I. FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny hampiasana an'ireo fiaran'ny minisitera hafa ampiasain'ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fitsidihana ôfisialy ao anat?n'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny 18 hatramin'ny 25 janoary 2026
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo asa fitsirihana ara-tekinika momba ireo "systèmes d'inspection non-intrusive" (scanners).
MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanalavana ny fe-potoana amin'ny tovana amin'ny fifanarahana fanamboarana sy fanomezana pasipaoro biômetirika malagasy natao tamin'ny Vondrona Semlex Europe S.A.
MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampifanarahana (mise à l'échelle) hetsika faobe fiarovana ny fananan-tany eo amin'ny Minisitera sy ny Sampan-draharaham-panjakana manerana ny Distrika rehetra.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana ireo aretina laharam-pahamehana: fivalanana sy aretin'ny taovam-pisefoana mahery amin'ireo ankizy latsaky ny dimy taona sy ny fiakaran'ny tosi-drà ary ny diabeta amin'ireo olon-dehibe ahitana areti-mitaiza.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanombohan'ny tetikasa "Transforming Access and Learning in Madagascar" (TALIM), ny 09 febroary 2026 any Morondava.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FAMPIOFANANA
ARAKA ASA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tànana ny saram-pianarana sy fametrahana ireo ankizy nahazo vatsim-pianarana ao anatin'ny fiaraha-miasa Malagasy-Algerie.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia ny fanitsiana ny fifanarahana momba ny fanondranana henan'omby sy henan'osy mankany amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tetikasa ivon-toerana mpamokatra herinaratra vaovao amin'ny alalan'ny herin'ny masoandro ao Ambatolampy.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fanaovan-tsonia ny fifanarahana fanomezana mifandraika amin'ny "Tetikasa hanatsarana ny fahazoana herinaratra ao Toamasina" ao anatin'ny fandaharanasa Fampandrosoana ara-toekarena sy ara-piarahamonina (PDES) vatsian'ny "Agence Japonaise de Coopération Internationale" (JICA).
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo tetikasa fanamafisana ny fahaiza-mamokatra angovo azo havaozina taorian'ny fandoavana ireo vola tsy voaloan'ireo?Mpamokatra Herinaratra Mahaleo tena (IPP).
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fitazonana ny fanavaozana ny fandraiketana ireo mpiasan'ny minisiteran'ny asa vaventy izay raisin'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana ny karamany sy ny fandoavana ireo karama mbola tsy voaloa hatramin'ny 2021.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hanatanteraka maika ireo asa fikojakojana ireo lalana RNP6 eo anelanelan'ny PK 155 + 000(Port Bergé) sy PK 468 + 000 (Ambanja) sy RNP7 eo anelanelan'ny PK 799 + 000?(Sakaraha) sy PK 932 + 000 (Toliara).
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana ny fahazoan-dalana hampiasa ny fomba maika, araka ny andininy faha 5, andalana faha 10, amin'ny didim-panjakana laharana faha 2022-800 tamin'ny 01 jona 2022, ho an'ireo asa fanajariana ny lalana mampitohy an'Ilempona (pk0 + 000) amin'ny tetezan'i Belanitra (pk 62 + 721) ao am?n'ny Faritra Vakinankaratra (Sahofika).
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny tovana laharana 01?amin'ny Tsena Manaraka laharana faha 002-MCC003/MTP/PRMP/UGPM/FR.25 momba ny fifanarahana lasitra laharana faha 003-TR/MTP/PRMP/UGPM/FR/25 asa maika fanamboarana tohana miisa roa sy fananganana "pont médulaire métallique" mirefy 42m eo amin'ny tetezan'i Mahavavy eo amin'ny PK 568 + 350 eo amin'ny?RNP6 vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandoavana ny kajim-bola vonjy maikan'ny orinasa "China Road and Bridge Corporation" (CRBC), momba ny anjaran'ny Fanjakana Malagasy, amin'ny tetikasa "Asa fanamboarana ny lalana Ivato - Village Artisanal sy ny Lalana mampitohy ny Boulevard de l'Europe - Village de la Francophonie".
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fividianan'ny ARTEC fitaovana fanaraha-maso ireo varotra sy ny fifandraisana elekitrônika ataon'ny ARTEC.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fifanarahana sy fandraisana an-tanana avy amin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fanampiana ara-bola ho fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny "Jeux Olympiques d’Hiver 2026" any Italie, ny 05 hatramin’ny 22 febroary 2026.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanavaozana sy famelomana indray ny fampianarana ny fanabeazana ara-batana sy ara-panatanjahantena (EPS) any an-tsekoly sy ivelan'ny sekoly eto Madagasikara.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fakan-kevitra ireo mpisehatra sy ireo matihanina amin'ny serasera haino vaky jery manerana ny nosy mba hoentina manolotra hetsika iaraha-manaiky izay manohana sy mampiroborobo ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ary koa ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.
II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana momba ny fandrindrana ireo lalaom-pilokana sy ireo toeram-pilokana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2023-189 tamin'ny 03 martsa 2023 novaina sy nofenoin'ny didim-panjakana laharana faha 2025-815 tamin'ny 30 jolay 2025 anendrena ireo mpikambana eo anivon'ny
- Noraisina ny didim-panjakana manome alalana ny famoahana ny tapany fahatelo amin'ny fampitomboana ny loharanom-bolan'ny Fikambanana Iraisampirenena ho an'ny Fampandrosoana (IDA) ho famatsiam-bola ny "Initiative de l'Allègement de la Dette Multilatérale" (IADM).
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
- Noraisina ny didim-panjakana manambara ny fanafoanana ny Fifanarahana momba ny?Fizaràna Vokatra (Contrat de Partage de Production) nosoniavina ny 27 aogositra 2015 ho Fitsirihana sy Fitrandrahana Akoran'afo amin'ny faritra Belo Profond Nord (Blocs?1841_5 - 1841_6- 1941_1 - 1941_2-1941_3 _1941_4).
- Noraisina ireo didim-panjakana miisa efatra manambara ny fanafoanana ireo "titres miniers d'hydrocarbures" nomena ny OMNIS.
- Noraisina ireo didim-panjakana miisa 17 manambara fa tsy manan-kery ny "titres miniers" momba ny akoran'afo nomena ny OMNIS
- Noraisina ireo didim-panjakana miisa roapolo manambara ny fiafaran'ny fifanarahana fizaràna vokatra (CPP) natao teo amin'ny "Office National des Industries Stratégiques"?(OMNIS) sy ireo kaompanian-tsolika iraisampirenena
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASATANANA
- Noraisina ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fanavaozana ny sata mifehy ny Fizahantany (Code du Tourisme).
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Noraisina ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ireo asa ilaina amin'ny fanatanterahana ny tetikasa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an'ny tanànan'i Toamasina sy ny manodidina, ny fahazoana amin'ny raharaham-pihavanana na fanesorana fizaka-manana sy fanafahana fihazonana noho ny tombontsoa iombonana ireo tany na ampahan-tany voakasik'ireo asa ireo.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana laharana faha 2023-351 tamin'ny 05 aprily 2024, manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2014-1650 tamin'ny 21 ôktôbra 2014 mamaritra ireo dingana sy ireo fepetra ampiharin'ny "Agence de Régulation pour la Règlementation du Secteur des Télécommunications", ny didim-panjakana laharana faha 2014-1651 tamin'ny 21 ôktôbra 2014 mikasika ny fitsipika mifehy ireo tambajotra sy ireo tolotra fifandraisan-davitra, sy ny d?dim-panjakana laharana faha 2014-1652 tamin'ny 21 ôktôbra 2014 momba ny "cadrage de mutualisation" eo amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra.
III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MISAHANA NY FANAVAOZANA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa ANDRIAMAHATSANGY Lahatra ho Talem-paritry ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika Misahana ny Fanavaozana, Faritra Analamanga.
- Noraisina didim-panjakana manendry an' Andriamatoa ANDRIAMBEROMANGA Merthon Simon ho Talem-paritry ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika Misahana ny Fanavaozana, Faritra
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZANAMAHEFA Désirée Marie Stella ho Talem-paritry ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika Misahana ny Fanavaozana, Faritra Matsiatra Ambony.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONARIVONY Tantely Nirina ho Talem-paritry ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika Misahana ny Fanavaozana, faritra Vakinankaratra.
MINISITERAN' NY FITSARANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1652 tamin'ny 21 desambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RABETOKOTANY Tahina ho Président de la Cour de Cassation de la Cour Suprême.
MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1824 tamin'ny 23 ôktôbra 2024 ary manendry an-dRamatoa RANOROMALALA?Lantoharitiana ho Talen'ny "Observatoire et du Développement Local" eo anivon'ny?Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-499?tamin'ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANALISOA?Harimanana Domoina ho Talen'ny "Cellule Environnementale" eo anivon'ny?Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-507?tamin'ny 06 martsa 2024 ary manendry an' Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO?Eddie Mandimby ho Talen'ny "Opérations auprès de l'Unité de Coordination Générale des Projets et Partenariats".
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-861?tamin'ny 03 aogositra 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIERANA?Louis Bertin ho Talen'ny « Formation Continue de l'Institut National de la?Décentralisation et de Développement Local ».
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1978 tamin'ny 27 novambra 2024 ary manendry an-dRamatoa RANAIVO Cornelia Elisah ho Talen'ny « Etudes et de la Gestion des Risques du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes » (BNGRC).
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-909 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Jean Jacques Pierrot ho Prefen'i Nosy-Be
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-889?tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANA Barthélemy Samuel ho Prefen'i Maintirano.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2109?tamin'ny 18 desambra 2024 ary manendry an-dRamatoa VELO Edwina Pauline ho?Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran' Antsiranana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1358 tamin'ny 03 jolay 2024 ary manendry an' Andriamatoa RABE Jean Fabien ho?Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Mahajanga.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANANTENA VALAZAFY Bien Aimé ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Farafangana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-977?tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa BELAMY Mamitiana Ramamonjiarisoa Claude ho Lehiben'ny Distrikan'i Fenoarivobe.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-877?tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAHARISON Andriambolahery Tsirinilaina ho Lehiben'ny Distrikan' Antalaha.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-681?tamin'ny 20 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa BELAHY Théophile ho?Lehiben'ny Distrikan'i Mananara Avaratra.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-881 an'Andriamatoa TANDRIAMANDIMISATA Enintsoa Vonimbola ho Lehiben ny Distrikan'i Lalangina.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha -904 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISON RALIJAONA Dimbiniaina ho Lehiben'ny Distrikan'i Befotaka.
MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-204?tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIARIVELO?Voahirana Rosette ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eo anivon'ny?Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Faritra Itasy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1279 tamin'ny 16 jona 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRADANA?Zonarivelo Hery Mamy ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eo anivon'ny?Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Faritra Atsimo Atsinanana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RALAISOJA?Harimanitra Gin ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eo anivon'ny?Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Faritra Fitovinany.
MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1044 tamin'ny 06 ôktôbra 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANIRAKA?Jaona Harilala ho Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny?Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-296?tamin'ny 19 martsa 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAHERINIRINA Angelo ho Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-242?tamin'ny 06 martsa 2025 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMBASOA Claude Arsène ho Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa eo anivon'ny Minisiteran'ny?Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa ANDRIANTSITOHAINA Tefy Miarantsoa ho Mpandrindra Nasiônalin'ny "Centre National des Euvres
Universitaires". - Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASOAMANANA?Radoniaina Andriantsiresy ho Talen'ny "Système d'Information et des Nouvelles Technologies" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa OVA RAELISON?Jonhson Daniel ho Talen'ny Reforme, Statistique et du Suivi-Evaluation eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-259?tamin'ny 15 martsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISEDY Marcella Julie ho Talen'ny "Centre d'Information et de Documentation Scientifique et?Technique" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOULEMAN Ibrahim?ANDRIAMANDIMBY ho Talen'ny "Sports Universitaires et de la Culture" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONJANAHARY?Manamijoro Andrifahafahana ho Talen'ny "Sûreté et de la Vie Universitaire" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-180?tamin'ny 19 febroary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIAINA?Bearisoa ho Talen'ny "Accréditation et de l'Assurance Qualité de Madagascar" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-942 tamin'ny 17 septambra 2025 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAPANA Bao Stéphanie ho Lehiben'ny "Unité d'Evaluation des Acquis Scolaires" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAKASOA Toky Sambatra Lalaina ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena, faritra Betsiboka
MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa REVOATSE Andriantsilavo Hugues ho Talem-paritry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanan Araka asa, faritra Atsimo Andrefana.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIAMANANJARA Anjanivomahefa Elisah ho Talen'ny "Audit Interne, de la Lutte contre la Corruption et de la Gouvernance » (DAILCG) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE).
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-094 tamin'ny 19 janoary 2025 ary manendry an-dRamatoa RANAIVO Anjara Mbolatiana Michela ho Talen'ny "Affaires Administratives et Financière" eo anivon'ny "Institut National de Formation Administrative" (INFA).
MINISITERAN' NY ASA VAVENTY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-367 tamin'ny 05 aprily 2023 ary manendry an' Andriamatoa REHOSEVO Ambinintsoa Augustin ho Talem-paritry ny Asa Vaventy, faritra Anosy.
MINISITERAN' NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA
- Noraisina ny d?d?m-panjakana manendry an'Andriamatoa NAFTALY Jasara ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina, Faritra Ambatosoa
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1765 tamin'ny 08 desambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAMAROSON Bemandeha Chaussin Zwisler ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina, Faritra Sofia.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FANDAHY Cyprien Bayardex Julius ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Faritra Vatovavy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FENO Whyvelence?Flavien ho Talen'ny "Contrôle Interne et Lutte Contre la Corruption" eo anivon'ny?Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASAMISON Jullino?Serge ho Talen'ny "Gestion du Registre Social Unique" eo anivon'ny Minisiteran'ny?Mponina sy ny Firaisankina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAVONINJANTOVO?Marc Rolando ho Talen'ny "Prévention des Risques et Réponses aux Chocs" eo?anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.
MINISITERAN' NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa TAHINA Vololonirina?Charles Joeline ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS), Faritra
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-189 amin'ny 19 febroary 2025 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMPIRY Victorine?ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS), Faritra Matsiatra Ambony.
IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-195 tamin'ny 15 janoary 2026 nanendry ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena, Faritra Anosy.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1167 tamin'ny 22 mey 2022 nanendry ny Talen'ny "Unité de l'Audit Interne et de la Lutte contre la Corruption" (UAILC) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-464?tamin'ny 30 aprily 2025 nanendry ny Talen'ny "Valorisation des Ressources en Eau" eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-073?tamin'ny 12 janoary 2022 nanendry ny Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, faritra Diana.
Antananarivo, 05 febroary 2026,
Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika
