I. FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandefasana dika mitovy an’ireo antontan taratasy apetraka eny amin’ny Sampandraharaha misahana ny Filan-kevitry ny Minisitra eo anivon’ny Primatiora.

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Filan-kevitra maharitra faha 132 an’ ny Fikambanan’ny Firenena miteny frantsay sy ny Fihaonambe faha 46-n’ny Minisitry ny Fikambanan’ny Firenena miteny frantsay izay hatao ny 18 hatramin’ny 20 novambra 2025 ao Kigali, Rwanda.

MINISITERAN’NY FITSARANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandaminana ny fifaninanana hidirana mpianatra ho Mpitsara ao amin’ny Sekoly ambony manomana Mpitsara sy Mpirakidraharaha “École nationale de la Magistrature et des Greffes” (ENMG) ny 16, 17, 18, 19 desambra 2025.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY TETIBOLA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tantsoroka omena ny Governemanta amin’ny fanatanterahana ny asa stratejika laharam-pahamehana amin’ny sehatry ny ady amin’ ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana ary ny famatsiam-bola ny fanapariahana fitaovam-piadiana mahery vaika.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY TETIBOLA SY NY MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fanesoran-ketra sy haba ireo fitaovana iadiana amin’ny afo, izay omen’ny Association Baroudeur Massilia Pompier du Monde ho an’ny Madagascar National Parks.

MINISITERAN’ NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana alalana hanatanteraka ny paikady ara-panjakana sy momba ny fitantanam-bola amin’ny fividianana fitaovana ho an’ny fahasalamana amin’ny sorabola fampiasam-bola ataon’ny Fanjakana, amin’ny fanatanterahana ny tetibola amin’ny taona 2025 ao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana alalana hanatanteraka ny paikady ara-panjakana sy momba ny fitantanam-bola amin’ny fividianana vaksiny « Vaccins de Traditionnels ».

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana alalana hanatanteraka ny paikady ara-panjakana sy momba ny fitantanam-bola amin’ny fividianana fitaovana ara-teknika amin’ny sorabola FCV-Japon-Etat-Groupe B, voasoratra ao amin’ny sorabola enti-mamokatra ataon’ny Fanjakana, amin’ny fanatanterahana ny tetibola amin’ny taona 2025.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanatanterahana ny fanadihadiana momba ny fanaovana vaksiny «Enquête de Couverture Vaccinale » eto Madagasikara, taona 2025.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana alalana hanatanteraka ny paikady ara-panjakana sy momba ny fitantanam-bola momba ny famindrana famatsiam-bola amin’ny fampandehanan-draharaha andiany faharoa (transferts de subvention de Fonctionnement de deuxième tranche) ho an’ny Ivon-toeram-pitsaboana oniversitera (CHU) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISITERAN’ NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana hanao famindrana sorabola amin’ireo Oniversite miisa enina (6) eto Madagasikara sy ny Valan-javamaniry sy biby ao Tsimbazaza.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FAMPIANARANA SIANTIFIKA SY NY MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomezana amin’ny fomba ofisialy ireo karazam-boly voamarina ao anatin’ny Tetikasa APEMBA avy amin’ny FOFIFA.

MINISITERAN’ NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Heno ny fampitana am-bava momba ny fivoaran-draharaha mikasika ny fahasalaman’ny omby ao amin’ny Distrikan’ Ambatomainty, Faritra Melaky.

Heno ny fampitana am-bava momba ny fampahafantarana ny mety ho fisian’ny haromotana omby (rage bovine) ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambondrona, Distrika Isandra, Faritra Matsiatra Ambony.

MINISITERAN’ NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fikarakarana atrikasa fikaonan-doha momba ny sehatra lavanila ao amin’ny Faritra SAVA, ny 21 sy 22 novambra 2025 ao Sambava.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny « Forum d’affaires de la Zone de Libre Echange Continentale Africaine » (ZLECAf) andiany faharoa ny 11 sy 12 desambra 2025 any Marrakech, Maroc.

MINISITERAN’ NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanokanana indray ny vola taorian’ny fanapahan kevitra hanafoana ny ambim-bola tamin’ny trosa FAD sy FAT mahakasika ny famatsiam bolan’ny tetikasa Fanitarana ny tambazotra famokarana herinaratra na “Projet de renforcement et d’interconnexion des réseaux de transport d’énergie électrique” (PRIRTEM II).

MINISITERAN’ NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana anjaran’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy amin’ny Fihaonambe andiany faha 30 momba ny tontolo iainana « Conférence des Parties (COP30)», izay atao ny 10 hatramin’ny 21 novambra 2025, any Belém, Brésil.

MINISITERAN’ NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandoavana ny onitra amin’ny fananana sy ny asa voakasiky ny tetikasa fanatsarana ny famatsiana rano madio ao Toamasina.

MINISITERAN’ NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanarenana ny olana eo anivon’ny mpiasan’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan davitra noho ny fanafoanana ny tetibola tovana eo anivon’ny Minisitera.

MINISITERAN’ NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandrindrana sorabola ho tantsoroka amin’ ny fanatanterahana ireo asa laharam-pahamehana ho an’ny tanora ao anatin’ny fanavaozana ny Repoblika.

Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny naoty fanazavana mikasika ny fanomezana herijika vaovao sy fametrahana ny Filankevitry ny Tanora « Conseils de la Jeunesse».

 

II. FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

 

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Noraisina ny didim-panjakana hananganana ny Oniversiten’Agnamba, Farafangana.

 

III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

 

FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia, ho Tale misahana ny Raharaha ara-tsosialy eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMBAHOAKA Heritiana Anicet, ho Tale misahana ny Raharaha iraisam-pirenena eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAFAMANTANANTSOA Mananjara Nanjarivelo, ho Tale misahana ny Fananana sy ny Fampitaovana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika .

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2024-1163 tamin’ny 22 may 2024 ary manendry ny Général de Division ANDRIAMASINORO Fanjanirina, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2025-203 tamin’ny 26 febroary 2025 ary manendry ny Général de Brigade ROBENARIMANGASON Herimamy, ho Tale Jeneralin’ny Tetipivoarana stratejika eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2024-656 tamin’ny 20 martsa 2024 ary manendry ny Général de Brigade RAHARIJAONA Faly Michel, ho Tale Jeneraly misahana an’ireo Rantsa-mangaikan’ny Fiarovana (Organismes de Défense) eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2025-204 tamin’ny 26 febroary 2025 ary manendry ny Général de Brigade RANDRIANANTENAINA Félicien Arthur, ho Lefitry ny Lehiben’ny Etamazaoro misahana ny « Opérations » eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2024-285 tamin’ny 13 martsa 2024 ary manendry ny Général de Brigade RAFIDIMANANA Teddy Francis, ho « Major Général des Armées » eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2024-724 tamin’ny 27 martsa 2024 ary manendry ny Contre-Amiral TSIRINIAINA Gabriel, ho Lefitry ny Lehiben’ny Etamazaoro misahana ny Tetipivoarana eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2023-355 tamin’ny 05 avrily 2023 ary manendry ny Contre-Amiral SAM HIENG TWION Kalobe Mickaël, ho Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2024-286 tamin’ny 13 martsa ary manendry ny Général de Brigade ELIASY Andrianandrasanomenjanahary Jules Ducret, ho Lefitry ny Lehiben’ny Etamazaoro misahana ny « Chaine Organique » eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana 2025-506 tamin’ny 14 may 2025 ary manendry ny Général de Brigade NASINTO Herilala Jean Christian, ho « Major Général » -n’ny Tafika an-tanety eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1166 tamin’ny 22 may 2024 ary manendry ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, ho Sekretera Jeneraly ny Minisiteran’ ny Filaminam-bahoaka.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIATSARAFARA Taranjamirija ho Mpandrindra ny Vondrona momba ny Fandrindrana ny Tetikasa Fanairana indray ny Toekarena sy ny Hetsika ara-tsosialy na « Cellule de Coordination des Projets de Relance Économique et d’Action Sociale » (CCPREAS) eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-Bola.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Iouri Garisse, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-Bola.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIAVAHANA Mbinison Dorette, ho Tale Jeneraly ny Tahirimbolam-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-Bola.

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAFARALAHY Edmond, ho Tale Jeneraly ny Hetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-Bola.

MINISITERAN' NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-660 tamin’ny 20 martsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa SAMBANY Ruffin, ho Sekretera Jeneraly ny Minisiteran' ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-277 tamin’ny 21 febroary 2024 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMADIHARISON Eric Tiana, ho Talen’ny Fitondran-draharaha sy ny Fitantanam-bola eo anivon'ny Minisiteran' ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.

MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA TSIANSA

Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly ao amin’ny Oniversite Toliara :

Andriamatoa RAZAKAMANANA Théodore, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Geosciences, Physique, Chimie de l'Environnement et Systèmes Hôtes-Pathogènes » (GPCEHP). 

Andriamatoa KOTO Bernard, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Lettres, Humanités et Indépendance Culturelle ». 

Andriamatoa RENE DE ROLLAND Lily Arison, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Biodiversité et Environnements Tropicaux ». 

Andriamatoa LAVITRA Thierry, Talen’ny Sekoly Doktoraly ao amin’ny “Institut Halieutique et des Sciences Marines » (IHSM). 

Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly ao amin’ny Oniversite Fianarantsoa :

Andriamatoa RANIRIHARINOSY Karyl Danielson, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Modélisation Informatique”.

Andriamatoa RAZARANIAINA Jean Claude, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Gouvernance et Sociétés en Mutations ». 

Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly ao amin’ny Oniversite Mahajanga :

Ramatoa RASOAMANANJARA Jeanne Angelphine, Talen’ny Sekoly Doktoraly « Nutrition Environnement et Santé » (EDNES).

- Ramatoa ASSOUMACOU Elia Béatrice, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Génie des Vivants et Modélisation » (EDGVM).

Ramatoa RANARIJAONA Hery Lisy Tiana, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Ecosystème Naturels” (EDEN). 

Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly ao amin’ny Oniversite Toamasina :

Andriamatoa Andrianasy Angelo DJISTERA, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Thématique Sciences, Cultures, Sociétés et Développement » (SCSD). 

Andriamatoa DAHY Ioclin, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Thématique Diversité et Développement Durable » (EDT 3D). 

Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly ao amin’ny Oniversite Antsiranana :

Andriamatoa TIANKAVANA Odilon, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Thématique Glocalisme, Environnement et Sécurité des Sociétés Indianocéaniques » (GENESIS). 

Andriamatoa RAZAFINJAKA Nirinarison Jean, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Thématique Energies Renouvelables et Environnement ». 

Ramatoa MANOROHANTA Cécile Marie Ange, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Thématique Langue, Littérature, Civilisation Etrangère et Dynamique de la Modernisation » (LALICE-DM). 

Andriamatoa ASIMANANANA Frédéric, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Thématique Nature, Structure de la Matière et Métrologie Nucléaire » (INSMMN).

Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly ao amin’ny Oniversite Antananarivo :

Andriamatoa RANDRIANA Nambinina Richard Fortuné, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Génie des Procédés et des Systèmes Industriels, Agricoles et Alimentaires ». 

Andriamatoa RANDRIAMALALA Ramarolanonana Josoa, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Gestion des Ressources Naturelles et Développement ». 

Andriamatoa RASOLOMANANA Eddy Harilala, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Ingénieries et Géosciences ». 

Andriamatoa RANDRIAMBOLOLONDRANTOMALALA Princy, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Mathématiques et Applications ». 

Andriamatoa RAVELOMANANTSOA Solofonirina Dieudonné, Talen’ny Sekoly Doktoraly « Physiques et Applications ». 

- Ramatoa RATOMPOMALALA Harinosy Hanitriniala, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Problèmatiques de l’Education et Didactique des Disciplines ».

Ramatoa RANDRIANALY Hasina Nirina, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Sciences de la Terre et de l’Evolution ». 

Ramatoa RAKOTO née RANOROMALALA Danielle Aurore Doll, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Sciences de la Vie et de l’Environnement ».

Andriamatoa SOLOFOMALALA Gaëtan Duval, Talen’ny Sekoly Doktoraly « Sciences de la Vie et de la Santé ». 

Ramatoa TIANA RAZAFINDRATSIMBA Dominique, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Sciences Humaines et Sociales ». 

Andriamatoa RAVONIMANANTSOA NDAOHIALY Manda Vy, Talen’ny Sekoly Doktoraly “Sciences et Techniques de l’Ingénierie et de l’Innovation ». 

Ramatoa RASOANAIVO Herilala léa, Talen’ny Sekoly Doktoraly “valorisation des Ressources Naturelles Renouvelables ».

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1073 tamin’ny 02 mey 2024 ary manendry an’Andriamatoa JAOSOLO Gelase, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’Asa sy ny Asam-panjakana.

MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMAMONJISOA Carl Eric, ho Talen’ny Fitantanam-bola, Fampitaovana sy ny vakoka ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-185 tamin’ny 19 febroary 2025 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANASOLOMAMPIONONA Rollain, ho Tale miadidy ny fanadihadiana sy ny jery lavitra eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-931 tamin’ny 15 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Manantsoa, Talen’ny Fanadihadiana Anatiny ao amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy.

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY ASA TANANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-144 tamin’ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZANAMARIA Arilala Léa, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy Asa tanana.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-570 tamin’ny 20 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa TSITOANY Jonah Hermann Anselme, ho Tale misahana ny fandraharahana sy ny vola eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-940 tamin’ny 02 aogositra 2023 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMANIRY Cléa Augustina, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1667 tamin’ny 18 septambra 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Onja Miandry, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-280 tamin’ny 12 martsa 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMALALA Faly Mahefanirina, ho Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025 -247 tamin’ny 06 martsa 2025 ary manendry ny Colonel FANAMBINANARITIANA Francis Marie Etienne, ho Kaomandin’ny Hery vonjy taitran’ny Zandarimariam-pirenena.

 

IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

 

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-614 tamin’ny 13 martsa 2024 manendry ny Tale Jeneraly ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-458 tamin’ny 05 aprily 2022 manendry ny Sekretera Jeneraly ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1418 tamin’ny 25 Jolay 2022 manendry ny Tale Jeneraly ny “Agence Portuaire Maritime et Fluviale” (APMF).

MINISITERAN' NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-209 tamin’ny 26 febroary 2025 manendry ny Mpandrindra Jeneraly (Coordonnateur Général) ny Minisiteran' ny Harena an-kibon'ny Tany sy ny Loharanon-Karena Stratejika.

 

Antananarivo, 12 novambra 2025,

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Fanavaozana

ny Repoblikan’i Madagasikara