I. FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hahafahana mandoa ny ambiny tamin’ny fahazoana ny fiaramanidina iray, karazany LET 410, an’ny Tafika malagasy.

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fikojakojana an’ireo angidimby an’ny Tafika.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana ny famitana ny asa fanamboarana trano ho fitandroana ny fandriam-pahalemana na « Détachement Spécial de Sécurité » any Besalampy, faritra Melaky.

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fikojakojana an’ireo karazana fiaramanidina CESSNA, an’ny Tafika.

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny hampanaovana fifaninanana handraisana mpianatra ho Manamboninahitra lefitra (Elèves Sous-Officiers Spécial, ESOS), andiany faha IV.

MINISITERAN’NY FITSARANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny hahazoana mampiasa ny famatsiam-bola PIP 2025 mitentina 54 604 863, 60 Ariary, hamatsiana herinaratra ny fonja eny Avaradrano, amin’ny alalan’ny JIRAMA, sy ny fahazoan-dalana hamoahana io vola io.

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny hankalazana ny faha 77 taona nanambarana ny zon’olombelona, ny 10 desambra 2025 izao, ao amin’ny Fitsarana Tampony, Anosy, Antananarivo.

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny Andron’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha (Chefs des Parquets Généraux) sy ny Kaomisaria jeneralin’ny lalàna sy ny Kaomisaria jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (Commissariat Général de la Loi et du Commissariat Général du Trésor Public), ny 27 sy 28 novambra 2025 eto Antananarivo.

MINISIETRAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampihantonana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE).

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny famindrana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ao amin’ny ARMP ho ao amin’ny « Budget Général ».

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika Paikadim-pirenena hiadiana amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana.

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fampahafantarana ôfisialy ny tatitra « Rapport National sur le Développement Humain » andiany faha-7 (7ème RNDH) momba ny atao hoe « Résilience économique et développement humain ».

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny Paikadim-pirenena momba ny famatsiam bola ny Fampandrosoana lovainjafy na « Stratégie Nationale de Financement Intégré du Développement Durable » (SNFI-DD) eto Madagasikara.

MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Nankatoavina ny fampitana am-bava ho fankatoavana ny famoahana fitaovana sy kojakoja maro isan-karazany ary transformateur miisa 22, ho fampiroboroboana ho an'ny faritra Boeny.

MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

Nankatoavina ny fampitana am-bava ho fankatoavana ny tetikasa Lalankely, andiany fahefatra, anadiovana ny faritra iva eto Antananarivo (Projet de Désenclavement et Assainissement des Quartiers Prioritaires d’Antananarivo).

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fipetraky ny fandaharanasa anohanana ny fampandrosoana an’ireo tanàn-dehibe (Programme d’Appui au Développement des Villes d’Equilibre, PADEVE).

MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tolo-kevitra hampakarana grady ireo « Professeur Titulaire Emérite » ao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony.

MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanovana sasantsasany ny andininy faha 4 ao amin’ny Didim-panjakana laharana faha 2024-842 mikasika ny firafitry ny INFP (Institut National de Formation Pédagogique).

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hanaovana famandriham-bola ho fanohanana ny sehatra tsy miankina.

MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia fifanarahana mikasika ny fanondranana voanjo ho any amin’ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana manandrify ny Fanjakana malagasy mahakasika ny tetikasa PISAC-I (Projet de Pôle Intégré de Croissance Agro-Industrielle dans le Sud-Phase 1).

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hanao fanitsiana ny famatsiam-bola mahakasika ny ady amin’ny valala (Aménagement et de transfert de crédits au profit du Centre de Lutte Anticridienne de Madagascar) eo anivon’ny IFVM na Ivotoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandoavana ny vatsim-pianarana, taona 2025, sy ny tambin-karaman’ny mpianatry ny Sekoly ambony momba ny Agronomia (ESSA), taona fahatelo sy fahefatra.

MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fametrahana fitantanana voatsinjara mahakasika ny fifehezana ny afo.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny firosoana miandalana amin’ny fitantanan daharaham-panjakana mandala ny tontolo iainana (Administration Publique Ecologiquement Responsable, APER).

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny handraisan’i Madagasikara ny fivoriana isan taona, andiany faha 9, momba ny « Partenariat de l’Initiative AFR100, APM9), ny 16 hatramin’ny 21 martsa 2026.

MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY + MINISITERAN’NY INDOSTRIA SY NY FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRA TSY MIANKINA + MINISITERAN’NY VAROTRA SY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny hamolavolana tondrozotra sy paikadim-pirenena hananganana Komitim-pirenena ho fanatsarana ny seha-pamokarana rofia eto Madagasikara.

MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY + MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny hanekena ny tetikasa « Elimination progressive de l’utilisation des Polychlorobiphényles (PCBs) à Madagascar » noho izy rantsa mangaikan’ny tetikasa « Connectivité numérique et énergétique pour l’inclusion à Madagascar » (DECIM).

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampihenana ho 15 andro ny fe-potoana farany ho an’ny tolo-bidy misokatra ho an’ny besinimaro ho an’ny asa famitana ny fanamboarana ny Tanànan’ny asa tanana (Village Artisanal) eny Ivato, Antananarivo.

MINISITERAN'NY RANO, NY FIDIOVANA SY NY FANADIOVANA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fangatahana fandraisana an-tanana, noho ny antony manokana, ny haba sy ny tataon-ketra momba ny entana hafarana avy any ivelany, an’ny Minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana.

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana sy ny handraisana an-tanan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny findramam-bola hiatrehana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny Tompondakan’i Afrika momba ny « Laser Run », hatao ny 08 hatrami’ny 13 desambra 2025 any Mossel Bay, Afrika Atsimo.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana sy ny handraisana an-tanan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny fandoavana ny anjaran’i Madagasikara amin’ny fanomanana ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika ho an’ny ekipam pirenena taranja Basket-Ball 3x3 (Coupe d’Afrique des Nations de Basketball 3x3, FIBA Africa Cup 2025) sy ny fanafoanana ny haban-tseranana an’ireo kojakoja ara panatanjahantena nomen’ny FIBA (Federasiona iraisam-pirenena misahana ny Basket Ball)

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana ny fahazoana alalana mba ho afaka haba ny fanafarana fiarabe iray ho an’ny Barea (Grand Bus BAREA), marika Hyundai, hampiasain’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana sy fandraisana an tanan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny fampindramam-bola hiatrehana ny fanomanana ny Fiadiana ny Tompon-dakan’i Afrika 2025 eo amin’ny taranja Karaté, faritra atsinanan’i Afrika, izay hatao etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, Antananarivo, ny 18 hatramin’ny 21 desambra 2025.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny asa efa natao mikasika ny fankatoavana daty tokana hanamarihana ny « taom-baovao malagasy », hahafana manao azy ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama manerana an’i Madagasikara.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny hitazonana ny kaonteran’ny JIRAMA « post payés » ho an’ireo rantsa-mangaikan’ny ORTM.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandefasana mivantana ny lalao miisa 32 mandritra ny Fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra (Coupe d’Afrique des Nations - CAN).

 

II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Noraisina ny didim-panjakana manendry ho Mpampianatra Raikitra sy Talen’ny Fikarohana eo anivon’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika.

 

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-671 tamin’ny 11 mey 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAJHONSON ANDRIANJATOVO Rado Anjaranirina, ho Tale Jeneralin’ny Masoivoho momba ny Famerenana ny Fananana azo tamin’ ny Fomba tsy ara-dalàna na Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites (ARAI).

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Kolonely RAKOTOMAMONJY Simon Patrick, ho Talen’ny Birao misahana ny Fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-499 tamin’ny 03 mey 2023 sy manendry an-dRamatoa RANDRIAMANANA Zo Bienvenue, ho Mpitantana Mpanatanteraka vonjimaika ny Vondrona misahana ny Fitantanana nomerika (UGD).

MINISITERAM-PANJAKANA MISAHANA NY FANAVAOZANA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa HERINJAKATAHINA Hajanarivo Laza Fanantenana Charles, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAOBELINA Tahiry Santatsoa Landry, ho Talen’ny Fitondran-draharaha sy ny Fitantanam-bola eo anivon’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-296 tamin’ny 22 martsa 2023 sy manendry ny Kolonely RANDRIANASOLOARIMINA Arimanana, ho Komandin’ny Fari-piarovana sy Filaminana Andringitra (Centre-Est) ao Fianarantsoa ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1413 tamin’ny 18 oktobra 2023 sy manendry ny Kolonely RABEARISON Jean Aimé Andoniaina, ho Komandin’ny Fari-piarovana sy Filaminana Matitanana (Sud-Est) ao Manakara ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-866 tamin’ny 11 aprily 2024 sy manendry ny Général de Brigade KOTO Paul, ho Komandin’ny Fari-piarovana sy Filaminana Pangalana (Est) ao Toamasina ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-853 tamin’ny 11 aprily 2024 sy manendry ny Kolonely RAZAFIMANDROSO Gatien, ho Lefitry ny Lehiben’ny Etamazaoro misahana ny Fitondran-draharaha ao amin’ ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-731 tamin’ny 27 martsa 2024 sy manendry ny Général de Brigade RAKOTOMANANA Jean Patrick, ho Lefitry ny Lehiben’ny Etamazaoro misahana ny Fampananana asa ao amin’ ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-353 tamin’ny 05 aprily 2023 sy manendry ny Contre-Amiral MAMY RAKOTOMANGA Dieudonné, ho Major Général ao amin’ny Tafika an-dranomasina ao amin’ny Etamazaoron’ ny Tafika an-dranomasina.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-383 tamin’ny 04 aprily 2020 sy manendry ny Kolonely RAMAHERIZEFA Mavolalao, ho Talen’ny Birao miadidy ny Fananan-tany sy ny fotodrafitrasa ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-640 tamin’ny 24 jona 2020 sy manendry ny Général de Brigade RABENIRINA Jerôme Norbert, ho Directeur du Bureau des Emploi des Forces ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1411 tamin’ny 18 oktobra 2023 sy manendry ny Général de Brigade RAKOTOMALALA Herisoa Mario, ho Talen’ny Centre des Opérations InterArmées ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-863 tamin’ny 11 aprily 2024 sy manendry ny Kolonely RANDRIAMBOLOLONA Mamy Patrick, ho Talen’ny « Office National Malagasy des Anciens Combattants et Victimes de Guerre » ao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2101 tamin’ny 18 desambra 2024 sy manendry ny Kolonely NDRIANANJA Elie Michaël, ho Directeur du Service National et de la Gestion des Réserves ao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Kolonely ANDRIA Tsilavo, ho Directeur des Reformes eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-298 tamin’ny 21 febroary 2024 sy manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY John Heriniandry, ho Tale Jeneraly Lefitra ao amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-403 tamin’ny 28 febroary 2024 sy manendry ny Commandant ANDRIAMITANTSOA Mboatiana Haja, ho Tale miandraikitra ny Lahasa ao amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram pahefana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-603 tamin’ny 13 martsa 2024 sy manendry an’Andriamatoa RAKOTONANAHARY Jean Yves Ravo Marie Ferdinand, ho Talen’ny Ivon-toerana misahana ny fianarana, ny fandinihana, ny fiandrasana sy ny toro lalana ao amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon doza (BNGRC) eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2012 tamin’ny 04 desambra 2024 sy manendry an’Andriamatoa BOTOTSARA MBOLATIANA Lucien James, ho Tale Jeneralin’ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-305 tamin’ny 22 martsa 2023 sy manendry an’Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Adolphe, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-769 tamin’ny 06 martsa 2024 sy manendry ny Général de Division BOTO Lucien Maurice, ho Inspecteur Général à l’Inspection Générale eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-561 tamin’ny 21 jona 2023 sy manendry ny Général de Division RALAIVAONARY Andrianoasy D’y la Paix, ho Inspecteur Général Adjoint à l’Inspection Générale eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-788 tamin’ny 04 aogositra 2021 sy manendry ny Général de Division RAVOAVY Nandrasanarisoa Zafizambatra, ho Inspecteur à l’Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale (IGGN).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1434 tamin’ny 15 desambra 2021 sy manendry ny Kolonely RAJAONA ANDRIAMAHASOANAVALONA Tiana, ho Inspecteur à l’Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale (IGGN).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1435 tamin’ny 15 desambra 2021 sy manendry ny Kolonely RABARIJAONA Andriamihaja Harivelo, ho Inspecteur à l’Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale (IGGN).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-344 tamin’ny 26 martsa 2025 sy manendry ny Kolonely ANDRIATODY Jean Benoit, ho Directeur des Opérations Routières auprès de la Direction Générale de la Sécurité Routière.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-249 tamin’ny 06 martsa 2025 sy manendry ny Kolonely RABARISON Tina Luc Olivier, ho Commandant de l’Ecole Supérieure de la Gendarmerie nationale.

 

IV. FANAFOANANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-081 tamin’ny 24 janoary 2024 manendry Ambasadaoro sady Solon-tena Maharitry ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Parisy, Frantsa.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1789 tamin’ny 16 oktobra 2024 manendry Ambasadaoro sady Solontena Maharitry ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Fanjakana Maraokanina (Royaume du Maroc).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1099 tamin’ny 08 septambra 2023 manendry ny Ambasadaoron’i Madagasikara any Suisse, Solon tena Maharity ny Repoblikan’i Madagasikara ao amin’ny Firenena Mikambana ao Genève sy Vienne.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2028 tamin’ny 30 oktobra 2019 manendry ny Ambasadaoro sady Solon-tena Maharitry ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-646 tamin’ny 04 mey 2022 manendry ny Talen’ny Fizohiana sy Fanombanana eo anivon’ny Tahirim-bola ho an’ny Fiompiana (FEL).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-699 tamin’ny 20 martsa 2024 manendry ny Talem-paritry Fambolena sy ny Fiompiana (DRAE) Atsinanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1011 tamin’ny 17 aprily 2024 manendry ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bola momba ny fampiroboroboana ny Fambolena (FDA).

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-215 tamin’ny 07 febroary 2024 manendry ny Coordonateur de la Cellule de Coordination des Projets eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

 

 V. SAMIHAFA

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Mampahafantatra ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika fa misy olona milaza azy fa iraka avy amin’ny Filoha ka mandeha eny anivon’ny minisitera sy sampan-draharaham panjakana ary manery ireo tompon’andraiki-panjakana hanatanteraka baiko samihafa izay tsy avy amin ny Filohan’ny Fanavaozana velively. Manoloana izany tranga izany dia manentana ny Filoha ny amin’ny tokony hitandremana amin’izany fihetsika miendrika fisolokiana izany ka mba hitakiana hatrany ny fanamarinana mifanaraka amin’ny iraka.

Nilaza ny Filohan’ny Fanavaozana ny tokony hanaovana ezaka handikana amin’ny teny malagasy ny taratasim-pifandraisan’ny fanjakana amin’ireo mpila raharaham-panjakana rehetra.

 

Antananarivo, 26 novambra 2025,

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Fanavaozana

ny Repoblikan’i Madagasikara