Notanterahina ny 21 novambra 2025 tao amin’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato ny lanonana manamarika ny fandraisana fibaikoana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena vaovao, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor.

Nanotrona izany ny Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Médecin Kolonely ZAFITASONDRY RANOELSON Manantenasoa Marcellin sy ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry. Nahitana ihany koa ireo Minisitra solontena mpikambana ao amin’ny governemanta, ireo olom-boafidy, ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny avy eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ary ireo olo-manan-kaja maro, sivily sy miaramila.