I. FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY FITSARANA

Fampitana am-bava momba ny fangatahana alalana hampiasa, noho ny hamehana, toeram-piasana iray voaro tsara sady hasiana fampitaovana, ao amin’ny faritry ny Minisiteran’ny Fitsarana.

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Tatitra am-bava mikasika ny fizotry ny asa momba ny antontan-taratasy hifantenana ireo ho lehiben’ny faritra.

Fampitana am-bava momba ny fangatahana alalana handraisana an-tanana ny fandoavana ny haba sy ny hetra ho an’ny kojakoja informatika nohafarana avy any ivelany, ho an’ny CENI, fanomezana avy amin’ny PNUD ho an’i Madagasikara.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Fampitana am-bava angatahana fanafoanana ireo naoty mampihantona ny fandoavana ny haban-tseranana sy ny hetra momba ny menaka fihinana.

Fampitana am-bava angatahana alalana fanaovan-tsonia fifanarahana famatsiam-bola telo sosona ifanaovan’i Madagasikara sy ny Vondrona Eropeanina (IVCDCI, PIM 2021-2027).

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY INDOSTRIA SY NY FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRA TSY MIANKINA

Fampitana am-bava momba ny fanomanana Fikaonan-doha nasionaly ho fanaingana indray ny toe-karena eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Fampitana am-bava momba ny fifanarahana ifanaovan’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro, sy ny orinasa Madarail, tetikasa hametrahana tahiry ho famatsiam-bola noho ny hamehana, hahazoana kojakoja fanolo sy ireo kojakoja samihafa.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Fampitana am-bava momba ny famoahana ôfisialy ny mpianatra ho Kaomisera sy « Officiers de Police », andiany « MENDRIKA », ny sabotsy 13 desambra 2025 ao amin’ny Sekoly ambony fanofanana ho Polisy eny Ivato, sy ny mpianatra ho « Inspecteurs de police » ary Polisy, andiany « MANEVA » ny zoma 19 desambra 2025, ao amin’ny Sekoly fanofanana ho Polisy Antsirabe.

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY + MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

Fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana manokana ho ana fanotofana tany, tafiditra ao anatin’ny tetikasa Famatsiana rano fisotro madio (PAAEP) ho fanamboarana lavadrano lehibe sy tohodrano eny amin’ny lemak’i Laniera sy Ampiriaka.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Fampitana am-bava momba ny fanentanana fanaovam-bakisiny hisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ho an’ny tovovavy 9 ka hatramin’ny 14 taona, ny 8 hatramin’ny 12 desambra 2025.

Fampitana am-bava momba fandraisana an-tanana ny fandoavana ny haba sy ny hetra amin’ny fanafarana fiarabe iray (Camion truck 4x4) araka ny fahazoan-dalana laharana HOEG30237KTM0001, sy ireo kojakoja samihafa ho an’ny laboratoara, araka ny fahazoan-dalana laharana 235-33197485, nohafaran’ny UCP (Unité de Coordination des Projets).

Fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny haba sy hetra tandrify ny fanafarana kojakoja ho an’ny fitsaboana sy laboratoara, anisan’izany ny fanafody, ny fampitaovana samihafa sy fitaovana mikasika ny fitsaboana maso, fizahana « radio » ary fampitaovana samihafa avy amin’ireo mpiara-miombona antoka tekinika sy ara-bola, izay nohafaran’ny UCP (Unité de Coordination des Projets) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny haba sy hetra tandrify ny fanafarana fitaovana samihafa ho an’ny CSB (Table accouchement avec accessoires et consommables, Ordinateurs de bureau avec moniteurs et batterie), nohafaran’ny UCP eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA TSIANSA

Fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana ny hanamboarana toeram ponenan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Androy, Anosy, Alaotra-Mangoro ary trano fatoriana eny Vontovorona.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA TSIANSA + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

Fampitana am-bava momba ny fandraisana ireo karazana masomboly nohatsaraina sy efa nankatoavina hanan-kery, tetikasa AFAFI NORD, an’ny FOFIFA.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENANA

Fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoana alalana hanaovana fandaniana mikasika ny fividianana kojakojam-pianarana.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA

Fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ny handoavana ny saram pitaterana ny mpianatra nahazo vatsim-pianarana, fiaraha-miasan’ny Fanjakana malagasy sy ny Marokanina.

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Fampitana am-bava momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo « Agents non encadrés de l’Etat ».

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Fampitana am-bava momba ny fangatahana fanampiana ara-bola ho fampandehanana ny Lalamby eto Antananarivo (Train Urbain d’Antananarivo).

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny lisitr’ireo mpahazo tombotsoa amin’ny tambin-karama PAPs, tetikasa LEAD (Least-Cost Electricy Acces Development), mikasika ny fanitarana sy fanatsarana ny tambajotra famatsiana herinaratry ny JIRAMA manodidina an’Antananarivo, ho an’ny « moyenne tension » sy ny « basse tension ».

Fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hanao fanitsiana ny sora bola ao amin’ny « Budget d’investissement sur financement interne et de fonctionnement » eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Fampitana am-bava mikasika ny fahavononan’ny Governemanta hametraka ny fenitra « Norme EITI » eto Madagasikara.

Fampitana am-bava mikasika ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany araka ny Bokin’andraikitra vaovao (nouveau regime des Cahiers de Charges Minières - CCM). 

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

Tatitra mikasika ny iraka nataon’ny Minisitra tany amin’ny COP30 tany Belém, Brésil, ny 17 - 20 novambra 2025.

Fampitana am-bava mikasika ny fitazonana sy fanamafisana ny fiarovana an’ireo Faritra arovana (Aires protégées) manoloana ny ambana sy tsindry samihafa eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Fampitana am-bava mikasika ny fandraisana an-tanana noho ny antony manokana, ny fandoavana ny haba sy ny hetran’ny fanafarana entana sy kojakoja fanolo mifandraika amin’ny famatsiana rano fisotro madio (AEP), amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

Fampitana am-bava mikasika ny fandraisana an-tanana, noho ny antony manokana, ny fandoavana ny haba sy ny hetran’ny fanafarana « camion cargo » roa sy « camion citerne » iray, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

MINISITERAN’NY HAITAO ARA-KAJIMIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Fampitana am-bava mikasika ny fankatoavana ny handefasana ny volavolana fangatahana famatsiam-bola andiany faharoa (requête de financement de la phase II) momba ny tetikasa MRTAM II (Modernisation des Réseaux de Télécommunications de l’Administration Malagasy).

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Fampitana am-bava momba ny fangatahana fandraisana an-tanana ny fandoavana ny haba sy hetran’ny fanafarana entana (DTI, Droits et taxes d’importations) ho an’ny « conteneurs » miisa 60, fanampiana maimaimpoana ho an’ny ankizy mila an’izany eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Fampitana am-bava momba ny hanaovana hetsika sy fankalazana ny Andro iraisam pirenena ho an’ny asa an-tsitrapo, ny 5 desambra 2025, eto Antananarivo Renivohitra, faritra Analamanga.

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Fampitana am-bava ny fanekena ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara indray ny “YOUTH CONNEKT AFRICA SUMMIT” andiany fahavalo.

II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’ NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA SY NY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA

Nankatoavina ny didim-panjakana manaiky ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana amin’ny renivola ny orinasa tsy anavahana anarana « Fonds National pour le Développement Industriel S.A ».

 MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Nankatoavina ny didim-panjakana mahakasika ny fampiharana ny rafitra fanitsiana ny vidiny farany ambony aseho eny amin'ny tobin-tsolika.

MINISITERAN' NY JONO SY NY TOE-KARENA MANGA

Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny andininy sasany amin’ny didim pankana laharana faha 2017-532 tamin’ny 04 jolay 2017 mahakasika ny fandaminana ankapobeny mahakasika ny asa fivarotana sy fanomezan-danja ny vokatra avy amin'ny jono sy ny fambolena anaty rano.

MINISITERAN' NY JONO SY NY TOE-KARENA MANGA + MINISITRY NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

Nankatoavina ny didim-panjakana mahakasika ny volavolan-drijantenin-dalàna manome alalana ny fanekena ny « Accord de l’Organisation Mondial du Commerce (OMC) sur les subventions à la pêche ».

MINISITERAN' NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

Nankatoavina ny didim-panjakana mahakasika ny volavolan-drijantenin-dalàna manome alalana ny fanekena ny “Amendement de Kigali sur les hydrofluorocarbures (HFC) apporté au Protocole de Montréal relatif à des Substances qui appauvrissent la couche d’Ozone (SAO)”.

MINISITERAN’NY HAITAO ARA-KAJIMIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Nankatoavina ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2025-291 tamin’ny 18 Martsa 2025 mahakasika ny fiarovana ny mpanjifan’ny tamba-jotra sy ny tolotra fifandraisan-davitra ary ny fandrindrana ny vidin’ny tolotra antsinjarany.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Nankatoavina ny didim-panjakana mahakasika ny volavolan-drijantenin-dalàna momba ny fisitrahana torohay ho an’ny daholobe.

Nankatoavina ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasany amin’ny didim-panjakana laharana faha 98-434 tamin’ny 16 jona 1998, manova sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2011-606 tamin’ny 27 septambra 2011, mahakasika ny sata sy fampandehanana ny “Office Malagasy du Droit d’Auteur (OMDA)”.

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMIALISON Tsimbazafy Yvon, ho lefitry ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Lietnà Kolonely RAKOTONDRAMIARANA Hariniaina Sitraka ho Talen’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025 1148 ny 05 novambra 2025 ary manendry ny Kolonely RABEMANANTSOA Fetrarivo, ho Tale Jeneralin’ny “Central intelligence Service (CIS)”.

PRIMATIORA

Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Kolonely RAZAFIMANAHAKA Tiana, ho talen’ny Fiarovana eo anivon’ny Primatiora.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMANAMIDONA Bodo Nirina, ho tale misahana ny Arofenitra eo anivon’ny Primatiora.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-262 tamin’ny 24 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANAIVOSON Tahiriniaina Andriamiharisoa, ho talen’ny Asa fikarohana eo anivon’ny Primatiora.

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-378 tamin’ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Contre Amiral ANDRIANIRINA HERY Léonide, ho “Sous-Chef d’Etat Major” misahana ny Asa eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-852 tamin’ny 11 aprily 2024 ary manendry ny Capitaine de Vaisseau ANDRIAMANAMPISOA Anjaratiana Zo Lalaina, ho Sous-Chef d’Etat Major Administration eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina.

MINISITERAN’NY FITSARANA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANAIVOSON Tahindro Prospero ho tale misahana ny Fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

MINISITERAN’NY ATITANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-175 tamin’ny 19 febroary 2025 ary manendry an’Andriamatoa RASAMOELINA Andriariliva Doris ho talen’ny Fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-495 tamin’ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa FABIOLA Eléonore ho tale misahana ny Raharahan-dalàna eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-288 tamin’ny 21 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMPARANONY Mieja ho “Directeur d’Appui et de Coordination des Centres Immatriculateurs” eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 1164 tamin’ny 22 mey 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAVOZANAKA Arilala José ho lehiben’ny distrikan’i Betroka.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-899 tamin’ny 11 aprily 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAVELOMIARY Sylvère Heriniaina ho lehiben’ny distrikan’i Vatomandry.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-504 tamin’ny 06 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa ILAINIRINA Vanondahy Tatsara ho lehiben’ny distrikan’i Morafenobe.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 1976 tamin’ny 27 novambra 2024 ary manendry an’Andriamatoa SOLONDRAZA Arson Theodolin Lydore Adoré ho Tale jeneraly misahana ny “Administration du Territoire” eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK'ASA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa IANONA Innocent, ho Tale misahana ny “Innovation et du Développement Numérique” eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-920 tamin’ny 10 septambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAINTY FILS Jean Marius, ho Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana, Alaotra Mangoro.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 2112 tamin’ny 18 desambra 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMBOLOLONA Lambo Tiana Fabien, ho Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. 

MINISITERAN’NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJOHNSON Tiava Ny Kanto, ho Tale jeneralin’ny Varotra ivelany ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIAMASY Lalaina Henintsoa, ho tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fifanakalozana any ivelany ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMIAMIARAMAHEFA Andriniaina, ho tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-706 tamin’ny 20 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONANAHARY Andrianavomanana Tsitohaina Stephan, ho tale misahana ny Fitantanana ny mpiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-442 tamin’ny 28 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMISATA Jocelyn, ho Tale jeneralin’ny Asam-panjakana ao amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019 1494 tamin'ny 07 aogositra 2019 ary manendry an’Andriamatoa NIANDRIRAZANA Lutchiano Yannive, ho Tale misahana ny “Professionnalisation des Petits Métiers et de la Promotion, de l’Auto-emploi” ao amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-545 tamin’ny 06 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISON Jose Alain, ho tale misahana ny Fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 1074 tamin’ny 02 mey 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIAINA Minoarivelo, ho tale misahana ny Fampiroboroboana ny Asa mendrika ao amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana asa sy ny Asam-panjakana.

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-763 tamin’ny 27 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa MAKA Tolodrenibe Diogèene, ho Directeur de la Police des Mines ao amin’ny Minisiteran’ny Harena an kibon’ny tany.

MINISITERA DELEGEN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-298 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Général de Brigade ANDRIAMAROMANA Régis Jean Cher Benilde Pascalli, ho tale misahana ny Raharaham-pitantanana sy ny vola eo anivon’ny Minisitera Delegen’ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 1049 ny 24 aprily 2024 ary manendry ny Lietna Kolonely ZAFIMIHARY Tiana Christian, ho tale misahana ny Raharaham-pitantanana sy ny vola eo anivon’ny Direction Générale de la sécurité routière.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-950 ny 17 septambra 2025 ary manendry ny Kolonely RANDRIAMIDONA Lys Odon, ho “Directeur de la Police judiciaire” eo anivon’ny Minisitera Delegen’ny Zandarimariam-pirenena.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-941 ny 15 septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RATSIMBAZAFY Jerry Michel, ho “Directeur de la Logistique et de l’Intendance auprès du Commandement de la Gendarmerie nationale”.

 

Antananarivo, 03 desambra 2025,

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Fanavaozana

ny Repoblikan’i Madagasikara