacynicolas Finoana Arizo ho Filoha vonjimaikan'ny Oniversiten'I Amoron'i Mania.


MINISITERAN' NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-220 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an' Andriamatoa RANDRIAMANIRAKA Clément Richard ho "Directeur des Inspections Minières" (DIM) eo anivon'ny Minisiteran'ny Harena An-kibon'ny Tany.

MINISITERAN' NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-375 tamin'ny 02 aprily 2025 ary manendry an'Andriamatoa HERINIAINA Charles Pierrot ho "Directeur de la Programmation et des Appuis" (DPA) eo anivon'ny "Coordination Générale des Projets" eo amin'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.


MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-367?tamin'ny 31 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARIVAO Mbolamalala Sitrakanantenaina ho "Conservateur de l'Office du Site Culturel?d'Ambohimanga Rova" (OSCAR) eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny?Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-769?28 jolay 2021 ary manendry an-dRamatoa ZAFINDRAZANA?Ralaiaridimby Edwella ho Talen'ny Ivontoeran'ny Sarimihetsika sy Sarimiaina?Malagasy (ISSM) eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.


IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


MINISITERAN' NY FANAJARINA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1674 tamin'ny 08 desambra 2025 nanendry ny "Directeur des Services Topographiques" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny d?dim-panjakana manafoana ny d?dim-panjakana laharana faha 2023-363 tamin'ny 05 aprily 2023 nanendry ny "Directeur de la Statistique, du Système d'Information et de la Planification" teo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana?Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-305 tamin'ny 21 febroary 2024 nanendry ny "Directeur des Reformes, des Suivi et
    Evaluation" teo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

V. SAMIHAFA

  • Tatitra momba ny fahafatesan'ny zaza voan'ny MPOX : nanambara ny Minisitry ny?Fahasalamam-bahoaka fa ny valin'ny fitiliana dia milaza mazava fa voan'ny MPOX ilay zaza ary noezahina ny niresaka tamin'ny reniny, izay tsapa fa tena latsaka tao anaty alahelo lalina noho ny fahalasan'ny zanany, mba hanaraka ireo fepetra ara pahasalamana tsy maintsy arahina amin'ny tranga toy izao mba tsy hiparitahan'ity aretina ity.
  • Nampahafantarina teo anivo'ny Filan-kevitry ny Minisitra fa efa tapitra ny fotoam- piasan'ny Tale Jeneralin'ny Orinasa SIRAMA. Noho izany, tsy afaka mandray fanapahan-kevitra intsony ny tenany momba io Orinasa io. Efa hatomboka eo anivon'ny Filankevi-pitantanana moa ny antso amin'ny fifaninanana handraisana ny Tale Jeneraly vaovao
  • Efa miroso eo anivon'ny Filankevi-pitantanana ny Orinasa « Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles » (SMMC) ny fombafomba araka ny lalàna mikasika ny fanendrena ny Tale Jeneralin'io Orinasa io.

Antananarivo, 03 martsa 2026,
Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika