I. FAMPITANA AM-BAVA


MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY FAMPANDROSOANA NY SEHATRA TSY MIANKINA + MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fampirantiana iraisampirenena (Exposition Universelle) ny taona 2030 sy ny fametrahana kômity mpikarakara iraisan'ny minisitera.


MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny volavolan-didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana faha 2017-20221 mahakasika ny fampidirana "Visa électronique" ho an'ireo vahiny isan-tsokajiny.


MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fananganana ny "Aumônerie de la Police Nationale Malagasy".


MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny hampiasana tetibola avy amin'ny Fitondram-panjakana entina manamafy ny ady amin'ny valanaretina "Mpox" eto Madagasikara.

MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fahazoana maika velaran-tany mirefy 4Ha ho fanatanterahana ny tetikasa "Sunfarming" (Central Agri-Photovoltaïque 10MW) ho an'ny Oniversiten'Itasy.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tahan'ny fandoavana ireo ora fanampiny ho an'ireo Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra.


MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanitsiana ny tetiandron'ireo fanadinana ôfisialy, taona 2026.


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKINÌKA SY NY FAMPIOFANANA ARAKA ASA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran'ny Minisitry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fampiofanana Araka Asa eo amin'ny Fikaonandoham-pirenena.


MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny andiany faha 10 amin'ny Fivoriamben'ny Firaisankina ho an'ny Fampandrosoana ny Fambolena vary aty Afrika "Subsaharienne" (Coalition pour le Développement Rizicole en Afrique Sub. saharienne - CARD) ny 09 hatramin'ny 12 martsa 2026, aty Madagasikara


MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny toe-draharaha mikasika ny vary sy fanolorana drafitrasa.


MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny hanaovan'ny Repoblikan'i Madagasikara sonia ny Fanitsiana ny Fifanarahana lasitry ny "Alliance Solaire Internationale"
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fidiran'i Madagasikara amin'ny "Alliance Mondiale des Biocarburants" (Global Biofuels Alliance - GBA)


MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY + MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tatitra mikasika ireo tsy fanarahan-talana natan FANGOALA, Kaominina Ambanivohitra Ambahita, Distrikan'i Bekily. Faritra Androy.


II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA


FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manangana ny "Inspection Général des Armées" (IGA) sy mamaritra ny fandaminany, ny fomba fiasany ary ny andraikiny.
  • Noraisina ny didim-panjakana momba ny fandaminana, ny fampandehanana ary ny anjara andraikitry ny « Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale » (IGGN).


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Noraisina ny didim-panjakana momba ny fananganana ny Oniversiten'i Amoron'i Mania amin'ny alalan'ny fanovàna ny "Institut Supérieur de Technologie" Ambositra (IST - A).


III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1548 tamin'ny 14 aogositra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Andrivola Tolojanahary ho Directeur Inter-Régional de l'Inspection Générale de l 'Etat ao Mahajanga.

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1003 tamin'ny 20 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa TANTELINIAINA Angelin Patrick ho Administrateur non-exécutif de Banky Foiben'i Madagasikara, au titre de la Présidence de la Refondation de Madagascar.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANJAFY Antoine ho Tale Jeneralin'ny Fadintseranana eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1121 ary manendry an'Andriamatoa ASTINA Douglas ho Talen'ny "Recherche et du Contrôle Fiscal" eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.


MINISITERAN' NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAVELONDRAIKO Manantsolo Judore ho Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ao amin' ny faritra Analamanga.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TODIVELO Baolahy Vincent ho Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ao amin'ny faritra Vatovavy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1915 tamin'ny 13 novambra 2024 ary manendry an-dRamatoa HAINGONAVALONA Danielle ho Talen'ny "Services Fonciers Décentralisés" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-129 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa RATELOSON Tahina Harisoa ho Talen'ny "Territoire Maritime et Littoral" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-186 tamin'ny 07 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANTOLOTRA Antonine Lovaniaina ho Talen'ny "Planification et du Développement des Territoire" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-377 tamin'ny 28 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa ZANATIANA Létitia Julia hoTalen'ny "Habitat et de l'Urbanisme Règlementaire" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1356 tamin'ny 03 jolay 2024 ary manendry an-dRamatoa VONJIARIJAONA Arlette ho Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ao amin'ny faritra Matsiatra Ambony.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-782 tamin'ny 16 jolay 2025 ary manendry an'Andriamatoa REALY MANAHIRANA Jean Tsihoaia ho Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ao amin'ny faritra Amoron'i Mania.


MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOMBOFENO Vagnono Jorondraza Jean Marc ho Tale Jenaralin'ny "Fourniture des Soins" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-564 tamin'ny manendry an-dRamatoa RAVAORISOA Lantonirina ho Tale Jeneralin'ny "Institut National de Santé Publique et Communautaire" (INSPC) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka.


MISITERAN' NY FAMPIANARANA INAMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-364 tamin'ny 05 aprily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMAHENINA Pierre Benjamin ho Talen'ny "Centre National de Télé-Enseignement de Madagascar" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 92-955 tamin'ny 03 novambra 1992 ary manendry an-dRamatoa RAZAFITSALAMA Falintsoa Fanantenana Asombola ép. RAMAROSAONA ho « Directeur Administratif et Financier de l'Institut National des Sciences et techniques Nucléaires ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1481 tamin'ny 17 septambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa RALAIVELO Mbolatiana Anjarasoa Luc ho Talen'ny « Sûreté Radiologique et de Sécurité Nucléaire » eo anivon'ny « Institut National des Sciences et techniques Nucléaires ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-604 tamin'ny 18 jolay 2017 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHENINA Njaka Namelantsoa ho Tale Tekinika sy Fampiroboroboana ny « Institut National des Sciences et techniques Nucléaires ».

MINISITERAN' NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha -307 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOZAFY Mamy José ho Talen'ny "Affaires Juridiques" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-583 tamin'ny 26 mey 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Derandriamisaina Manjatosoa Antoine Jerry ho Talen'ny "Développement des Intrants Scolaires" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1112 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Lanto Patrick ho Talen'ny "Office National de l'Enseignement Privé" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1729 tamin'ny 02 oktobra 2024 ary manendry an'Andriamatoa CHRISTOPHERE Aina ho "Chef de l'Unité de Coordination des Projets" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa WILSON Rolland Ulrich ho « Directeur Juridique, Administratif et Financier eo anivon' ny Centre Nationale de Production des Matériels Didactiques ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MIRANTIANAMALALA Noël Théophile ho « Directeur Commercial et Marketing » eo anivon'ny « Centre Nationale de Production des Matériels Didactiques ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOLONJATOVO Vianau Rino ho Talen'ny Trano Printy eo anivon'ny « Centre Nationale de Production des Matériels Didactiques
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMIANDRISOA Hervé Stephan ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Bongolava.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOMBOJOBY JAOLAZA Jean Marie Guld'El-Co ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Diana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMILISOA Maminirina ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Alaotra Mangoro.
  • Noraisina ny lidim-panjakana manendry an'Andriamatoa TONGASOA Gerard Andrix ho Talem-par?try ny Fanabeazam-pirenena ao Sofia.
  • Noraisina ny lidim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHAZOSOA Eugen Josel ho Talem-par?try ny Fanabeazam-pirenena  ao Matsiatra Ambony. 
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa  IMANAMBELO Hita Marios ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Atsimo Atsinanana
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa TOLOFAMBOLA Razanadrasedo Helène ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Vatovavy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZANAKOTO Charles Adrien ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Fitovinany.


MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMBAZAFY Tiana Annie ho Talen'ny "Apprentissage et de la Formation Initiale" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANATOANDRO Joelson Richard ho Talem-paritry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa ao Atsinanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa JAONARANA Eric ho Talem-paritry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa ao Boeny.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1320 tamin'ny 19 novambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOSON Anthony ho Talem-paritry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa ao Matsiatra Ambony.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BEARY Lorenzo ho Talen'ny "Affaires Juridiques" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-903 tamin'ny 03 septambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANANTENAINA Henri Christian ho Talem-paritry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Araka asa ao Fitovinany.


MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-621 tamin'ny 13 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANASOLO Harivony Mbolana Nadia ho Talen'ny "Protection des Végétaux" (DPV) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAROZATOVO Ninah ho Talen'ny Agropoles (DAP) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-698 tamin'ny 20 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa LOHANIVO Alexio Clovis ho Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana (DRAE) ao Diana.


MINISITERAN' NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMASINONY Rafanomezantsoa Anita ho Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ao Fitovinany eo anivon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana.


MINISITERAN' NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMAROSON Andrianjatovo Patrick ho Talen'ny "Formation Continue de l'Ecole Nationale d'Administration de Madagascar" (ENAM) eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana Asa sy ny Asam-panjakana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-544 tamin'ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Felananirina ho Talen'ny "Réforme de la Fonction Publique" eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana Asa sy ny Asam-panjakana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1879 tamin'ny 10 desambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARY Jean Ronald ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières de l'Ecole Nationale d'Administration de Madagascar" (ENAM) eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana Asa sy ny Asam-panjakana.


MINISITERAN' NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-684 tamin'ny 12 mey 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAVONINJATOVO Rijarimanana Rajaona ho Talen'ny "Projets et du Partenariat" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-978 tamin'ny 09 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Rado Michel ho Talen'ny "Planification et du Suivi Evaluation" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANAIVO Rivohasina ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Vakinankaratra eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIRAINY Nianjatiana Esther Christina ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Itasy eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASIDY Sorontsoa ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Diana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHELISOA Elida ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Analanjirofo eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1005 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANOMENJANAHARY Stephan Angelo ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Melaky eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RALAIARIVELO Solofoniaina Philippe ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Matsiatra Ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ZAFINTSALAMA Hery Zo Tanisoa Tahinjanahary ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Amoron'i Mania eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny d?dim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOLONIRINA Aimé Claude ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa PAVILLARD Erick Tovondrainy ho Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao Menabe eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.


MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-952 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANARIVO Hugo Ronald ho "Coordonnateur Général de l'Organe de Coordination des actions stratégiques de la Diplomatie Verte et des Organismes Rattachés" eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-789 tamin'ny 25 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIATSIMIHANTA Manampisoa ho Talen'ny "Unité de Lutte contre la Corruption" eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-311 tamin'ny 22 martsa 2023 ary manendry an'Andriamatoa PANEVA Christopher Antony ho Talen'ny "Unité de Coordination des Organismes Rattachés" eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-709 tamin'ny 07 jolay 2021 ary manendry an-dRamatoa MIARISOA Jeanne Emma ho Talen'ny "Diplomatie Verte et des Partenariats" eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-102 tamin'ny 27 janoary 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRY Edvin ho Talem-paritry ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ao Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MAHATSINJO Félix ho Talem-paritry ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ao Androy eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.


MINISITERAN' NY FIZAHANTANY SY NY ASATANANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABEMANANTSOA Jaonarivelo Doris ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Ambatosoa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMBOA Juliette Marie Thérésa ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Sofia eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOARIMANANA Henriette Fanjanirina ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Betsiboka eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHERISOA Riri Ernest ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Melaky eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANNE MIHERSON Sylvia ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Atsimo Andrefana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-707 tamin'ny 18 jona 2025 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAGNARINOGNE Benjamin Nicolas ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Vatovavy eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1111 tamin'ny 08 may 2024 ary manendry an'Andriamatoa RASOLOARISON Jean Innocent ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Menabe eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RAZANABAHINY Imarc Justin ho ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Androy eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.


MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABENANAHARY Tahiry Trimosoa ho Tale Jeneralin'ny "Opérations et de la Vulgarisation des TICs" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.


MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RARIVOJAONA Joelinirina Nomenasoa ho Talen'ny « Perception et des Relations avec les Usagers » co anivon'ny « Office Malagasy du Droit d'Auteur ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIAINA Larissa Volana ho « Directeur Administratif et Financier des Contrats » co anivon'ny « Office Malagasy du Droit d'Auteur »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa FIARENANA Lady Harrys ho Talen'ny « Répartition, de la Documentation et des Affaires Juridiques » eo anivon'ny « Office Malagasy du Droit d'Auteur ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANAMPANJAKAINA Tiavintsoa ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Alaotra Mangoro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RADAFISON Franklin Séguy ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Bongolava.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa TSIRIMARINIRINA Léoncine Florence ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Fitovinany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFISIZA Suzie Antonela ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Atsimo Atsinanana.


IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1447 tamin'ny 26 novambra 2025 nanendry ny « Directeur du Bureau des Doléances de la Présidence de la Refondation de la République ».


MINISITERAN'NY FANJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ao Atsimo Atsinanana


MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1015 tamin'ny 17 aprily 2024 nanendry ny "Directeur de l'Unité de Partenariat et de l'Agrégation Agricole" (UPAA) teo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy Fiompiana (MINAE).
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.

MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1759 tamin'ny 08 desambra 2025 nanendry ny "Directeur de la Communication et du Partenariat" teo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.


MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritry ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Atsimo Atsinanana


MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.


MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANANTANJAHANTENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-680 tamin'ny "Directeur de l'Inspection et de la Lutte contre la Corruption" (DILC) teo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem- paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.


MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritry ny Asa Vaventy ao Atsimo Atsinanana.


Antananarivo, 20 janoary 2026,
Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika