1. FAMPITANA AM-BAVA


MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fancndrena amin'ny laharam-boninahitra Général de corps d'Armée, Général de Division ary Général de Brigade eo anivon'ny Foloalindahy ho an'ny taona 2025.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1471 tamin'ny 22 desambra 2021 mametraka ny "médaille d'honneur militaire", ny "médaille du combattant", ny "médaille de la défense nationale", ny "médaille des services émérites" ary ny "médaille d'honneur pour actes de courage et de dévouement".
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fananganana ny Kômity Tekinika Mpikarakara ny fahatsiarovana ny faha 79 taonan'ny tolona ho an'ny fahahafahana tamin'ny 1947 - 1948.


MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famctrahana ny rafitra filazana lazam-bidy ara-haitao ara-kajy mirindra (système de facturation électronique) cto Madagasikara amin'ny alalan'ny fahazoana ny rindrambaiko filazana lazam-bidy ara-haitao ara-kajy mirindra (Electronic Billing Machinc) avy any Rwanda vokatry ny fiaraha-miasan'ny samy tatsimo (sud-sud).
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny toc-draharaha sy ny vinavina momba irco toeran'asa voafaritra anaty tetibola miisa 4400 izay naato ho an'ny taom-pikatrohana 2023


MINISITERAN'NY TOEKARENA NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny drafitrasa ho fanohizana ny asan'ny "Société Sino-Malagasy de Travaux Publics" (SMATP) sy ny fanomezana alalana amin'ny fangatahana fanohanana ara-pitaovana amin'ny Governemanta Sinoa.

MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN'AFO + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny laharam-pahamehana amin'ireo tetikasa hatolotra ho fangatahana famatsiam-bola amin'ny Banky Arabo ho an'ny Fampandrosoana ara- toekarena eto Afrika (BADEA)


MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanokafana ny fivorian'ny 1000 andro voalohany (Symposium des 1000 premiers jours), ny 27 hatramin'ny 29 janoary 2026 ao amin'ny Motel Anosy Antananarivo.


MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiharana ny didim-pitondrana 35 354/2025 tamin'ny 15 desambra 2025 mamaritra ny vola mila aloa sy ireo fomba fampiharana ny lamandy fanonerana sy ireo sazy noho ny fihoaran-danja amin'ny entana eny an-dalana (surcharges routières).


MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA + MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famerenana amin'ny ampahany ny jono sy ny asa fiompiana trondro amin'ny faritry ny Marais Anosilava izay tafiditra ao anatin'ireo fanajariana ny tetikasa "Lake larivo".


MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fifanarahana amin'ny fanatanterahana ny drafitrasam-pirenena (plan national) amin'ny famatsiana maharitra ny hazo.


MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY + MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY + MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny dingana fanekena toerana iray ho "Autres Mesures de Conservation Efficaces par zone"(AMCEs)


MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fikarakarana ny hetsika "International Tourism Fair Madagascar" (ITM) 2026.


MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny iraka notanterahin'ny Minisitra miandraikitra ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra ny 06 sy 07 ary 08 desambra 2025 tany Alger, Algerie.

 

MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fikarakarana ny fankalazana ny androm-pirenena ho an'ny kabary malagasy ny 15 janoary isan-taona.
  • Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo hetsika fanamarihana ho an'ny taona 2026, taona iraisam-pirenena ho an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay hanomboka ny volana febroary
    2026 eto Antananarivo, Faritra Analamanga.


II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ireo andininy amin'ny didim-panjakana laharana faha 2023-1353 tamin'ny 11 oktobra 2023 momba irco fepetra fahazoana ny laharana
    "Professeur Titulaire Émérite" sy "Directeur de Recherche Émérite" eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.
  • Nolaniana ny didim-panjakana mamaritra ireo dingan-draharaha hampiharana ireo andininy ara- dalàna momba ny fanadiovana sy fandraisana ireo mpampianatra mpikaroka sy ireo mpikaroka
    mpampianatra eo amin'ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.


MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA 

  •  Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny rafitra fiarovana ny fananana araka indostrialy eto Madagasikara.


MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2025-875 tamin'ny 20 aogositra 2025 manome alalana ny Fanjakana Malagasy handray anjara amin'ny renivolan'ny orinasa hatsangana "Société de Gestion et d'Exploitation du Transport Par Câble d'Antananarivo S.A" (SGE-TPC S.A).


MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO + MINISITERAN'NY TOEKARENA NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manome alalana amin'ny tovana laharana faharoa (Avenant n°02) amin'ny fifanarahana fanomezan-dalana hisahana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be.


MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

  • Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mamaritra ireo asa ho an'ny sehatra "Bioénergie".

 

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIMBOAHANGY Lalaina Josie Brigitte ho Talen'ny Fifandraisana Iraisam-pirenena eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.


MINISITERAN' NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa  RAZANANTSOA Brassilive David ho Lehiben'ny Faritra SAVA.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-400 tamin'ny 09 aprily 2025 ary manendry an'Andriamatoa RABEMAMORY Adel Bienheureux ho Prefen'i Sambava.


MINISITERAN' NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1000 amin'ny 17 aprily 2024 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police BEN HOUSSEN Evariste ho Talen'ny Sekoly Ambonin'ny Pôlisim-pirenena eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.


MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2104 tamin'ny 18 desambra 2024 ary manendry an-dRamatoa RAHANTAMALALA Patricia Virginie ho Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ao Fitovinany.


MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-920 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa ETRAHAGNANE Miandrisoa ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Anosy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANAMBININA Andriamihaja ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Ihorombe.

MINISITERAN' NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIATSOA Rivo Herimandimby ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Analamanga.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMIHAJASOA Maxime ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Sava.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAINIASY Belson Marie Juliot ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Atsinanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa NASTINA Rampanjato ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Amoron'i Mania.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TSISAKANA RAKOTOVAO Adrien Angelo ho Talem-paritry ny ny Fanabeazam-pirenena ao Ihorombe. 
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZANANIRINA Rolland Rosie ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Anosy
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Philémon ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Menabe.


MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRALEMA SETA Nilsen Joelinot ho Talem-paritry ny Fampianarana Tekinika ao Thorombe.


MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-750 tamin'ny 27 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa BODONIRINA Helvire Odette Michel ho Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao Vakinankaratra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-752 amin'ny 27 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa EMILSON Fidèle ho Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao Sofia. 

MINISITERAN' NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ROBISON Haingo Harivelo ho Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ao Vakinankaratra eo anivon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-1505 tamin'ny 07 desambra 2016 ary manendry an'Andriamatoa BARTHELEMY ho "Directeur Général auprès de l'Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives et Commerciales".
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1449 tamin'ny 04 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAVONINJATOVO Harivilana Domoina Louis ho « Directeur Technique auprès de l'Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives et Commerciales ».


MINISITERAN' NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-561 tamin'ny 22 mey 2025 ary manendry an'Andriamatoa MAROZANDRY Rodolphe ho Talem-paritry ny Asa, ny Fampananana Asa sy ny Asam-panjakana ao Diana.


MINISITERAN' NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAEKY Vanissa Tahiry Ravaka ho Talem-paritry ny Fitaterana ao Boeny.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMBAHOAKA Heritiana Anicet ho Tale Jeneralin'ny « Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina » (SPAT).


MINISITERAN' NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-085 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHAZOSOA Fiatoa Florenkou ho Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Androy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAVELOMANANTSOA Be-Rija ho Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Boeny.


MINISITERAN' NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-878 manendry an'Andriamatoa RANDRIANASOLOMAMPIONONA Lango Robin ho Talem-paritry ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ao Ihorombe eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa MILAMANANA Chantal ho Talem-paritry ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ao Anôsy eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.


MINISITERAN' NY FIZAHANTANY SY NY ASATANANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Jean Elisé ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao Ihorombe eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana.


MINISITERAN' NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOVONAIKELY Herindoniaina Ricot ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ao Atsimo Andrefana.


MINISITERAN' NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAZAKA Laurent Gérard ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Betsiboka.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa HANOY FABRICE ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Melaky.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TSIMANEGNE Brichard André Rejoby ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Atsimo Andrefana.


MINISITERAN' NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASAMOELINA ANDRIANALIMANANA ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Bongolava eo/ anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1985 tamin'ny 27 novambra 2024 ary manendry an' Andriamatoa RAKOTOARILISY Germier Frédino ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Analanjirofo eo anivon'ny
    Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1987 tamin'ny 27 novambra 2024 ary manendry an'Andriamatoa REBILY RANDRIANIAINA  Ckeliat ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Sofia eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FENOSOARIMANANA Benjamin ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Vatovavy eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIHERISON Henintsoa ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Fitovinany eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMANDIMBY Hantanirina Germaine Quitonica ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao Ihorombe eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.


MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-581 tamin'ny 28 may 2025 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRABE Tahina Mampionona ho Talen'ny "Promotion du Volontariat et de l'Animation Communautaire" eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1779 tamin'ny 08 desambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANANTSOA Zo Herinaivo ho Talen'ny IVOn'ny TOROhay (IVOTORO) eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-922 tamin'ny 10 septambra 2025 ary manendry an'Andriamatoa RATOVONIRINA Vonjiniaina ho Tale Jeneralin'ny Akademiam-Pirenen'ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa MINOHARIMALALA Nadia Philibertine ho Talen'ny « Etudes Artistiques et Culturelles » eo anivon'ny Akademiam- Pirenen'ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABEARISOA Ny Aina Mihoby ho Talen'ny « Recherches et de la Normalisation » co anivon'ny Akademiam-Pirenen'ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC).
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONA Feno Elisa ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Vatovavy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANIRIKO Christian ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Atsimo Andrefana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa JOE KAMAMY Mondestin ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Menabe.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TSIMANOVA Nazaire Paubert ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Androy.

IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY


MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAKA ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1733 tamin'ny 02 oktobra 2024 nanendry ny Tale misahana ny raharaha ara-pitsarana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Tekinika sy ny fampiofanana Araka Asa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-757 tamin'ny 27 marsa 2024 nanendry ny Talen'ny "Institut National de Promotion de la Formation" eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Tekinika sy ny fampiofanana Araka Asa.

MINISITERAN'NY MPONINA SY FIRAISANKINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-318 tamin'ny 21 febroary 2024 nanendry ny Talen'ny "Prévention des Risques Sociaux et Réponses aux Chocs", ny didim-panjakana laharana faha 2024-519 tamin'ny 06 martsa 2024 nanendry ny Talen'ny Rejisitra ara-tsosialy tokana, ny didim-panjakana laharana faha 2024-923 tamin'ny 11 aprily 2024 nanendry Talen'ny fanaraha-maso anatiny sy ny ady amin'ny kolikoly eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.

 

Antananarivo, 15 janoary 2026,

Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika