TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 08 janoary 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 08 janoary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    Nampitaina mivantana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany amin’ity taona 2025 ity. Izany dia mba ahitan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fomba fandraisana ireo fanapahan-kevitra hitantanana ny firenena eto anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Hanehoana ihany koa fa manana vina sy drafitra maty paika ny fitondram-panjakana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nanterin’ny Filohan’ny Repoblika fa ny fahombiazan’ny minisitera dia fahombiazan’ny Fitondram panjakana ary ny fahombiazan’ny Fitondram-panjakana dia fahombiazan’ny Firenena. Nitaky fanoloran-tenan’ireo minisitra tsirairay avy ny Filohan’ny Repoblika hanafaingana ny fanatanterahana ny asa satria ny fahatarana dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainam-pirenena.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo fepetra ampiharina amin’ny ady amin’ny fanondranana volamena an-tsokosoko.

    Manoloana ny tranga nahatratrarana volamena 53,7 kg teny amin’ny seranam piaramanidina Ivato izay nampiasana “valise diplomatique” sandoka. Olona tsy manam pahefana hanao sonia fanomezan-dalana hitondra “valise diplomatique” sy misandoka andraikitra ary tsy azo antsoina hoe “valise diplomatique” velively no nampiasain’ireo nahavanon-dratsy satria tsy manaraka ny fepetra sy ny fenitra iraisam-pirenena.

    Nesorana amin’ny asany avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Nohamafisina ny rafitra sy fampatsiahivana ny maha saropady ny fikirakirana ny “valise diplomatique”. Nohamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa eo anivon’ny fadintseranana, ary nisy ny fanovàna ny tompon’andraikitra misahana ny arofenitra ary namafisana ny fiaraha miasa amin’ireo sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly sy fanatsarana ny famantarana ofisialy ny “valise diplomatique”. Eo ihany koa ny fanamafisana ary famerenana ireo pasipaoro ofisialy ho an’ireo nahavita iraka sy ny lany daty ary ny fanitsiana ny didy hitsivolana mahakasika ny pasipaora diplaomatika.

    Ny eo anivon’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany kosa dia efa mitohy ny fanafoanana ireo fitrandrahana an-tsokosoko toy ny tany Betsiaka.

    Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanafainganana ny fikarohana ny tena tompon’andraikitra voalohany nanao sonia hosoka sy nanao kolikoly.

    Omena fankasitrahana kosa ireo mpiasan’ny fadin-tserana izay nahatratra ireo nahavanon-doza ary amporisihana hatrany izy ireo hitoroka ireo izay manao kolikoly.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORON’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tetikasa “parcs solaires”.

    - Tetikasa parcs solaires 50MW: Araka ny toromarika efa nomen'ny Filohan’ny Repoblika dia ho tsinjaraina 5MW avy ireo renivohi-paritany ary ny 20MW dia apetraka ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo izay ho tsinjaraina amina toerana telo no hametrahana ireo tobim-pamokarana: eny Ambatomirahavavy (3MW), Ampangabe (10MW) ary Ambohidrano Ilafy (7MW). Efa tonga eto Antananarivo avokoa ireo singa hananganana ireo tobim pamokarana ireo ary vinavinaina ho vita amin'ny volana avrily 2025 ny fananganana izany.

    - Tetikasa Parc Solaire 50MW eny amin’ny Lac Iarivo / Pk0 Lalambe migodana: Efa vita avokoa ny fanadihadiana ara-teknika momba ny fametrahana ity tobim-pamokarana herinaratra ity ary miroso ny famolavolana ny tolotra hananganana izany. Vinavinaina ho vita amin'ny telovolana fahatelo ny taona 2025 izany tobim-pamokarana izany sy ny fampidirana azy amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Ho fanamafisana izay tambazotra iraisan'Antananarivo izay ihany dia misy tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro 50MW fanampiny hatsangana izay ho tsinjaraina ao Ampitatafika Ihazolava (20MW), Imeritsiatosika (20MW) ary Ibity (10MW).

    - 150MW kosa no ho tsinjaraina manerana ireo faritra rehetra ary efa vita avokoa ny fanadihadiana amin'ny fitsinjarana izany.

    - Ho fanamafisana ny famokarana herinaratra dia apetraka ao Ambohimanambola ihany koa ny famokarana herinaratra HFO manana tanjaka 105MW izay ho tantanan'ny JIRAMA. Tanjona napetraka ny hampandehanana ity tobim pamokarana ity amin'ny volana jona 2025.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fampitana am-bava momba ny vidim-bary.

    Raha ny tahirim-bary no resahina dia fantatra fa ny vary vokatra eto an-toerana dia ampy mandra-piakatrin’ny vokatra izay andrasana amin’ny volana avrily fa na izany aza dia amporisihina ny fanafarana ny vary avy any ivelany mba hitohizan’ny fisian’ny tolotra mora eny an-tsena.

    Miankina amin’ny lalam-pitsinjaran’ny vary eny amin’ny tsena ny maha samihafa arak’izay ihany koa ny vidiny any amin’ny mpanjifa. Raha ny mahakasika ny eto Analamanga no raisina dia raha ohatra ka 1200 Ar ny kapoakan’ny vary makalioka dia tsy tokony hihaotra ny 1000 Ar izany. Raha 850 Ar ny kapoakan’ny vary afarana dia tsy tokony hihoatra ny 800 Ar izany. Ary manohy ny fanaraha-maso akaiky ny firafitry ny vidim-bary any amin’ny faritra tsirairay avy ny Minisitera mba hamoahana ny vidiny ara-drariny.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + SEKRETARIAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MIADIDY NY FAHAVITAN-TENA ARA TSAKAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny fanovana ny fambolena eto Madagasikara. Fanamby ho an'ity taona 2025 ity ny hampitombo 25% na 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary mba hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-bary. Natao laharam-pahamehana amin'ny fanatrarana izany fanamby izany ireo tantsaha amin'ny alalan'ny fizarana azy ireo hanam-pamokarana. Eo ihany koa ny fampiasana masomboly tsara kalitao sy ny fampidirana ny voly vary safiotra izay hanafaingana ny fampiakarana izany voka-bary izany. 7 taonina hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara ny voka-bary azo amin'ny fampiasana ny voly vary safiotra izay hiarahana miombon’antoka amin'ny firenena sinoa ary velaran-tany mitotaly 22000 Ha manerana an'i Madagasikara no hambolena izany amin'ity taom-pambolem-bary 2025 ity. Mba hialana amin'ny fiankinan-doha amin'ny fanafarana masomboly avy any ivelany dia hanomboka amin'ity volana janoary ity any amin'ny Faritra Menabe sy Sava ny famokarana eto an-toerana ireo masomboly ilain'ireo tantsaha. Ny paikady entin'ny Fitondram-panjakana hanovana ny fambolena dia mifototra ihany koa amin'ny famatsiana ireo tantsaha ireo fitaovana sy milina lehibe entina hanafainganana ny famokarana (mécanisation) ary ny fananganana ireo fotodrafitrasa fitahirizam-bokatra.

    Ankoatra ireo fitaovam-pamokarana ireo dia hisy ihany koa ny fampiofanana ireo tantsaha avy amin'ireo mpampiofana eo anivon’ny FOFIFA sy ireo mpiara miombon’antoka iraisam-pirenena.

    Ny fanovana ny fambolena dia mifanindran-dalana amin'ny agri-business ary ny Fitondram-panjakana dia misokatra amin'ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tahan’ny harikarena faobe eto Madagasikara. Ny fikajiana ny tahan’ny harikarena faobe dia manaraka ny maodely ara-toekarena ampiasain’ny Tahirim-bola iraisam pirenena. Tamin’ny taona 2019 dia nahitana fiakarana 4,4% ny tahan’ny harikarena faobe teto Madagasikara raha toa ka manodidina ny 3,5% izany teo anelanelan’ny taona 2014 hatramin’ny 2018. Noho ny valan’aretina COVID-19 anefa dia nihiba ho -7,1% izany ny taona 2020 ary afaka nampiakatra izany hatramin’ny 4,1% isika ny taona 2021. Tamin’ny taona 2024 dia anisan’ireo firenena aty Afrika Subsaharienne manana tahan’ny harikarena faobe ambony i Madagasikara izay nahatratra 4,4% raha toa ka 3,2% izany ho an’ireo firenena hafa aty Afrika Subsaharienne. Ho an’ity taona 2025 ity kosa, ny vinavina dia hahatratra hatramin’ny 5% izany tahan’ny harikarena faobe izany ho an’ny firenena malagasy ary sehatra maromaro no hitarika izany toy ny fambolena, ny jono, ny harena an-kibon’ny tany, ny fanamboarana lamba, ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny fizahantany ary ny fifandraisan-davitra.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa fanamboaran-dalana manerana an’i Madagasikara.

    Ny “route du soleil” dia tetikasa goavana mirefy 2000Km hampifandray ny morontsiraka avaratra, atsinanana ary atsimon’ny Nosy. Efa mahatratra 252 km no efa vita amin’izany lalana izany. Efa an-dalam-pahavitana ihany koa ny RN13 mampitohy an’Ambovombe sy Toalagnaro, ny RN12A Taolagnaro – Vangaindrano, ny RNS5 : Soanierana lvongo – Vahibe, ny RN11 : Mananjary – Nosy varika, ny RN11A : Mahanoro – Vatomandry.

    Ho an’ireo lalam-pirenena lehibe dia efa misy ny tetibola manokana amin’ity taona 2025 ity avy amin’ny tahirim-bola ho an’ny lalana hamitana ny asa fanamboarana anisan’izany ny RN2, ny RN7 sy ny RN4. Misy ihany koa ireo asa fanamboarana izay hanomboka tsy ho ela toy ny RN31 Antsohihy – Bealanana, ny RN10 Andranovory – Ambovombe. Ankoatra ireo dia hisy fanamboarana sy fanajariana avokoa ireo lalana mampifandray ireo distrika manerana ny Nosy. Tanjona ny hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana ireo vokatra.

    Miroso ihany koa ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy hahavitan’izany.

    Manodidina ny 50km kosa ny lalana eto Antananarivo Renivohitra izay nokojakojaina sy nohajariana.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitrandrahana ho tanterahin'ny orinasa Base Toliara. Ilménite, rutile, zircon ary monazite no ho trandrahan'ity orinasa ity izay hatsangana 46 km avaratry Toliara ary haharitra 38 taona ny tetikasa. Hisy tombony goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy izany. Anisan'ny tombontsoa manokana azon'i Madagasikara amin'izany ny fampiasam bola izay hahatratra hatramin'ny 700 tapitrisa dolara. Hisy ny famatsiana ireo tetikasa manerana ny Nosy hahatratra hatramin'ny 80 tapitrisa dolara ary 40 tapitrisa dolara amin'izany dia natokana ho fampandrosoana ny Faritra Atsimo Andrefana. Hahatratra hatramin'ny 5 miliara dolara kosa ny fidiram-bola ao anaty kitapom-bolam-panjakana mandritra ny fe-potoana haharetan'ny tetikasa.

    Araka ny fifanarahana natao tamin’ny orinasa Base Toliara dia hisy ihany koa ireo fotodrafitrasa hatsangana toy ny lalana sy ny seranan-tsambo ao avaratry Toliara. Eo ihany koa ny famoronana asa manodidina ny 5000 ary ho laharam-pahamehana ireo vahoaka eny ifotony.

    Sambany hisy tetikasa goavana tahaka ity eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Efa nisy fifanarahana mazava mamaritra ireo fepetra ara-bola, ara-teknika sy ara tontolo iainana izay noho ny haitariky ny Filohan’ny Repoblika no nahafahana nandrafitra izany mba ho tombontsoan'ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

    Nankatovian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny vidin’ny solika fandrehitra. Nanomboka ny volana jolay 2021 dia notazomina 2130 ariary ny vidin’ny solika fandrehitra izay ambany manoloana ny tena vidiny na “verité des prix”. Izany dia ho fitsinjovana ny vahoaka izay mampiasa izany. Ny fanjakana malagasy araka izany no mandoha ny “subventions” izay mahatratra hatramin’ny 95 miliara ariary amin’ireo orinasa mpamokatra solika. Tsy maintsy hirosoana araka izany ny fampiakarana miandalana ny vidin’ny solika fandrehitra hampihenana ny “subventions” alohan’ny fitondram-panjakana.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tetikasa fiahiana ara sosialy.

    Mikasika ny asa fiahiana ara-tsosialy dia nanamarika ny taona 2024 ny tetik'asa Tsimbina izay nahafahana nanome tohana ara-bola tokantrano marefo miisa 1 048 000 manerana ny 120 distrika ary tokantrano 225 000 teto Antananarivo Renivohitra sy ireo distrika manodidina ka nahafahan'izy ireo niatrika ny fidiran'ny mpianatra sy ny fiakaran'ny vidim-piainana. Mbola ao anatin'ny fanantanterahana izany amin'izao fotoana izao. Ny tetikasa Tsimbina dia afaka raisin'ireo tokantrano marefo manana karinem-pokontany amin'ny alalan'ny “mobile money”. Ankoatr'izay dia misy ny tetik'asa haraton'aina izay ahafahan'ny tokantrano marefo miisa 1 195 000 misitraka fiofanana ara-teknika sy tohana ara-bola. Tetikasa miendrika vatsin'ankohonana sy asa avotra mirindra nanomboka tamin'ny taona 2019 ary mitohy hatramin'ny taona 2027. Ireo tokantrano ireo dia hita ao anatin'ny faritra 22.

    Tamin'ny taona 2024 dia nisy ihany koa ny tetik'asa Mifampitsimbina sy Tsinjo Noely izay nomen'ny fitondram-panjakana ireo tokantrano marefo teny anivon'ny renivohi- paritany sy Antananarivo Renivohitra ka tokantrano misa 168 000 no nisitraka izany ary nanampy azy ireo niatrika ny faran'ny taona ny tohana azony. Misy ihany koa ny tetik'asan'ny fitondram-panjakana Ankohonana Miarina izay hijerena manokana ireo tokantrano marefo vonona hiotra amin'ny fiainana ary hifototra amin'ny fambolena sy fiompiana. Trano fonenana, toeram-pamokarana ary tohana ara-piofanana no tolotra nomena an'ireo tokantrano voafantina. Ny tanjona amin'ny fanantanterahana ireo tetikasa fiahiana ara-tsosialy ireo dia hanampy ireo tokantrano marefo hiatrika ny andavanandrom-piainana sy hanatsarany ny fari-piainana ary ananany fidiram-bola maharitra. Fa isan'ny zava-dehibe ihany koa ny fanentanana ireo vehivavy hiditra sy hivondrona anaty fikambanana mba ahafahan'izy ireo misitraka fiofanana, tohana ara-bola sy fitaovana enti-miasa avy amin'ny Minisiteran'ny Mponina izay iarahana amin'ny Ministeran'ny fambolena sy fiompiana sy ny Ministeran'ny fampiofanana arak'asa ary ireo mpiara-miombon'antoka.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA_KAJY MIRINDRA , NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa E-fokontany sy ny fizarana ny Hazavana ho anao.

    Fitaovana ahafahana manatanteraka ny hetsika sosialim-bahoaka ny tetikasa e fokontany. Rehefa misy fanampiana entin’ny fitondram-panjakana dia ny karinem pokontany misy QR Code no ampiasaina andrindrana ny fizarana ny fanampiana. Natomboka ny volana jolay 2024 ny fanisam-bahoaka isan-tokantrano, izay notanterahan’ny Minisiteran’ny Atitany manerana ireo faritra, distrika ary fokontany, eto Madagasikara ka vita tanteraka tamin’ny volana septambra lasa teo.

    Tokantrano miisa 5.817.968 no tokony hisitraka izany karinem-pokontany misy QR code izany. Hatramin’ny androany, dia tokantrano miisa 5.024.645 no tafiditra ao anaty tahirin’antontan-kevitra, izany hoe 86,36% an’ireo tokantrano manerana ny Nosy.

    Ny asa fanaovana “saisie” dia nanomboka tamin’ny 8 jolay 2024 ary ho vita izany dingana izany ny faran’ny volana febroary 2025.

    Miisa 1.787.340 ny karine no efa voatonta, izany hoe 30,72% an’ny tokatrano malagasy no efa nahazo izany karinem-pokontany izany. Ny faran’ny volana may 2025 no ho vita tanteraka ny fanontana ireo karinem-pokontany ho zaraina manerana ny Nosy.

    Zaraina sy haparitaka avy hatrany any amin’ireo faritra, distrika ary fokontany manerana an’i Madagasikara izay karinem-pokontany voatonta izay. Ka ny Minisiteran’ny Atitany no misahana izany. Hisitraka karinem-pokontany avokoa ireo tokantrano Malagasy rehetra miisa 5.817.968 mialohan’ny 26 jona 2025.

    Mikasika ny tetikasa Hazavana ho anao dia miisa 327.071 ireo tokantrano efa nisitraka izany. Miisa 1.240.000 kosa ny isan’ireo “kits solaires sociaux” ho zaraina amin’ny telovolana fahatelo amin’ity taona ity.

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny ady amin’ny fangalaran-tany.

    Manoloana ny olan’ny fanagalaran-tany sy ny fanaovana kolikoly dia efa nanao ny ezaka rehetra ny minisitera handray ny fitarainan’ny vahoaka izay niarahana nisalahy tamin’ny PNUD sy ny BIANCO. Natsangana ny birao isam-paritra mandray ireo fitarainana momba ny kolikoly sy ny fananan-tany. Anisan’ny fepetra lehibe noraisina hiadiana amin’izany kolikoly sy fangalaran-tany izany ny fampiatoana ny “prescription acquisitive” izay fomba entin’ireo mpanao ratsy hangalarana tany na an’ny olon-tsotra na an’ny fanjakana. Eo ihany koa ny fanafoanana ireo titra azo tamin’ny alalan’ny hosoka na fanodinkodinana. Ho tohizana ihany koa ny fampanarahana ara-haitao ara kajy mirindra ny sampan-draharahan’ny fananan-tany amin’ny alalan’ireo “distributeurs automatiques” hahazoana eo no ho eo ireo certificats juridiques.

    Ny dingana manaraka dia ny fanolorana ny volavolan-dalàna manamafy ny sazy ho an’ireo mpangalatra tany ary ho enjehina daholo ireo tompon’andraikitra amin’izany na olon-tsotra na tompon’andraiki-panjakana.

    Mitohy ihany koa ny fizarana karatany faobe hamerenana ny tany amin’ny malagasy. 720.000 no nozaraina tamin’ny taona 2024 ary mitotaly 1.827.000 ny karatany nozaraina hatramin’ny niatombohan’ny tetikasa.

    Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hametrahana birao iombonana handraisana ireo fitarainana momba ny adi-tany izay iombonan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny fitsarana.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny “fonds d’urgence”, ny fanatanterahana ny fandaharan’asa fandrindram-piterahana ary ny fananganana ireo hopitaly manara-penitra.

    Nahatratra 55% ny tahan’ny fampiasana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana manerana ny nosy tamin’ny taona 2024.

    Momba ireo hopitaly manara-penitra, 11 amin’ireo 13 natsangana manerana ny nosy no efa vita tanteraka ankehitriny ary mahatratra 1.200.000 kosa ireo olona nisitraka ireo fitsaboana manakaiky vahoaka manerana ny Nosy.

    330.000 kosa ireo olona nisitraka ny “premiers soins d’urgence” na fitsaboana voalohany raha toa ka sanatria tra-doza ny olona iray teo anivon’ny CSB, CHD, CHR ary ny CHU manerana ny Nosy.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny ady amin’ny doro tanety sy fanondranana sokatra an-tsokosoko.

    Tamin’ny taona 2024 dia 6 285 379 Ha no velarantany may ka 2% no ala ary ny 98% kosa dia bozaka sy kijana. Manoloana ireo loza mihatra ireo dia efa misy ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana. Anisan’izany ny fampiharana ny drafi-piatrehana ny loza mahakasika ny afo ( plan de contingence feux) miaraka amin’ny BNGRC, ny fampandehanana ny Centre de Coordination Opérationnelle Feux ( CCO FEUX) hahafahana mandrindra ireo hetsika eny an-kianja.

    Ho fitsinjovana ny hoavy dia misy ihany koa ny paikady hanamafisana ny fahaiza manao amin’ny alalan’ny fividianana fitaovana maoderina amin’ny ady amin’ny doro. Eo ihany koa ny fijerena vahaolana maoderina: fividianana na fanofana fiaramanidina “Canadair” na fitaovana mitovy amin’izany mba hahomby kokoa amin’ny ady amin’ny afo ary ny fanavaozana ny rafitra ara-dalàna momba ny doro zavamaniry (fametrahana sazy henjana kokoa sy fepetra manome tombontsoa ho an’ny vondrom-piaraha-monina). Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanamafisana ny fanentanana sy fanabeazana amin’ny ady amin’ny doro-tanety. 

    Momba ny ady amin’ny fanondranana sokatra an-tsokosoko dia be mpitady any ivelany ny sokatra malagasy noho izy tsy fahita raha tsy eto amintsika ka tadiavana eo amin’ny varo-maizina iraisam-pirenena ireo sokatra ireo. Izany no mamelona ny tambazotra.

    6457 ny sokatra tratra naondrana an-tsokosoko ka 4814 tratra teto an-toerana ary 1643 tany ivelany. 1476 no tafaverina: 1076 tany Thaïlande ary ny 400 tany Comores. Politika tsy misy indrafo hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko no apetraky ny Fitondram-panjakana ary misy ny Task Force nasionaly sy eo amin’ny sehatra iraisam pirenena manara-maso izany.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanatsarana ny famatsiana rano.

    Hanomboka amin’ny enim-bolana voalohan’ity taona ity avokoa ireo fotodrafitrasa famokarana rano vaovao lehibe eto an-drenivohitra (Amoronakona sy Ambohitrimanjaka). Ho fitsinjovana ny famokarana ankehitriny dia efa misy ireo groupe miisa 29 apetraka eny anivon’ireo stations de pompage mba tsy hahatapaka ny famatsian-drano ary efa an-dalam-pamaranana avokoa ny fametrahana ireo “forages” miisa 35. Ho fanohanana ny famokarana ao Mandroseza dia apetraka ao an-toerana ihany koa ny “unite compacte” hamokatra 20.000m3 isan’andro.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fihaonana an-tampon’ireo mpitondra fanjakana sy Governemanta eo anivon’ny COI sy ny fihaonana an-tampon’ny SADC.

    Ny 24 avrily 2025 no ho tanterahina ao Nosy Be ny fihaonana an-tampon’ny vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) izay hialohavan’ny fivorian’ny tompon’andraiki-panjakana ambony any Maorisy sy ny Filan-kevitry ny Minisitra any Seychelles. Efa voafaritra ny lohahevitra izay iompana amin’ny fahavitan-tena ara tsakafo eo amin’ny faritry ny COI sy ny komity mpikarakara ny fandraisana izany.

    Momba ny fanomanana ny fihaonan an-tampony faha 45 ny SADC ny volana aogositra 2025 dia nisy ny iraka avy amin’ny sekretarian’ny SADC tonga teto Madagasikara ny volana oktobra 2024 izay nampahafantatra ny fenitra arahina amin’ny fandraisana izany fihaonana izany. Efa mitsangana ihany koa ny komity mpikarakara izany. Amin’io fotoana io moa no handraisan’i Madagasikara ny fitantanana ny SADC.

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tetikasa Lac Iarivo.

    Ao anatin’ny fanomanana ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha 45 ny SADC dia efa miroso ny tetikasa Lac Iarivo izay atao eo Ivato. Tanjon'ity tetikasa ity ny hananganana fotodrafitrasa maoderina hampisongadina ny hankaton'Antananarivo renivohitra. Manodidina ny 320Ha ny velaran-tany hajariana (avo roapolo heny ny habean'ny farahin'Anosy izay mirefy 17Ha) no hanatanterahana izany. Mirefy 11km izany manomboka eo amin'ny Parc Tsarasaotra Alarobia hatreny amin'ny Seranam piaramanidina Ivato. Ho hita eo avokoa ny toerana fialam-boly isan-karazany, hisy toerana voatokana ho an'ny mpandeha an-tongotra (rue piétonne), ny mpanao fanatanjahantena (parcours sportif), sy mpitondra bisikileta (piste cyclable). Hisy ny “esplanade” lehibe hafahana miala sasatra ary ahitana toeram-pisakafoana isan karazany misy ireo sakafo malagasy sy ireo avy any ivelany (food court). Hita eo amin’ny Lac Iarivo ihany koa ny “village artisanal” izay ahitana ireo asa tanana vita malagasy azo jifain'ireo mpizahatany ary ny “jardin botanique” lehibe hampiseho ireo zava-boahary mampiavaka an’i Madagasikara toy ny Baobab. Hanampy sy hanavao manokana ny fifamoivozana ihany koa ny fametrahana ny "bus électrique" izay hisahana ny fitateram bahoaka eny an-toerana. Ivon'ity tetikasa ity ny “jet d’eau” ho marika mampiavaka an'Antananarivo ary lehibe lavitra noho ny natsangana any MIAMI Toamasina. Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa fa eo amin’ny Lac Iarivo no ho tanterahina ny fankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovan-tena amin’ity taona ity. 

     

  

Natao ny 08 janoary 2025

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika