Tonga nanotrona ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana, andiany SOATILO (Taona fahatelo: licence) sy FANILO MAMIRATRA (Taona fahadimy: master) sokajy haifiarahamonina (sociologie), teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Michaël RANDRIANIRINA.
Natao laharam-pahamehana ho an’ny Fanavaozana ny Repoblika hoy izy ny fanomezana lanja, ny fanohanana ary ny fametrahana sehatra manokana ho an’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara.
Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa mariky ny fahavononan’ny Fitondrana hanandratra izany sehatry ny fampianarana izany ny fanatrehany ity lanonana ity, izay vao sambany nisy Filoham-pirenena nanotrona izany araka ny lahateny nataon’i Dr Randriamampandry Todisoa, izay solombavambahoaka sady Ray mpiahy ireto andiany ireto.
Notsiahivin’ny Filoham-panjakana fa isika Malagasy, izay novolavolain’ity Nosy ity no hery iankinan’ny fanarenana ny firenena. Nanao fangatahana manokana tamin’ireo mpianatra izy mba hifantoka amin’ny fianarana, ary tsy ho atao fitaovana politika.
Nankasitrahany ireo mpianatra nahavita fianarana, ny minisitra, ny mpampianatra ary ny tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny Oniversite tonga tamin’izao fotoan-dehibe izao.
Ankoatra izany, nampirisika ny Minisitra, ny Filohan’ny Fanavaozana, handray fepetra hentitra manoloana ny kolikoly sy ny diplaoma sandoka mihanaka ao amin’ny anjerimanontolo, mba hiantohana ny fahamendrehan’ny rafitra sy ny kalitaon’ny fampianarana.
Notsipihiny nandritra ny lahateny nataony fa tsy midika tsy fahaizana ny tsy fahafehezana ny teny frantsay, ary ilaina ny fanomezana lanja ny teny malagasy satria sakana amin’ny fampandrosoana indraindray ny fianteherana amin’ny teny vahiny.
Nandrisika sy nirary soa ireo mpianatra ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara mba hiezaka sy hifantoka hatrany amin’ny fianarana, ho enti-manandratra ny firenena.
