Taorian’ny antso nataon’ireo vehivavy niteraka tao amin’ny Hopitaly fiterahana Befelatanana, manoloana ny fahasahiranan’izy ireo, dia tonga teny an-toerana Ramatoa RANDRIANIRINA Elisa notronin’ireo mpiara-miasa aminy, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, androany 07 mey 2026. Tafiditra hatrany amin’ny asa sosialy iandraiketan-dRamatoa vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny fiahiana ireo vehivavy bevohoka sy hiatrika fiterahana ka nandray andraikitra avy hatrany ny tenany nandoa ny trosan’ireo vehivavy voalaza fa tsy afaka niala ny toeram-pitsaboana.
Ankoatra izay dia nanolotra kojakojam-piterahana ilaina amin’ny fandidiana 250 koa ny tenany.
«Vonona hatrany ny hijery sy hanatsara ny fahasalamam-bahoaka ary hamaly ny filan’ireo olona izahay», hoy kosa Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Tamin’ny taona 1957 no nisokatra ny Hopitaly fiterahana Befelatanana ary ankehitriny dia manodidina ny 16 hatramin’ny 20 isan’andro ireo vehivavy tonga hiteraka ao, araka ny nambaran’ny Talen’ny Hopitaly, Pr Randriambololona Domoina Aurelia. Marihina fa maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ao amin’ity ivontoeram-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana ity ka ny fanafody ihany no iantohan’ny marary.
