Tao anatin'ny fitsidihana izay nataon'ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël tany Malabo, Guinée Équatoriale, dia nijery ifotony ny Ivon-toerana lehiben'ny mamokatra solitany sy entona ny tenany. Ivon-toerana izay nampisondrotra avo ny harin-karena faobe ary nandray anjara lehibe tamin'ny fanavaozana ara-toekarena tao Guinée Équatoriale teo amin'ny sehatry ny fitrandrahana solitany sy entona voajanahary.

 

Efa ho 30 taona izao no nisian'ny asa fikarohana, fitrandrahana ary famokarana, ka nahitana fiantraikany mivaingana amin'ny rafitra ara-toekarena sy ny fidiram-bolan'ny Fanjakana Gineanina.

Araka ny angon-drakitra azo, manodidina ny 14 500 barila isan’andro ny vokatra solitany avy amin'ireo toeram-pitrandrahana roa miorina ao Malabo.

 

Ho an'ny entona voajanahary kosa dia mahatratra 20 000 metatra toratelo isan’andro ny famokarana. Fitrandrahana an-dranomasina (offshore) no tena ampiharina, miaraka amin'ny fotodrafitrasa midadasika amin'ny sehatry ny fanodinana sy fitehirizana. Mahatratra 136 000 m³ ny fahafahana mitahiry solitany, ary tanterahina ihany koa ny sivy andro ny famindrana sy fanondranana amin'ny alalan'ny sambo. Ny toby indostrialy ao Punta Europa dia isan'ny ivon-toerana stratejika amin'izany asa izany.

 

Nandritra ny fitsidihany ôfisialy teto Malabo dia nijery ifotony ity toby ity ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Nambarany fa mampametra-panontaniana ny tsy fahafahan’i Madagasikara mampivelatra sehatra mitovitovy amin’izany, ka ilaina ny fandinihana lalina momba ny fahafaha-manao, indrindra eo amin’ny lafiny fiaraha-miasa iraisampirenena sy ny fikarohana loharanon-karena vaovao ankoatra ireo efa voamarina.