I. FAMPITANA AM-BAVA


PRIMATIORA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava mifandraika amin'ny fanambaràna voim-pirenena taorian'ny fandalovan'ny rivodoza GEZANI.


MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava mifandraika amin'ny tatitra momba ny fivoaran'ny toe-draharaha taorian'ny fandalovan'ny rivodoza GEZANI.

II. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOANOSY RAOLIDINA Mampionona Olivier Dieu Donné ho Talen'ny Birao misahana ny Fitarainana eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.


MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Atsinanana. 
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABEMANANJARA Elire Joseph ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Alaotra Mangoro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TODY Arnaud ho Lehiben'ny Faritra vonjimaika ao Analanjirofo.


Antananarivo, 11 febroary 2026,
Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika