I. FAMPITANA AM-BAVA


PRIMATIORA

  • Nankatoavina ny Fampitana am-bava momba ny loza mitatao amin'ny mety ho fahavakisan'ny tohodrano eo amin'ny renirano Sisaony, ao amin'ny Fokontany Tongoloina, Kaominina Ampahitrosy, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, ary ireo fepetra maika noraisin'ny Governemanta.


MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomezana alalana manokana ampiasana ireo mpiasam-panjakana avy amin'ireo minisitera hafa entina manamafy ireo mpiasa eo anivon'ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fananganana eo anivon'ny Minisitera tsirairay sampana roa samy hafa: ny sampana fitsirihana anatiny (audit interne) sy ny
    sampana misahana ny fanavaozana.


MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny mety hisian'ny fihotsahan'ny tany eny amin'ny Haute-Ville sy ireo fepetra noraisina.


MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fanomezan-dalana handraiketena fandaniam-bola amin'ny asa fanarenana ny Tranompokonolana ao Soavinandriana.

MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY + MINISITERAN'NY FITSARANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanafoanana ny fampiatoana vonjimaika ny fikarakarana ireo fangatahana sy ireo antontan-taratasy ho an'ny fahalaniana paik'andro manome zo (Prescription Acquisitive) sy ny fanamarinana ny volavolana didim-panjakana mamaritra ireo fepetra fampiharana ny andininy 82 amin'ny didy hitsivolana laharana faha 60-146 tamin'ny 03 oktobra 1960 momba ny "régime foncier de l'immatriculation".


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nankatoavina ny fampitan am-bava momba ny fidiran'i Madagasikara ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana EDCTP (European and Developing Countries Clinical Trials Partnership) sy handray anjara amin'ny fiaraha-miasany amin'ny Vondrona Eoropeanina (GH-EDCTP3), hoenti-miady amin'ireo aretina mifindra mifamatotra amin'ny fahantrana, sy hanamafisana ny fikarohana ara-pitsaboana (recherche clinique) any Afrika Subsaharienne ary eto amin'ny Repoblikan'i Madagasikara.
  • Nankatoavina ny hampiasana ireo toeran'asa voafaritra anaty tetibola (postes budgétaires) miisa zato (100) azo ho an'ny taom-pikatrohana 2026.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny hamindrana ao amin'ny tetibolam- panjakana ankapobeny (Budget Général de l'État) ireo mpiasa eo anivon'ny Instituts
    Supérieurs de Technologie Antananarivo sy Antsiranana.


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAKASA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanovàna ireo tetiandron'ireo tombana sy fanadinana ary fifaninana nasiônaly sahanin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arakasa


MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny andiany voalohany amin'ny Herinandron'ny Fanapariahana ny teknikam-pambolena eto Madagasikara, ny
    17 hatramin'ny 20 febroary 2026.


MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanohanana ara-bola manokana ny orinasam-panjakana SECREN S.A. mifanaraka amin'ny fandoavana ny ampahany
    amin' ireo karama tsy mbola voaloa.

MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana atrikasa roan'ny "Organisation de Coopération et de Développement Economique" (OCDE) momba ny
    fampiroboroboana ny fifaninanana sy momba ny fanodinkodinana ny tsenam-baro-panjakana.


MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanokafana indray ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon'ny tany vaovao ankoatra ny volamena.


MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SYNY FANDROSOANA LOVAINJAFY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny Paikady sy ny Drafitrasa nasionaly ho an'ny zava-manana aina eto Madagasikara (SPANB) 2026-2030.


MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY + MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny fandaharanasa nasiônaly "Mpianatra iray, hazo iray".


MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanokanana ny andron'ny 10 desambra isan-taona ho androm-pirenen'ny Tsapiky sy ny fankalazana io andro io amin'ny alalan'ny Tsapiky Festival, ny 27 sy 28 febroary 2026 any Toliara, Faritra Atsimo Andrefana.

II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA


MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

  • Nolaniana ny didim-panjakana famerenana manamboninahitra iray eo anivon'ny Tafika Malagasy.


MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-697 amin'ny 18 jona 2025 mamaritra ireo fepetra fananganana ny "Sommier National des Baux" ho famondronana, fitantanana ary fanaraha-maso ireo torohay rehetra momba ny fananan-tany mifandraika amin'ny fifanekena hofan-tany natao tamin'ny Fanjakana Malagasy.


MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome alalana ny hanaovan'ny Repoblikan'i Madagasikara sonia ny fanitsiana ny Fifanarahana lasitry ny Alliance Solaire Internationale.


III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade Aérienne (ER) RAKOTOMARONIRINA Jean Alfred ho Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny Fonds
    Souverain Malagasy.

PRIMATIORA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1149 tamin'ny 05 novambra 2025 ary manendry an-dRamatoa KASSAM Zitana ho Directeur Administratif et Financier eo anivon'ny Primatiora.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-085?tamin'ny 05 febroary 2020 ary manendry ny Capitaine de Vaisseau RAMAROSATA?Dimbiharivony Gislain ho Tale Jeneralin'ny Centre de Fusion d'Informations?Maritimes (CFIM).

MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MISAHANA NY FANAVAOZANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANARIVAO Onitiana?Sitraka ho Talem-paritra Itasy eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny Fanavaozana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAKANIRINA?Andriamalala ho Talem-paritra Bongolava eo anivon'ny Minisiteram-panjakana?Misahana ny Fanavaozana.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANASOLO?Eliahevitra ho Talem-paritra Sava eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny Fanavaozana.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANAMARY VOIZY?Blandine ho Talem-paritra Atsinanana eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny Fanavaozana.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANANDRAINA?Aldine Bernadette ho Talem-paritra Analanjirofo eo anivon'ny Minisiteram-panjakana?Misahana ny Fanavaozana.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO?Tojo Harinala ho Talem-paritra Boeny eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana
    ny Fanavaozana.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMAROSON Moïse ho?Talem-paritra Betsiboka eo anivon'nyMinisiteram-panjakana Misahana Fanavaozana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FLORENT Jean Christian ho Talem-paritra Sofia eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny
    Fanavaozana.
  • Noraisina didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMAMPIONONA Roger ho Talem-paritra Melaky eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny Fanavaozana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHERINTSOA André Berthieu ho Talem-paritra Amoron'i Mania eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny Fanavaozana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa IOTOKAROZY ho?Talem-paritra Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny?Fanavaozana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FRIDOLIN Caleb ho?Talem-paritra Vatovavy eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny?Fanavaozana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANAIVO Roger ho?Talem-paritra Menabe eo anivon'ny Minisiteram-panjakana Misahana ny Fanavaozana.


MINISITERAN' NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Noraisina didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANOMENJANAHARY Richard Lalaina ho Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République populaire de Chine.


MINISITERAN' NY FITSARANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-174?tamin'ny 19 febroary 2025 ary manendry an-dRamatoa RAMANANKAVANA?Claudette Sophia ho Premier Président de la Cour Suprême.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-750?tamin'ny 17 aprily 2019 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANJAFIMAHERY
  • Alphonse ho Tale misahana ny Mahaolona eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAZAFY?Heriniaina Narisoa ho Directeur des Affaires des Juridictions Administratives et?Financières eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-751?tamin'ny 17 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAMIARINARIVO Mamisoa Harinivo ho Directeur de l'Administration des Juridictions Judiciaires eo anivon'ny?Minisiteran'ny Fitsarana.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-068 tamin'ny 20 janoary 2021 ary manendry an-dRamatoa RALIMANANA Felanarivo ho Directeur de la Formation Initiale des Elèves Greffiers (DFIEG) ao amin'ny Ecole?Nationale de la Magistrature et des Greffes.

MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-991 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa NOMENJANAHARY Claude Nicole ho Lehiben'ny Distrikan'i Vangaindrano.


MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-142?tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa SENDRATIANA Luc Michel ho Directeur des Etudes, de la Planification et du Système d'Information eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-273?tamin'ny 12 martsa 2025 ary manendry an'Andriamatoa RALIBERA ANDRIAMAHOLY Jerisoa ho Directeur de l'Office National de Lutte Anti-Tabac eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.?
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-370 tamin'ny 02 aprily 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOALISON SOLONOMENJANAHARY Armand Fréderic ho Directeur de la Promotion de la Santé eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.


MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISON Miary ho Tale mpisolo toerana ao amin'ny Oniversiten' Alaotra Mangoro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa OVA RAELISON Johnson Daniel ho Président de Conseil d'Administration du Centre National du Télé-Enseignement de Madagascar.


MINISITERAN' NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1881 tamin'ny 10 desambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANA Aimé Jean Doris ho Directeur de la Formation Initiale ao amin'ny Ecole Nationale d'Administration de Madagascar (ENAM).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-578 tamin'ny 27 martsa 2019 ary manendry an'Andriamatoa JAOROBY Willi Chrétien ho Tale Jeneralin'ny Institut National de Formation Administrative (INFA).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny did?m-panjakana laharana faha 2024-1238 tamin'ny 13 jona 2024 ary manendry an'Andriamatoa SEVA Judicaël Jean Cedrick ho Directeur des Affaires Financières et de la Gestion du Patrimoine eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.
  • Noraisina didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANJARASOA Vololomboahirana Nandrianina ho Talem-paritry ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana Ihorombe eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.


MINISITERAN' NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa NDIMBIARISON Mario ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro Analamanga eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa ZAFINDRABE Josoa Vonjinomena ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RAKOTONDRA VALONASY Etienne Barbier ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro Fitovinany eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.


MINISITERAN' NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-149 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa TIANDRAZANA Sylvia ho Directeur Administratif et Financier eo anivon'ny Minisiteran'ny Harena An-kibon'ny Tany 


MINISITERAN' NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-557 tamin'ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RAOELINA Maharavo Landy ho Directeur des Appuis et des Relations avec les Partenaires de Tahiry Aina ho an'ny Fanatanjahantena sy Itsinjovana ny Tanora (DARP/TAFITA) eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena.


IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


MINISITERAN'NY FITSARANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem- paritra roa ambiny roapolon'ny Fandraharahana ny Fonja eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana.

MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1016 tamin'ny Directeur de l'Unité de Supervision et de Coordination des Actions sur l'Agriculture Biologique (USCAB) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE).
    Antananarivo, 27 janoary 2026,

Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara