TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA
Alarobia 15 janoary 2025 – Lapam-panjakana Iavoloha
Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 15 janoary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
-
I- FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanolorana ny Paikady Nasionaly ho an'ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara(SNLCC). Izany paikady izany dia tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben'ny Fanjakana mifototra amin'ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin'ny kolikoly. Tanjon'ny SNLCC dia ny fanafoanana ny tsimatimanota, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpiantsehatra marolafy handravana ireo tambazotrana kolikoly, fampiroboroboana ny fahamendrehana ary famerenena ny fitokisan'ny vahoaka amin'ireo Andrimpanjakana. Ity paikady ity dia arahana planina hanatanterahana azy, miaraka amin'ny fanaraha-maso sy tombana isan-taonan'ireo fivoarana hita. Hisy ihany koa ny fampahafantarana izany paikady izany amin’ny vahoaka sy amin'ireo mpiara miombon’antoka.
Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika fa azo tratrarina tsara ny tanjona Madagasikara anjakan'ny fahitsiana amin'ny taona 2030. Ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany tamin'ity taona ity izay nampitaina mivantana dia nahitana ohatra fa misy ireo mpiasan'ny fadin-tseranana izay mendrika tokoa ary nahatratra ireo saika hamoaka volamena an tsokosoko. Hita ihany koa anefa, hoy hatrany ny Filoha, fa misy ireo mpiasam-panjakana izay mampiasa ny fahefany mamoaka ireo harem-pirenena ireo, maro ihany koa ireo mpanodikodina ny volam-panjakana sy ireo mpangalatra mialokaloka any ivelany. Mila mifandrimbona sy miara-mientana ny rehetra mba tsy hisian'ny tsy matimanota. Izany indrindra no antony nametrahana ny ARAI izay efa manana paikady hamerenana ireo vola voadikodina amin’ny resaka kolikoly ary voalohany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy filoham-panjakana sahy niroso tamin’ny izany.
Nohamafisin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, ihany koa fa efa maro ireo ezaka nataon'ny Fitondram-panjakana ka na iza na iza tratra manao kolikoly na olom-boatendry na olom-boafidy dia samy hiaran'ny lalàna avokoa. Hatramin’ny tetibolam-panjakana aza ankehitriny dia efa mangarahara avokoa fa tsy toy ny teo aloha izay ahitana ireo tsena forona (marché fictif). Noho ireo ezaka ireo indrindra no nahatonga ny firenena malagasy afaka misitraka (éligible) ny famatsiana avy amin'ny Millenium Challenge Corporation.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famerenena amin'ny ampahany indray amin'ny Fanjakana ny tany antsoina hoe "LA FADY II" TN° 1546 BP Ex TN°591 N ao Nosy Iranja, Distrikan'Ambanja, Faritra Diana, izay ho ampiasain'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro hametrahana tilikambo famantarana an-dranomasina (phare de signalisation maritime) ary hapetraka ho Réserve Foncière touristique ny ampahany.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampitahana ireo tolo-bidy entina hanatanterahana ireo tetikasa ho vatsian'ny tahirim-bolan'ny findramam-bola tamin'ny "Fédération de Russie". Anisan'ny ho vatsian'ity tahirim-bola ity ihany koa ny fividiana fitaovana fanadiovana, fitaovam pamokarana sy fananganana fitahirizam-bokatra ho fanatrarana ny fahalovan-tena ara tsakafo ao anatin’ny politika hametrahana “transformation agricole”, fitaovana ilaina amin’ny fitaterana an-dalamby ary fitaovana ilaina amin’ny asa vaventy toy ireo "ponts modulaires"
Nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra natao ny 08 janoary 2025 dia niarahaba manokana ireo mpiasan'ny fadin-tseranana izay nahatratra ireo olon-dratsy nikasa hanondrana ny harem-pirenena an-tsokosoko ny Filohan’ny Repoblika. Nanome toromarika ihany koa ny tenany ny tokony hanomezana fankasitrahana azy ireo ho valin'ny asa mendrika izay nataon'izy ireo. Anisan'izany ireo mpiasan'ny fadin-tseranana miisa 7 izay nahatratra ny fikasana hanondrana volamena milanja 53,735kg, ny mpiasan'ny fadin-tseranana miisa 4 nahatratra ny fikasana hanondrana volamena an tsokosoko milanja 13,865kg ary ireo mpiasan'ny fadin-tseranana miisa 8 izay nandray anjara tamin'ny fanagiazana ireo sokatra, tarondro ary bibilava izay nisy nikasa hanondrana an-tsokosoko ihany koa.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana azy ireo "avancement exceptionnel de classe" sy mari-pankasitrahana manokana mifanaraka amin’ny fandraisany anjara tamin’ny fandraisana anjara asa nataon’izy ireo tamin’ny fahatratrarana ireo mpanao ratsy.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny tetikasa KIT- BRANCHEMENT MORA ho fanatsarana ny fisitrahan'ny rehetra herinaratra. Mitotaly 195000 ireo BRANCHEMENT MORA ho tsinjaraina amin'ity tetikasa ity ka 94000 no efa tonga eto Madagasikara. Ny 63000 amin'ireo no efa notsinjaraina sy napetaka tamin'ny taona 2024. Andrasana ny fiavian'ireo Kits BRANCHEMENT MORA miisa 90.000 izay ho tsinjaraina amin'ity taona ity izay ho tonga miandalana hatramin’ny volana febroary 2025. Efa an-dalam-pamoahana sy fitsinjarana azy kosa ireo fitaovana miisa 11.000 efa ao amin’ny seranan-tsambon'i Toamasina.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fitokanana ireo hopitaly manara-penitra ao Maroantsetra, Manandriana, Ambohimahasoa, ary Vohibato izay vita tanteraka sy efa vita fampitaovana.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny atrikasa nasionaly momba ny “transformation agricole” ny 23 sy 24 janoary 2025 ao amin’ny CCI Ivato. Laharam-pahamehan'ny Politika ankapoben'ny Fanjakana ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana eo amin’ny fambolena izay mifanindran-dalana amin'ireo tanjona lovain-jafy (ODD), ary kitro ifaharan'izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fampiatiana ara-toekarena ireo mpamokatra madinika ary ny fampiroboroboana ny agri business izay ifanomezan-tanana amin'ny sehatra tsy miankina. Tanjona ihany koa ny hikajiana ny tontolo iainana amin'ny fampiasana fomba fambolena maharitra sy teknolojia vaovao. Araka izany, ity atrikasa ity dia natao hanamafisana ny firotsahan'ireo mpisehatra, hananganana drafitra hiaraha-manaiky hiarahana miroso amin'ny fanovana ny fambolena
MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena afrikanina momba ny angovo ny 27 sy 28 janoary 2025 any Dar es Salam, Tanzanie. Ny Banky iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana no mikarakara ity fihaonana lehibe ity izay mikendry ny fampivoarana ny "Mission 300" ho fanomezana herinaratra ho an'olona 300 tapitrisa aty Afrika hatramin’ny taona 2030. Hivondronan’ireo filoham-pirenena, ny minisitra, ny fikambanana iraisam-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana sy ireo fifanarahana ity hetsika ity , anisan’izany ny "Pacte Africain pour l'énergie" sy ireo fifanarahana momba ny angovo nasionaly. I Madagasikara izay firenena "pilote", dia afaka manao sonia fifanarahana hampandrosoana ny fanavaozana ny angovo sy hanetsehana ireo famatsiam-bola ilaina amin’ny tanjon'ny firenena malagasy.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny drafitra fampandehanana indray ireo tobim-pandajana fiara fitaterana eny amin’ny lalam-pirenena sy ny tetiandro hampiharana izany. Taorian'ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny volana aprily 2024 dia tobim-pandanjana roa (Ambohimalaza sy Antsarakofafa) no naverina am-perinasa. Na izany aza, nahitana tsy fahatomombanana ny toby ao Antsarakofafa noho ny hamandoana any an-toerana ka mitaky fanamboarana sy fitaovana fanampiny. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena (projet PDDR) sy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana, dia efa natomboka ary efa eo an-dalam-panatanterahana ny tolo-bidy amin’ny fividianana fitaovana sy fikojakojana ireo tobim-pandanjana. Nisy ny drafitra napetraky ny Minisitera hanamboarana sy hamerenana ny fampandehanana ireo tobim-pandanjana ireo araka ity tetiandro manaraka ity.
RN2:
- Toby Antsarakofafa : 23 janoary 2025
- Toby Ambohimalaza: 30 janvier 2025
RN4 sy RN6 (Antananarivo- Mahajanga sy Antananarivo- Atsiranana )
- Toby Maevatanana : 10 febroary 2025
- Toby Ambondromamy : 15 febroary 2025
RN7
Hafindra toerana ny toby eo Ambatolampy noho ny antony ara-teknika
RN9
Toliara-Manja Toby Ambondrolava (Belalanda): efa am-perinasa hatramin’ny taona 2024
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana mari pankasitrahana ireo mpiasan'ny Minisiteran’ny tontolo iainana, ny filaminam bahoaka ary ny minisitera delege miadidy ny zandarmariam-pirenena nandray anjara tamin'ny fanagiazana sokatra miisa 112, 800 ary 1515 ary nahafahana nandrava tambazotra mpanondra sokatra an-tsokosoko. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana azy ireo "avancement exceptionnel de classe" sy mari pankasitrahana mifanaraka amin’ny fandraisana anjara avy nataon’izy ireo tamin’ny fanagiazana ny tambajotra.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana fanohanana ireo hetsika fivondronan'ireo scouts eto Afrika izay tanterahana eto Madagasikara.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanohanana ara-bola ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny fifaninana iraisam-pirenena Karaté-Do, Premier League ny 24 sy 26 janoary 2025 any Paris, sy série A ny 14 sy 16 febroary 2025 any Larmaca, Chypre
-
II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY FITSARANA
Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manangana ny "Bureau des Doléances Foncières". Io birao io araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika no handray ireo fitarainana momba ny adin-tany manerana ny Nosy. Ahaleo tena tanteraka izany rafitra izany ary afaka hanantonan’ny mpiray tanindrazana rehetra izay misedra olana amin’ny resaka adin-tany.
-
III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 728 tamin'ny 27 marsa 2024 ary manendry ny Médecin-Colonel RANDRIANARISOA Andry Aurélien, ho "Directeur Administratif et Financier" ny Centre Hospitalier de Soavinandriana
MINISITERAN'NY NY RAHARAHAM-BAHINY
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATSIMBAZAFY Eric Soloheriniaina, ho Sekretera Jeneraly.
MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-273 tamin'ny 21 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOJOHARY Tovohery Andriamihaja, ho Tale Jeneralin'ny "Institut National de la Décentralisation et du Développement Local".
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOZAFY Miheja, ho Tale Jeneralin'ny "Fonds National Foncier" na FNF
MINISITERAN'NY ATITANY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 995 tamin'ny 17 avrily 2024 ary manendry an'Andriamatoa MALO Orlando Delphin, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vohipeno.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2024 617 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RADAVIDSON Hervé Patrick, ho "Coordonnateur Général des Projets et Partenariats"(CGPP)
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-612 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAVELONARIVO Miharivony Tsiriniando, ho "Directeur de la Protection des Consommateurs"
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFANOTSIMIVA Naharisoa Oby, ho Tale Jeneralin'ny Office Malgache de la Propriété Industrielle (OMAPI).
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-464 tamin'ny 26 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDEHIBE Rasolofonandrasana Stéphan, ho "Directeur des Ressources Humaines".
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-088 tamin'ny 24 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa MANANJARA Henri-Pierre, ho Tale Jeneralin'ny Asa Vaventy.
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-146 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMBAZAFY Zolalaina Tojotiana, ho "Directeur des Affaires Financières"
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATRATRANIRINA Mamisoa, ho Tale misahana ireo tetikasa eo anivon’ny Ministera.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 944 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry an-dRamatoa RAHARINIRIANA Onisoa, ho "Directeur de la Promotion de l’Hygiène"
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022 1065 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RARIVOMANANA Hanitriniaina Tahina, ho "Directeur du Reboisement et de la Gestion des Paysages et des Forêts" (DRGPF)
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-980 tamin'ny 03 may 2019 ary manendry an-dRamatoa RASOAMAHARO Tahina Viviana, ho "Coordonnateur National « Education Physique de Qualité » (CN-EPQ)
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-821 tamin'ny 01 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAVOLOLONJATOVO Andry, ho « Directeur de la Promotion des Loisirs « (DPL)
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATOVONIRINA Faly, ho Tale Jeneralin'ny Kolontsaina
MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
- Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023 1127 tamin'ny 08 septambra 2023 manendry ny Colonel BESOA Sirnot, ho “Inspecteur à l’Inspection Générale de la Gendarmerie nationale”.
-
IV- FANAFOANANA
MINISITERAN'NY NY RAHARAHAM-BAHINY
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-375 tamin'ny 05 marsa 2024 nanendry ny Talen’ny Arofenitra
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-587 tamin'ny 13 marsa 2024 nanendry ny Talen’ny Serasera
Natao ny 15 janoary 2025
Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika