Nitsidika ny ivon-toeram-pamokarana sy fikarohana mahakasika ny "drone" ny delegasiônina malagasy notarihin'ny Filohan'ny Fanaovaozana mivady tao amin'ny UAW na " Unmanned Aerial World" eto Moscou, renivohitr'i Rosia. Ity Firenena ity izay efa lasa lavitra amin’ny fikarohana "drone" ary manana ny hiaka farany.
Naseho sy naranty tamin'ireo delegasiônina malagasy ireo "drones" vitan'i Rosia.
Nandritra izao fitsidihana izao koa no nanehoan'izy ireo ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ity ivon-toerana ity amin'ny fampiasana "drone", izay azo ampiasaina tsara hampandrosoana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra marolafy toy ny angovo, fambolena, sy ny maro hafa.
Naneho fahavononana hiara-hiasa amin'i Madagasikara avy hatrany izy ireo. Fahavononana hiara-hiasa izay nankasitrahan'ny Filoha, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël.
Taorian'izao fitsidihana izao moa dia nitodi-doha avy hatrany niverina an-tanindrazana ny delegasiona malagasy notarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana.
