Noraisin'ny Filoha Cyril Ramaphosa, tao Mahlamba Ndlopfu, fonenan'ny Filohan'i Afrika Atsimo ao Pretoria, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Michaël Randrianirina, izay manatanteraka fitsidihana araka asa ao amin’ny Repoblikan’i Afrika Atsimo.

Nanomboka ny taona 1994 no niorenan'ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta ary nisy ny fanavaon-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa maromaro, anisan'izany ny teo amin'ny sehatry ny fitaterana an'habakabaka, ny varotra amin'ny alalan'ny fitaterana an-dranomasina ary ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny siansa sy ny tekinôlôjia. Misy ihany koa moa ireo fiaraha-miasa amin'ireo vondrona iraisam-paritra toy ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina.