Vaindohan-draharahan-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny lafiny sôsialy sy ny fifanohanana. Tamin’ny fiomanana amin'ny fiatrehana ny rivodoza GEZANI dia efa nandray anjara ny tenany ary taorian’ny takaitra nahazo ny Faritra Atsinanana dia naneho firaisan-kina ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny ekipa mpiara-miasa aminy tamin’ny alalan’ny fandehanana ifotony tany Toamasina nanomboka ny 15 febroary 2026.
Ny asa dia nifantoka tamin’ny vonjy taitra sy ny fandaminana niaraka tamin’ny kômity mpanatanteraka. Nandritra izany no nizaràna vary, tafo fanitso, fanampiana ara-bola ho an’ireo fianakaviana tra-boina mba hanamaivanana ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo.
Teo koa ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ho an’ireo naratra sy fanomezana fanafody ary ny fanatanterahana asa tanamaro, fanadiovana ny lakandrano sy ny lalan-drano. Tanjona ny hahafahan’ny mponina miverina haingana amin’ny fiainany andavanandro.
Tao anatin’ny herinandro maromaro dia maro ny hetsika ho fitsinjovana ny mpiara-belona nataon-dRamatoa vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana niaraka tamin'ny mpiara-miasa aminy. Tanjona tamin’izany ny fanehoana fifanampiana sy ny firaisankina fa indrindra mikendry ireo izay tena mila fanohanana. Endrika samihafa no nisehoan’ny asa : fanohanana tamin’ny alalan’ny sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny andavanandro, teo koa ny fanomezana fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy ary ny asa iombonana (HIMO). Voakasika mivantana amin’ireo hetsika ny tokantrano marefo, ireo ivon-toerana mikarakara ny zokiolona sy ny ankizy ary ny olona manana fahasembanana.
Araka izany, nandritra ny volana desambra 2025 sy janoary 2026 dia miisa 14529 ireo olona nisitraka fanampiana tamin’ny alalan’ireo hetsika natao tany amin’ireo toerana samihafa : FKT 3G Hangar, FKT Antohomadinika , Akanin’ny zaza kamboty ambany fiahian’ny Pôlisim-pirenena ao Ambatolampy, Behoririka (Dos de Chamsul), Arivonimamo, FLM 67 Ha, Ambohidratrimo, Ambohimanambola, Iavoloha, Anjohy Tana II, Ambatolampy Ambohijanaka, Ambohipeno Amoronakona, Antetezana Iavoloha, Vontovorona, Antsahameva Andraisoro, Ambohitsoa Andraisoro, Ambohitsimeloka Ambohimanambola, Tsaranierana Andraisoro, Akorondrano Andranomahery, Ankatso, Manohisoa Alasora, Ambatofotsy Tsiafahy, Alasora Ampahibato, Behenjy (Paroisse catholique), Ivatobe / Alatsinainy Ambazaha. Vary 153,7 taonina, siramamy 340 kilao, "kits scolaires" ary seza voatokana ho an’ny marary sy ny olona manana fahasembanana no nozaraina nandritra izay roa volana farany izay.
Mankasitraka ny mpiara-miombonantoka hatrany amin’ny fanohanana sy fanatrarana ny tanjona iombonana dia ny hanampy ireo mpiray tanindrazana marefo.
