TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 18 desambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 18 desambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 Ity Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina androany ity ihany koa no Filan-kevitry ny Minisitra farany ho an’ity taona 2024 ity.

  • I- FANARAHANA NY TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Miroso ireo dingana hametrahana ireo fotodrafitrasa entina hamahana ny olan'ny famatsian-drano eto an-drenivohitra amin'ny alalan'ny tetikasa PAAEP sy JIRAMA WATER 3. Anisan'ireo fotodrafitrasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAAEP ny fananganana ny toby mpamokatra rano 30.000m³ isanandro ao Ambohitrimanjaka sy ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza ary ny fanajariana fantson-drano 64km manerana ny renivohitra. Ao anatin'ny Jirama Water 3 kosa ny fananganana ny toby lehibe mpamokatra rano 50.000m³ ao Amoronankona. Efa an-dalam-pamaranana avokoa ireo fanadihadiana sy ny fiarovana ny lafiny fananan-tany amin'ny fametrahana ireo tetikasa ireo ary efa miroso ihany koa ny dingana amin'ireo tolo-bidy samihafa. Tombanana ho vita mialohan'ny vanim-potoanan'ny main-tany amin'ny taona 2025 avokoa ireo tetikasa ireo hisorohana ny olan'ny famatsian-drano amin'ny taona ho avy.

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fifaninana fandraisana mpianatra ho Manamboninahitra miisa 80 ho an'ny andiany mivantana faha XLVII ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ho an'ny taona 2025.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny lohahevitry ny andiany faha dimy amin'ny Fihaonana an-tampon'ireo Mpitondra Fanjakana sy Governemanta eo anivon’ny Komision'ny Ranomasimbe Indianina (COI) izay ho tanterahana eto Madagasikara.

    "Fahavitan-tena sy fanjarian-tsakafo manoloana ny fampandrosoana ny tsenan'ny indianocéanie" na "Sécurité et souveraineté alimentaire vers le développement du marché indianocéanie" no lohahevitra nosafidian'ny firenena malagasy izay mifanindran-dalana amin'ireo laharam-pahamehan'i Madagasikara sy ireo firenena mikambana eo anivon’ny COI. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ireo lohahevitra ho dinihina mandritra ireo fivoriana an-databatra boribory ho tanterahina mandritra izany fihaonana an-tampony izany. Ny voalohany " Efapolo taonan’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny COI" (La COI, 40 ans de coopération) ary ny faharoa "Ireo vina ho fanamafisana ny rafitra ara tsakafo sy fampandrosoana ny varotra eo anivon’ny indianocéanie" (Perspectives pour le renforcement du système alimentaire et le développement du commerce dans l’Indianocéanie).

    Rehefa avy nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo lohahevitra ireo dia haroso hankatoavin'ireo firenena mikambana eo anivon’ny COI indray.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny solontena malagasy miisa roa anjara amin'ny fiofanana « 25th NISC-Mapping today’s Security Environnement To Meet Tomorrow’s Challenges » ny 05 may hatramin'ny 27 jona 2025 any Genève, Suisse. Tanjon'izao fiofanana izao ny hampafantatra ireo mpandray anjara ireo fanamby vaovao momba ny fiarovana sy ny filaminana iraisam-pirenena, ny hampahafantarana ireo fitaovana hanampy azy ireo hanavaka sy hiatrika ireo fanamby vaovao ireo ary hanatsara ny traikefan'ireo mpandray anjara mba ho mpiantsehatra mahomby eo amin’ny politikan'ny fiarovana.

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ireo fotodrafitrasa vaovao eo anivon’ireo "camps pénaux" ao Andranomiteka ao Mananjary, sy ao Tatao Manakara. Nisy ny fanajariana ireo fotodrafitrasa ireo izay tafiditra ao anatin'ny fandaharan'asa FANARENANA izay vatsian'ny "Agence Française de Développement". Tanjona ny hanatsarana ny tontolo hiasan'ireo mpiasan'ny fonja sy ny toerana misy ireo voafonja, eo ihany koa ny fanenana ny fahafenoin'ireo fonja ary indrindra fanohanana ny famerenena ireo voafonja eo anivon’ny fiarahamonina rehefa avy nanefa ny saziny izy ireo, amin'ny alalan'ny fampiofanana arak'asa samihafa.

    MINISITERAN'NY FITSARANA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana manokana handingana ny naotin'ny Filan-kevitry ny Minisitra mampiato ny famindrana ireo tanin'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana momba ny tany « QUARTIER DU CHATEAU D’EAU » TN° 468 – BK an'ny Kaominina Antsiranana ho an'ny Minisiteran'ny Fitsarana

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiatoana ny "prescription acquisitive". Tanjona nametrahana ny "prescription acquisitive" tany am-boalohany ny fampanarahan-dalàna ireo fizarana eo anivon'ireo fianakaviana tsy voasoratra sy ny famindrana lova teo aloha araka ny fiaraha-monina malagasy. Nivaona ny fampiasana izany anefa taty aoriana noho ireo mampiasa azy ho fitaovana hanaovana hosoka amin'ny fananan-tany. Mitsahatra avy hatrany araka izany ny fikirakirana ireo fangatahana vaovao mifandraika amin'izany "prescription acquisitive" izany, mandra-piandry vahaolana maharitra hiarovana ny zon’ny tsirairay eo amin’ny fananan-tany.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin'ny fanaovan tsonia ireo volavolana fifanarahana eo amin’ny Fanjakana sy ireo mpaninjara solika momba ireo fepetra fanadiovana ireo trosa amin'ny andaniny sy ny ankilany

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana manokana hamindrana sorabola sy ny fibaikoana handoa vola ho an'ny taom-panatanterahana tetibola 2024 ho famerenana ny renivola momba ireo findramam-bola avy any ivelany.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fiantsonana sy ny fitsidihan'ny sambo miaramila pakistanais PNS (MOAWIN A-39), ny 15 hatramin’ny 18 desambra 2024, ao amin’ny seranan-tsambon'i Toamasina izay hamita iraka ara pahasalamana.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanomezana fitaovana ny "Centre Opérationnel des Urgences de Santé Publique". Ho fanamafisana ny fahafahan'i Madagasikara miatrika ireo mety ho ambana ara pahasalamana, ny CDC Afrika dia manohana an'i Madagasikara ho fampandehanana ny "Centre Opérationnel des Urgences de Santé Publique" amin'ny alalan'ny fampitaovana sy fanomezana fiofanana ireo mpiasan'ny fahasalamana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanomezana laboratoara mobile sy fitaovana ary kojakoja isan-karazany ho an'ny Repoblikan'i Madagasikara avy amin'ny Federasion'i Rosia. Izany fanomezana izany dia natao ho fanohanana ny firenena malagasy amin’ny fiatrehana sy fifehezana ny fihanak'ireo valan’aretina samihafa toy ny pesta.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fandrindrana ny fivezivezen'ny entana avy any Kaomoro. Manoloana ny fihanaky ny valan’aretina kôlerà izay mbola mitohy amin'ny tapany Atsinanana sy ny tendron'i Afrika, i Madagasikara, noho izy akaikin'i Kaomoro, dia manamafy ireo fepetra fisorohana sy fanaraha-maso. Misokatra ny fivezivezen'ny entana an-dranomasina ao anatin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana entitra, ary mbola tsy mahazo midina kosa ireo tantsambo. Ireo mpandeha avy any Kaomoro, na avy amin'ny zotra an’habakabaka na an dranomasina dia tsy maintsy mandalo ireo fepetra "chimio prophylactiques" ary tsy maintsy mandalo fihibohana mandritra ny 15 andro. Homena tari-dalana mazava ireo manampahefana momba ny fitaterana sy ny fiarovana ny sisintany mba hahazoana antoka ny fampiharana ireo fepetra ireo. 

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavana ny tapany voalohany amin'ny tetibolan'ny Office National de l’Enseignement Privé (ONEP), ho an'ny taom-panatanterahana ny tetibola 2024.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hisahana ny "Aire de Service, de Sécurité et de Repos"(ASSR) eo Ambalamanakana, eo amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 283, Distrikan'Ambositra, Farita Amoron'i Mania, izay ho sahanin'ny "Station - Service et Boutique SHELL Ambalamanakana".

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo fitsipika sy fomba fiasa amin'ny fandraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ireo tamby azo avy amin'ny fanesorana ireo olona voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny "voie rapide" mampifandray ny seranan-tsambon'i Toamasina sy ny lalam pirenena faharoa

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny idiran'i Madagasikara amin'ny "Coalition mondiale pour la Justice Sociale." Nandritra ny fihaonana an-tampony momba ny asa izay natao ny volana jona 2023, dia niray feo ireo mpitondra fanjakana maneran-tany, anisan'izany ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny hanamafisana ireo hetsika ara-sosialy ao anatin'ireo politikam-panjakana. Nanaiky ny filankevi pitantanan'ny Vondrona Iraisam-pirenena ho an'ny Asa (OIT) fa mila hampitomboana ireo ezaka hamahana ireo tsy fahampiana amin'ny rariny ara-sosialy sy hanafainganana ny fanatanterahana ireo tanjona lovain-jafy (ODD) ankatoky ny taona 2030. Izany indrindra no nananganana ny "Coalition pour la Justice sociale" mba hahafahana miady amin'ireo tsy fitoviana sy ny fanavakavahana, hiantohana ny zon’ny asa sy ny zo maha olona, hampiroboroboana ny asa sy ireo orinasa lovain-jafy, hanamafisana ny fiahiana ara sosialy ary hanohanana ny fanovana ara-drariny sy ny lafiny sosialin'ny fandrosoana lovain-jafy. I Madagasikara dia efa nanolo-tena hampiroborobo ny rariny ara-sosialy ary mariky izany ny fidirana amin'izany vondrona izany, izay mifanindran-dalana ihany koa amin'ireo laharam-pahamehana ara-toekarena, sosialy sy ara tontolo iainana.

    MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'i Madagasikara ny andiany faharoa amin'ny Fihaonamben'ireo tanora Afrikanina momba ny toekarena manga (Forum des Jeunes Africaines sur l’Economie Bleue) na FOJAEB 2025 any Toliara, ny 17 hatramin’ny 19 avril 2025. Tanjon'izany fihaonana izany ny hanentanana ireo tanora amin'ireo asa manodidina ny toekarena manga, ny famoronana asa sy hanenana ny tahan'ny tsy fananan'asa amin'ireo tanora, ny fifampizarana traikefa amin'ireo tanora afrikanina ary ny fanetsehana ireo mpiara-miombon’antoka sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. 

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanavaozana ny fifanaraham piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran'ny jono sy ny toekarena manga sy ny Fikambanana Japan Tuna.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana sorabola amin'ny "Alimentation en Eau dans le Sud" (AES) handoavana ireo karama volana novambra sy desambra 2024

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fampiasana ireo "revenus carbone" ho an'ireo kaominina misitrika izany ao anatin’ny fandaharan'asa REDD + « Atiala Atsinanana ». Mitentina 39,56 miliara Ariary no azon'i Madagasikara amin'ny fampihenana ny fipariahan'ny karibaonina ny taona 2020. Ny kaominina tsirairay dia mamolavola drafitra momba ny fampiasana ny vola (PLUT) ary voafaritra ao anatin'izany ireo asa hatao, ireo tanjona ary ny tetibola, izay efa nifampidinihana amin'ireo manampahefana eny ifotony sy nasionaly. Ireo drafitra ireo dia hankatoavina aorian'ny fanadihadiana ara-teknika, mba hahafahana miantoka ny fampifanarahana azy ireo amin'ny tanjona REDD+, ny mangarahara ary ny fitantanana eny ifotony.

  • III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara ho tombontsoan'ny be sy ny maro ireo asa fanamboarana ny tetikasa LAC IARIVO ary ny fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na amin’ny fanesorana ny fizaka manana ireo ampahan-tany sy/na trano voakasiky ny asa.

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOMANANJO Solohery Vatosoa Nandrianina, ho "Directeur des Ressources Humaines".

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-862 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry ny Général de Brigade ANDRIAMASINORO Fanjanirina, ho "Directeur du Service National et de la Gestion des Réserves"

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa LALANIRINA Brigitte, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana tany ary ny fananan-tany Fitovinany
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRATSIMBA Gilbert Vonjinomenjanahary, ho Tale Jeneralin'ny sampan-draharahan’ny fananan-tany

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-289 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an-dRamatoa BAZEZY Jeannie Cylliah, ho "Directeur des Etudes et de Suivi des Projets et Partenariats auprès de l’Unité de Coordination Générale des Projets et Partenariats"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1567 tamin'ny 14 aogositra 2019 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAMONJISOA Jean Marc, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran'Antsiranana I.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIAMBAKAINA Diana, ho "Directeur de la Formation et de la Recherche de l’Institut National de la Santé Publique et Communautaire"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-613 tamin'ny 13 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMINDO Gaëtan, ho Sekretera Jeneraly.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-937 tamin'ny 02 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RASOLOFONIAINA Ny Antsa Alisandy Itokiana, ho "Directeur de l’Appui aux Investissements Touristiques"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-936 tamin'ny 11 avrily 2024 ary manendry an-dRamatoa VOAHANGINIRINA Léonnie Marcelline, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Fitovinany.

    MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-917 tamin'ny 15 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Panan’Irina Lodvig, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana Itasy.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 342 tamin'ny 21 feborary 2024 ary manendry an-dRamatoa BAKOHARIMANANA Nirina, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Vakinankaratra
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-965 tamin'ny 17 avrily 2024 nanendry ny "Directeur des Concours Financiers de l’Etat"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-573 tamin'ny 17 may 2023 nanendry ny "Directeur des Recherches et Développement du Fonds National Foncier" (FNF).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-590 tamin'ny 13 mars 2024 nanendry ny "Directeur Général du Fonds National Foncier" ou FNF.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-665 tamin'ny 20 marsa 2024 nanendry ny Prefet an'Antsiranana I

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1564 tamin'ny 23 novambra 2022 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Sofia.

    MINISITERAN'NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1565 tamin'ny 23 novambra 2022, manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2022-687 tamin'ny 11 may 2022, laharana faha 2022-915 tamin'ny 15 jona 2022 nanendry ny "Responsable de l’Unité de Coordination des Projets et des Partenariats"

  

Natao ny 18 Desambra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika