I. FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY FITSARANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny asa fohy ezaka himasoana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiasana ny famatsiam-bola PIP 2025, mitentina 1 100 000 000 Ariary, ho an’ny famatsiana herinaratra mandeha amin’ny masoandro ao amin’ny Fonja vaovaon’i Belo/Tsiribihina, ny any Volamena Fianarantsoa, Fenoarivo Atsinanana, ny fonja vaovaon’i Toamasina, Ikelivondraka any Ihosy, ho fanamafisana ny fiarovana an’ireo toeram-pamonjana.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny tetikasam-paritra ho fikajiana ny Tontolo iainana PPP ho fampiroboroboana ny Fampiasam-bola tsy miankina (Promotion des Investissements Privés - PREPIP).

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fametrahana ny paikady ho fanarenana ny orinasa Madagascar Airlines.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampandehanan-draharahan’ny Fitaleavam paritry ny Filaminam-bahoaka sy ny Kaomisaria ho an’ny filaminam-bahoaka.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiakarana grady ireo polisy mpiasam panjakana tafiditra ao anatin’ny fanendrena andiany fahadimy.

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famindrana fitantanana ny fiadidiana ara tekinika ny tetikasa TPC na fitaterana « teleferika » eto Antananarivo, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro.

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY + MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famindrana fitantanana ny fiadidiana ara tekinika ny tetikasa MIAMI Toamasina, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana.

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY + MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny famindrana fitantanana ny fiadidiana ara tekinika ny tetikasan’ny orinasa miahy ny Kianja BAREA, SA eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS).

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fahazoan-dalana hirosoana amin’ny dingana ara-panjakana sy ny ara-bola momba ny famindrana ny famatsiam-bolan’ny tahiry hitsinjovana ny hamehana eny amin’ny Hopitalibe na CHU rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana amin’ny fividianana vaksiny vaovao ho an’ny taona 2025.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana ny fifanarahana eo amin’ny Governemantan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny foibe famatsiana fanafody SALAMA.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fangatahana alalana manokana hamoahana ny kaontim-panjakana, taona 2024.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanadiovana ireo mari-pahaizana sandoka eny amin’ny Toeram-pampianarana Ambony rehetra eto Madagasikara, na « Opération FOSIKA ».

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana handraisana mpiasam-panjakana 100 ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony ao anatin’ny LFI 2025.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fipetraky ny raharaha JIRAMA.

Nankatoavina ny fampitana am-bava ny tetikasa fividianana « groupes électrogènes ».

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fankatoavana laboratoara misahana ny fotodrafitrasa lehibe (laboratoire géotechnique) eto Madagasikara izay efa neken’ny Komity misahana izany na CLAG (Comité d’agrément des laboratoires géotechniques), araka ny Didim panjakana laharana 2006-434 tamin’ny 27 jona 2006.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny tolobidy laharana faha-4 momba ny tsenam-baro-panjakana laharana 251-AR/BEI/PRMP/UGPM.2021 ho an’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena RN6 eo anelanelan’Ambilobe (PK 568+720) sy Antsiranana (PK 700+080), famatsiam-bolan’ny Banky Eropeanina ho an’ny Fampiasambola (BEI) sy ny Vondrona Eropeanina (UE).

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny karama sy ireo tambin-karaman’ny mpiasan’ny baka (passeurs bacs) eo ambany fiahian’ny « Agence Routière » (RNS 5 et RNT 12A, Belo /Tsiribihina, sy Bekopaka) ho an’ny taona 2025.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA + MINISITERAN’NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fangatahana fankatoavana fanaovan-tsonia ny fifanarahan’ny OMC momba ny fanohanana ara-bolan’ny jono.

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny antsoina hoe « Détails Quantitatifs et Estimatifs (DQE) » mahakasika ny ampahany sasantsasany amin’ny tolobidy ho an’ny asa fanamboarana ny Tanànan’ny Asa tanana (village Artisanal) eny Ivato.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanitsiana ny tetibola ho famitana ny asa fanamboarana ny Tanànan’ny asa tanana (village Artisanal) eny Ivato.

MINISITERA DELEGE MISAHANA NY ZANDRARIMARIAM-PIRENENA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana ho fanamboarana ny Toby manokana antsoina hoe « Centre Spécial d’Aguerrissement Opérationnel GN » (CSAO) ao Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe, faritra Analamanga.

II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ireo andinin’ny didim-panjakana laharana faha- 2022-866 ny 08 jiona 2022 momba ny Vondrona misahana ny Fitantanana Nomerika (Unité de Gouvernance Digitale - UGD) sy ny fametrahana ny sata mifehy azy.

MINISITERAN’NY FITSARANA 

Noraisina ny didim-panjakana hananganana ny “Task Force contre le pillage des ressources nationales”.

MINISITERAN’NY ATITANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA

Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ireo andinin’ny didim-panjakana laharana faha- 2009-890 ny 02 jolay 2009 mametraka ny rafitra, ny fandidiana ary ny andraikitra sy fahefan’ny Fokontany.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY TETIBOLA

Noraisina ny didim-panjakana manome alalana ny fandraisana anjara sy ny famoahana ny anjaran’i Madagasikara amin’ny fampiakarana 50% ny anjarany ao anatin’ny fanavaozana faha 16 ny anjara vola ao amin’ny Fonds Monétaire International.

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

Noraisina ny vinavinana volavolan-dalàna momba ny Fiahiana sosialy.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

Noraisina didim-panjakana manambara ho filan’ny daholobe (“d’utilité publique”) ny asa rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny Tetikasa Fanatsarana ny Fidirana amin’ny Rano fisotro madio eto Madagasikara (PAAEP) ao anatin’ny faritra lehiben’Antananarivo, ary mamela ny fahazoana amin’ny alalan’ny fifanarahana na fanesorana amin’ny tany noho ny filan’ny daholobe ny ampahany na ny sombin-tany isan-karazany voakasiky ny tetikasa.

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABARIHOELA Liva Harinony ho Tale misahana ny “Protocole d’État” eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ETHEVE Fanjaniaina, ho Tale misahana ny Fitsirihana sy Fanaraha?maso anatiny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

PRIMATIORA

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Lietna Kolonely ROLLANDE Jennyfer, ho Tale lefitra misahana ny Raharaham-pitantanana sy ny vola eo anivon’ny Primatiora.

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Contre-Amiral VAHOAVY ANDRIAMBELONARIVO Andasy, ho Mpandrindra Jeneralin’ny Tetikasa ao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel DODO Andrianilaina Tiana, ho Tale misahana ny Orinasa-miaramila ao Moramanga ao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel RALAIVAO Naivo Andriamaromanana , ho Tale InterArmée de la Logistique et du Soutien de l’État-Major des Armées.

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel MOUSSA Iassini, ho Komandin’ny Faritra misahana ny Fiarovana sy ny Filaminana IKOPA.

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-374 tamin’ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAVELONARIVOELISON Benjamin, ho Tale misahana ny Raharaham-pitantanana sy ny vola ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

MINISITRY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANTOMPONERA Nalisoa Voahangiarimino, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran' ny Atitany sy ny Fitsinjaram pahefana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-299 tamin’ny 21 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Harentsoa Andry, ho Tale misahana ny Fananana sy ny Fitantanana ao amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (Directeur du Patrimoine et de l’administration du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes – BNGRC) eo anivon’ny Minisiteran' ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-295 ny 11 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa ABRAHAM Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, ho Prefen’ny Polisy Antananarivo.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-668 ny 20 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANKIRAHINA Faly Hery, ho Prefen’Ambatondrazaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-974 ny 17 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMBOAVONJY Tahirihasina Mathieu, ho Prefen’i Miarinarivo.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-424 ny 16 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa MANANJARA Lucien, ho Prefen’Antsiranana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-501 ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa IRMA Harilalaina Juliandres, ho Prefen’i Fianarantsoa.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-901 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa NARYSON Roch Leopold, ho Prefen’i Taolagnaro.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-879 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANGA Falinirina Manoela, ho Prefen’Ambovombe-Androy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-406 ny 28 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa MAHATODY Henri Jocelyn, ho Prefen’i Fenoarivo-Atsinanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-822 ny 03 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa IBRAMDJEE Bruno, ho Prefen’i Toliara.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-888 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANANDRAINY Nantenaina, ho Lehiben’ny distrikan’Antananarivo I.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-675 ny 20 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMITSIRY José, ho Lehiben’ny distrikan’Antananarivo II.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-906 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRANAIVO Harikanto Donnie Alexia, ho Lehiben’ny distrikan’Antananarivo III.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-898 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAMANAMAHEFA Andrianiainarivelo Mahandry Albertin, ho Lehiben’ny distrikan’Antananarivo IV.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-407 ny 28 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa TANJAHA TSIANDATSE Merry Cléo, ho Lehiben’ny distrikan’Antananarivo V.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-874 ny 11 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISON Lova Hanitriniaina, ho Lehiben’ny distrikan’Antananarivo VI.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-890 ny 11 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa RASATA Volahasina, ho Lehiben’ny distrikan’Avaradrano.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-408 ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RATIARISON Rostand Patrick, ho Lehiben’ny distrikan’Atsimondrano.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-604 ny 13 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMBAHINY Arinala, ho Lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-876 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONINDRINA Tolotriniaina Zanoelihaingo, ho Lehiben’ny distrikan’Arivonimamo.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-680 ny 20 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa VOLOLOTIANA Arisoa Albertine, ho Lehiben’ny distrikan’i Faratsiho.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Liva Alain, ho Lehiben’ny distrikan’Anosibe an’Ala.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-503 ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANANTENAINA Onjaharivony Davy Clarck, ho Lehiben’ny distrikan’Ambatomainty.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAOFERA Eugène, ho Lehiben’ny distrikan’Ambilobe.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-685 ny 20 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RABEARISON Eric Martin Rajoelina, ho Lehiben’ny distrikan’Isandra.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANANTENASOA Haja Andrianina, ho Lehiben’ny distrikan’Andilamena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-900 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa MAHERINDRAY Andrin’i Elifazara Ivanov, ho Lehiben’ny distrikan’i Mahajanga II.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-691 ny 20 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa TSILAVONDAHY Jacob, ho Lehiben’ny distrikan’i Bekily.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-505 ny 06 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAMAHA Rakotoniaina Ando, ho Lehiben’ny distrikan’i Morombe.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-896 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RALALAHARISON Oninirina Mamiko, ho Lehiben’ny distrikan’i Besalampy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-988 ny 17 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa NAINA Xavier, ho Lehiben’ny distrikan’i Belo Tsiribihina.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-556 ny 22 mai 2025 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMANANA Ravaka , ho Lehiben’ny distrikan’’i Marovoay.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-895 ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMARO Jovin Thomas, ho Lehiben’ny distrikan’i Beloha-Androy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-990 ny 17 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMALALA Nomenjanahary Fanambinantsoa Solofo, ho Lehiben’ny distrikan’i Manandriana.

MINISITRY NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-023 ny 15 janoary 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAMIANDRISOA Freddy Etienne, ho Tale Jeneralin’ny Tahirim-pirenena momba ny Tany (Fonds National Foncier - FNF) ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-964 ny 17 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINTSALAMA Seheno Miora, ho Tale?misahana ny fitantanana ny mpiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1695 ny 25 septambra 2024 ary manendry an-dRamatoa HADJICOSTA Lys Florida Valérie, ho Directeur Administratif et Financier de l’Autorité pour la Protection contre les Innondations de Plaines d’Antananarivo.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-270 ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIARISONY Lantoniaina Corinne, ho Talen’ny Serasera ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-966 ny 17 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RASOLONIAINA Tsimanohitra Daniel, ho Tale misahana ny Lamina informatika ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASOLOFOMANANA Olin, ho Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fahitsiana sy ny Mangarahara (Directeur de la Promotion de l’Integrité et de la Transparence - DPIT) ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1660 ny 18 septambra 2024 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANASOLO Mahery, ho Mpandrindra Fototry ny Tetikasa (Coordonnateur Principal des Projets - CPP) ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-488 ny 06 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAFIDISON José Christian, ho Tale misahana ny Fananana sy ny Fampitaovana ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-130 ny 31 janoary 2024 ary manendry an’Andriamatoa BE Pascal, ho Directeur des Domaines et de la Propriété Foncière ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-454 ny 21 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMASINORO Noelson Laingo Herizo, ho Directeur de l’Orientation et de Suivi des programme du Fond National Foncier (FNF) ao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0761 ny 17 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANGA Fetraniaina, ho Tale Jeneralin’ny Harena ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-876 ny 01 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RALANDISON Gilde, ho Tale misahana ny Raharaham-pitantanana sy ny vola ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NOROVOLOLONIRINA Lydia Rogine, ho Tale mpitantana ny toeram-pitsaboana CHU Mitsinjo Betanimena, Faritra Atsimo Andrefana. ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-401 ny 09 aprily 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAVONIANDRO Rina Andrisoa, ho Talen’ny Serasera ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISITERAN’ NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONARISAONA Hasina Irène, ho Talen’ny Serasera ao amin’ny Minisiteran’ ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara tsiansa.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMANANTSIHOARANA Harisoa Nathalie, ho Tale misahana ny Saram-pianarana Nasionaly sy Ivelany ao amin’ny Minisiteran’ ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-991 ny 29 septambra 2021 sy laharana faha 2021-993 ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISOA Daniel ho Directeur École Génie Rural Informatique et Eau sy Ramatoa RAKOTOARIVELO Malalaniaina Miora ho Directeur École Génie Management Projet et Communication Ambositra.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-903 ny 21 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAHERISON Andoniaina Hajanirina, ho Tale misahana ny Raharaham-pitantanana sy ny vola ao amin’ny Minisiteran’ ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-137 ny 31 janoary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RASOLOFONIAINA Ricardo, ho Sekretera Jeneraly ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-134 ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRIANA Hary Vola Felana Marina, ho Tale misahana ny mpiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1696 ny 25 septambra 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA Hanitriniaina Niry, ho Sekretera Jeneraly ny Commission Nationale Malgache pour l’UNESCO eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-131 ny 08 febroary 2023 ary manendry an-dRamatoa ZAFINDRASOA Elisoa Murielle, ho Talen’ny Biraon’ny Firenena misahana ny Fisorohana ny Loza amin’ny Sekoly eto Madagasikara.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1825 ny 23 oktobra 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANJARY Evrard Merveilleux, ho Tale misahana ny Fanohanana Ara-teknika an’ny Institut National de Formation Pédagogique ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-517 ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RATOVOBARIMANANA Holimalala Angela, ho Tale Faritany misahana ny Fanabeazana Teknika sy ny Fampiofanana Analamanga.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-428 ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa FENOZARA Riquiet Dick, ho Tale Faritany misahana ny Fanabeazana Teknika sy ny Fampiofanana SAVA.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-430 ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Maxime, ho Tale Faritany misahana ny Fanabeazana Teknika sy ny Fampiofanana Ara-tsaha-pihariana Sofia.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-823 ny 03 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANAIVO Dimbiniaina Francis, ho Tale Faritany misahana ny Fanabeazana Teknika sy ny Fampiofanana Ara-tsaha-pihariana Betsiboka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-207 ny 26 febroary 2025 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMALALA Sylvain, ho Tale Faritany misahana ny Fanabeazana Teknika sy ny Fampiofanana Ara-tsaha-pihariana Haute Matsiatra.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-743 ny 02 jolay 2025 ary manendry an’Andriamatoa VANOMISY, ho Tale Faritany misahana ny Fanabeazana Teknika sy ny Fampiofanana Ara-tsaha-pihariana Atsimo Atsinanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-575 ny 28 may 2025 ary manendry an’Andriamatoa ZAFINDRATEMA Sergios, ho Tale Faritany misahana ny Fanabeazana Teknika sy ny Fampiofanana Ara-tsaha-pihariana Vatovavy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-194 ny 07 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa LIVA Andriamaholy Raymond, ho Talen’ny Fandraharana ny ara-bola ny Minisiteran’ny Fampianarana Ara-teknika sy ny Fampiofanana Arak’asa.

MINISITERAN’ NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARIJAONA Narindra, ho Tale Jeneraly ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana « Directeur Général de l’Agriculture et de l’Elevage (DGAE) ».

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa VELOMARO Lydia, ho Talen’ny Fitantanana ny Mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

MINISITERAN' NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLOFOARISON Misa, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran' ny Varotra sy ny Fanjifana.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAZAKA Fanomezana Espéré, ho Talen’ny Fanaraha-maso Ekonomika sy ny Serasera « Directeur de la Veille Economique et de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran' ny Varotra sy ny Fanjifana.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHERINJATOVO Mamy Nirina, ho Talen’ny Fitondran-draharaha sy Fitantanam-bola eo anivon’ny Minisiteran' ny Varotra sy ny Fanjifana.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAVELONJOHANY Lala, ho Tale Misahana ny Raharaha araky ny lalàna eo anivon’ny Minisiteran' ny Varotra sy ny Fanjifana.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIAMAMPIANINA Iangotiana Enintsoa Valimbavaka, ho Talen’ny Fitantanana Mpiasa eo anivon’ny Minisiteran' ny Varotra sy ny Fanjifana.

MINISITERAN’ NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-089 tamin’ny voalohan’ny volana febroary 2023 ary manendry an’Andriamatoa EMILE, ho Tale Jeneraly ny « Ecole Nationale d’Administration de Madagascar (ENAM) ».

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1700 tamin’ny 25 Septambra 2024 ary manendry an-dRamatoa SIO Princesse Rissina, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-657 tamin’ny 4 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RABEHARISOA Verohanitra Lalaina, ho « Directeur de l’Appui à l’Insertion Professionnelle des Jeunes et des Sans Emploi » eo anivon’ny Minisiteran’ ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1579 tamin’ny 14 août 2019 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANANTENAINA Saholinirina Haingo, ho Talen’ny Fitondran-draharaha sy Fitantanam-bola ny “Office National de l’Emploi et de la Formation” (ONEF) eo anivon’ny Minisiteran’ ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1132 tamin’ny 09 septambra 2020 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIONONA Ny Saina Nasandratra, ho « Directeur de la Prospective Economique et Sociale de l’Office National de l’Emploi et de la Formation » ny « Office National de l’Emploi et de la Formation » (ONEF) eo anivon’ny Minisiteran’ ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1099 tamin’ny 27 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa FITAHIA Behava Iedda, ho « Directeur de la Base des Données» ny « Office National de l’Emploi et de la Formation » (ONEF) eo anivon’ny Minisiteran’ ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-218 tamin’ny 07 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa RAVELOMAHATRATRA Rojomampionona, ho Tale Jeneralin’ny Asa eo anivon’ny Minisiteran’ ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-441 tamin’ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RASOLONJANAHARY Oelasolofo Ando Ny Aina, ho Tale Jeneralin’ny « Office National de l’Emploi et de la Formation » (ONEF) eo anivon’ny Minisiteran’ ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana.

MINISITERAN' NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-458 tamin’ny 05 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA Dina Hariniry, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran' ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

 Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1418 tamin’ny 25 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAINIMBAHY Jacquis Georges, ho Tale Jeneralin’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF). 

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1734 tamin’ny 02 oktobra 2024 ary manendry an-dRamatoa ZARAZAFY Vitarimeva Karina, ho Tale misahana ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran' ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

MINISITERA NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMAROZATOVO Nandrianina, ho “Coordonnateur de l’Unité de Coordination des Projets Emergents” eo anivon’ny Minisiteran' ny Angovo sy ny Akoranafo.

MINISITERAN' NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’ny Général de Brigade ANDRIANTAOLO Tsilavonjato Honoré, ho Tale Jeneralin’ny « Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques » (OMNIS).

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASAMIMANANA Georges, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa LESOA Nantenaina Christine, ho “Coordonnateur Général” ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-444 tamin’ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAZANADRATEFA Zotonokinendry, ho “Directeur Interrégional” Matsiatra Ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-548 tamin’ny 06 marsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa DJADAGNA Andriarivony Placide Honoré, ho “Directeur Régional” Talem-paritra, Melaky eo anivon’ny Minisiteran’ny Harena an kibon’ny Tany.

MINISITERAN' NY ASA VAVENTY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-030 tamin’ny 15 janoary 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAFEFIMANANA Sambilason Richard, ho Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

MINISITERAN' NY JONO SY NY TOE-KARENA MANGA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-936 tamin’ny 15 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa ADAKALO Nasolo, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga.

MINISITERAN' NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-162 tamin’ny 31 janoary 2024 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIATSIHALA Nolave Luck Aristide, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2005-572 tamin’ny 24 janoary 2005 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANANAHIREANA Thierry ho, “Coordinateur National de l’Organe de Lutte contre l’Evènement de la Pollution marine (OLEP) par les hydrocarbures” eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-711 tamin’ny 20 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RALAMBOSON Emilio Michel, ho Talen’ny Fitondran-draharaha sy Fitantanam-bola eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-706 tamin’ny voalohan’ny volana jolay 2020 ary manendry an’Andriamatoa TATAFASA Carles Olivier, ho “Directeur Régional de l’Environnement et du Développement Durable”Talem-paritra Atsinanana eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-856 tamin’ny 29 jolay 2020 ary manendry an’Andriamatoa NDREMIFIDY Kelard, ho “Directeur Régional de l’Environnement et du Développement Durable” Talem-paritra Vatovavy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1368 tamin’ny 03 jolay 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANASOLOMANA Gildas, ho Talen’ny Fitantanana Mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1658 tamin’ny 21 desambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAFARAHARIVELO Sata Maria, ho “Directeur Régional de l’Environnement et du Développement Durable”, Talem-paritra Analamanga eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMAHALEO Soloniaina Fiononantsoa, ho “Directeur Régional de l’Environnement et du Développement Durable”, Talem-paritra Vakinankaratra eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-856 tamin’ny 29 jolay 2020 ary manendry an’Andriamatoa MALAZAMANANA Pierre Ludovic, ho “Directeur Régional de l’Environnement et du Développement Durable”, Talem-paritra Fitovinany eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

MINISITERAN' NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1281 tamin’ny 19 jona 2024 ary manendry an-dRamatoa RABEARIMANANA Rojosoa Diamondra Urcilla, ho “Directeur Régional du Tourisme et de l’Artisanat de la Région Analamanga”, Talem-paritra Analamanga eo anivon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Asa Tanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-324 tamin’ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOVAO Michella Temple, ho “Directeur de la Valorisation des Produits Artisanaux” eo anivon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Asa Tanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-759 tamin’ny 27 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOSON Frank Tantely, ho “Directeur de la Valorisation des Produits Touristiques” eo anivon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Asa Tanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-213 tamin’ny 07 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RASOLONDRAIBE Todiveloniaina, ho “Directeur de la Professionnalisation et de la régulation Touristique” eo anivon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Asa Tanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1169 tamin’ny 22 may 2024 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIONONA Miarintsoa Rollande, ho “Directeur de la Planification et du suivi évaluation” eo anivon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Asa Tanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1363 tamin’ny 03 jolay 2024 ary manendry an’Andriamatoa RABEMIAKATRA Toky Mendrika Tsitohaina Fabio, ho Tale Misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Asa Tanana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1796 tamin’ny 16 oktobra 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOZAFY Masilala Harijaona, ho “Directeur des partenariats, des projets et du développement” eo anivon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Asa Tanana.

MINISITERAN' NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-319 tamin’ny 21 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RABETOKOTANY Charles René, ho Tale Jeneralin’ny Firaisankina “Directeur Général des Solidarités” eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina.

MINISITERAN' NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-456 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAHERISON Justino Pascal, ho Tale misahana ny Mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-066 tamin’ny 22 janoary 2025 ary manendry an’Andriamatoa KLIMCHAND Marc Antoine, ho Tale misahana ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-154 tamin’ny 31 janoary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RASOLOFOARIJAONA Miary, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-831 tamin’ny 03 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa LEMANA Nalimbinjanaharin’Ainasoa Festin Elisée, ho Tale Jeneralin’ny “Office de la Radio et la Télévision publique de Madagascar” (ORTM).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-950 tamin’ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RASOLOARISON Harimbola Monica, ho “Directeur de la Radio Nationale Malagasy” (DRNM).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-820 tamin’ny 30 j 2025 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANIAINA Miorahasina Lorah, ho “Directeur de la Télévision Malagasy” (DTVM).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2024 tamin’ny 04 desambra 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAHARIJAONA Rado, ho Directeur de la Programmation, du Suivi et Evaluation (DPSE) eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

MINISITERA DELEGE MISAHANA NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-449 tamin’ny 28 febroary 2024 ary manendry ny Général de brigade ZIPA Jean Hubert, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1933 tamin’ny 13 novambra 2024 ary manendry ny Général de brigade RABEMANANTSOA Josh, ho Tale misahana ny Mpiasa eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-634 tamin’ny 13 martsa 2024 ary manendry ny Général de brigade BOTOTSARA Nathanaël James, ho Premier Adjoint du Commandant de la Gendarmerie nationale eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-635 tamin’ny 13 martsa 2024 ary manendry ny Général de brigade REMONGINY Odet Relaha, ho Deuxième Adjoint du Commandant de la Gendarmerie nationale eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-559 tamin’ny 06 martsa 2024 ary manendry ny Général de brigade RANDRIAMAHARIVO Hery Lala, ho Chef d’Etat-major de la Gendarmerie Nationale.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2027 tamin’ny 04 desambra 2024 ary manendry ny Colonel RABARIJAONA Famenontsoa Eric Constantin, ho Directeur de l’Organisation et de l’Emploi eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-251 tamin’ny 06 martsa 2025 ary manendry ny Général de brigade RABIALAHY Solofoson Lucien, ho Directeur du Quartier Général eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-344 tamin’ny 11 avril 2018 ary manendry ny Colonel ANDRIANAIVO RAVOAVY Jaona Lalaina, ho Directeur de la Sécurité et des Renseignements eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam pirenena. 

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1670 tamin’ny 18 septambra 2024 ary manendry ny Général de brigade RANDRIANARIJAONA Herifidy Jocelyn, ho Directeur de la gestion du personnel eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-636 tamin’ny 13 martsa 2024 ary manendry ny Général de brigade RANAIVONAMPOIZINA Harilaza, ho Commandant des Ecoles et des Formations de la Gendarmerie nationale.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-248 tamin’ny 06 mars 2025 ary manendry ny Général de brigade SOAMIAKATRA RAZANAKARIVELO Lys Hervé, ho Directeur chargé de la lutte contre la corruption et de traitement des doléances eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-952 tamin’ny 17 septambra 2025 ary manendry ny Général de brigade RALAIBEZA Hubert Claudion, ho Directeur chargé de la lutte contre le terrorisme, les stupéfiants et la criminalité transnationale organisée eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-250 tamin’ny 06 martsa 2025 ary manendry ny Général de brigade RABEMANANJARA Heriniaina Andrianjafy, ho Directeur de la planification, du suivi et de l’évaluation eo anivon’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-787 tamin’ny 04 aogositra 2021 ary manendry ny Colonel TOTO Hajanirina Andriantsoa Anselme, ho Commandant des Formations spécialisées eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-560 tamin’ny 06 martsa 2024 ary manendry ny Général de division NIXOR Tsitambala, ho Directeur Général de la Sécurité Routière.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-637 tamin’ny 13 martsa 2024 ary manendry ny Général de division TSIKETA Bernard Dieudonné, ho Directeur Général adjoint de la sécurité routière.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-133 tamin’ny 08 febroary 2023 ary manendry ny Colonel ANDRIANTSIFERANA Tiarimanana Solofotiana Hajasoa, ho Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale d’Antananarivo.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2028 tamin’ny 04 desambra 2024 ary manendry ny Colonel FAHA Bienvenu, ho Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale de Mahajanga.

IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-295 tamin’ny 19 martsa 2025 manendry ny Tale Jeneraly Mpisolo toeranan’ny “Fonds Souverain Malagasy S.A”.

MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-086 tamin’ny 24 janoary 2024 manendry ny Directeur Général de la Fourniture et Soins eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-0510 tamin’ny 24 may 2020 manendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0843 tamin’ny 24 aprily 2019 manendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Amoron’i Mania eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1180 tamin’ny 27 oktobra 2021 manendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Andrefana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-091 tamin’ny 29 janoary 2025 manendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Vakinankaratra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1037 tamin’ny 24 aprily 2019 manendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK'ASA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana manendry ireo “Directeurs Centraux” (Coordonnateurs Général des Projets, Directeur des Ressources Humaines, Directeur du Patrimoine et de la logistique, Directeur de l’Innovation et du Développement Numérique, Coordonateur de la Cellule Engagement Civique et Environnementale) eo anivon’ny Minisiteran' ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana manendry ireo Talem-paritra Anosy, Androy, Diana, Ihorombe, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Bongolava eo anivon’ny Minisiteran' ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa.

MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1122 tamin’ny 08 septambra 2023 manendry ny Talen’ny Fitondran-draharaha sy Fitantanam-bola ny Fonds de l’Elevage (FEL).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-065 tamin’ny 22 janoary 2025 manendry ny Directeur de la Communication, du Système d’Information et de la Digitalisation (DCSID) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

MINISITERAN' NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-700 tamin’ny 10 avril 2019 manendry ny Mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanana eo anivon’ny Office des Mines Nationales et des Industries Stratégies (OMNIS) sy manafoana ny sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2023-1017 tamin’ny 10 aprily 2019 manendry ny Mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanana eo anivon’ny Office des Mines Nationales et des Industries Stratégies (OMNIS).

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1047 tamin’ny 30 aogositra 2023 manamarina ny fifidianana ho Mpikambana ao amin’ny Filankevi pitantanana eo anivon’ny Office des Mines Nationales et des Industries Stratégies (OMNIS)

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJIMIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1928 tamin’ny 13 novambra 2024 manendry ny Tale Jeneraly Mpisolo Toerana eo anivon’ny Autorité de Régulation des Technologies de Communication (ARTEC).

 

Antananarivo, 19 novambra 2025,

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Fanavaozana

ny Repoblikan’i Madagasikara