Ho tohin'ny fanamarihana ny lanonam-pahatsiarovana ny tolona nataon’ireo tia Tanindrazana tamin'ny 29 Mars 1947 izay feno 79 taona androany dia nanatanteraka fametrahana voninkazo teto amin'ny Fasan'ny Mahery Fo, teto Ampanihifana Moramanga ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, mivady.

 

Teto Moramanga koa no nanaovany lahateny ho fisaorana ireo be kotro maro holatra tamin'ny fitiavan-tanindrazana nasehon'izy ireo.

"Ny fitiavan-tanindrazana no ivon'ny tolom-piavotana. Io fitiavan-tanindrazana io no niteraka ny fahasahiana hanoherana ny mpanjanaka na dia tsy mifandanja velively aza ny hery teo am-pelatanana. Ny tanjona dia ny mba ahitana an'i Madagasikara sy ny taranaka Malagasy ho afa-patorana sy ho afaka tao anatin'ny haizina mangitsokitsoka ny fanandevozana", hoy ny Filohan'ny Fanavaozana.

 

Nametra-panontaniana koa ny Filoha mikasika ireo aina nafoy tamin'izany:
"nankaiza ny vidin’ireo ra latsaka sy aina nafoy ary takaitra nozokain’ireo mahery fo? Mba hita soritra tokoa ve ankehitriny ny tolona nentina nitatimatesan'ireo fahiny?"

 

Nomarihiny fa raha firaisankina sy firaisam-po no nentina nitolona nanavotana an'i Madagasikara tamin'izany dia lasa fizarazarana sy fisaraham-bazana noho ny fitiavan-tena, fitiavam-bola ary fitiavan-karena no mahazo laka ankehitriny kanefa ny firenena manana vahoaka voazarazara, hoy izy, dia farahidininy indridra maneran-tany.

 

Niantso fifanomezan-tanana sy fifanohanana ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël manoloana ny fizarazarana sy ny faminganiana ara-pôlitika. Ny fahantrana, hoy izy, no fahavalo iraisana ary ny tanjona iombonana dia ny fahaleovantena tena izy.

 

Nisaotra ireo ray aman-dreny, be kotro maro holatra, tamin'ny fitiavan-tanindrazana nasehon'izy ireo ny Filohan'ny Fanavaozana, RANDRIANIRINA Michaël. Ankoatra ny fitsaboana maimaim-poana sy ny famerenana ny saram-pitsaboana rehetra lanin'izy ireo dia nampiakarin’ny 50% ny fisotroan-dronono ho azy ireo. Nisaotra sy nankahery ireo hery fiarovana koa ny tenany amin'ny adidy lehibe iandraiketany.

 

Farany, nanentana ireo tompon’andraikitra-panjakana rehetra ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël mba tsy handray kolikoly:
"Tsarovy fa isaky ny mandray kolikoly ianareo dia fanitsakitsahana ny ra latsaka sy ny ain’ireo razambentsika niady tamin'ny tolom-piavotana izany."

 

Nampahatsiahiviny ny zava-nisy tamin'ny 25 septambra 2025. Nijoro ny tanora, hoy izy, satria nahatsapa tena ho mbola voazanaka indray:
"Nisy ny ran'ny tanora latsaka tamin'ireny koa nanentana ireo tanora ankehitriny ny Filoha ho saro-piaro amin'ny tolona nataon’ny sy handray andraikitra satria izy ireo no hoavin’ity Firenena ity atsy ho atsy. Izahay be resaka etsy sy eroa io efa handeha retirety avokoa, raha tsy efa retirety aza ny sasany. Satria ve ianareo tsy nahazo toeram-piasana dia tsy mety ilay Fanavaozana? Miezaka izahay manavao, miady amin'ny kolikoly. Fa ny an'ny sasany rehefa tsy mahazo toeram-piasana dia lazainy fa tsy mety ilay Fanavaozana."

 

"Avelao ho an'ny tanora ny sehatra. Avelao ny tanora no hitondra an'io pôlitika io. Avelao ny tanora no hitondra io Fanjakana io fa lasa mandeha lalan-kafa ny nieritreretantsika ity Fanavaozana ity. Mijoroa ry tanora, mijoroa ho an'ity Tanindrazana ity fa izahay afaka 5 na 10 taona eo dia hisotro ronono daholo. Aza manaiky vidiam-bola dia manao fanambarana anatiny Facebook amin'ny zavatra tsy maharesy lahatra anao akory", hoy hatrany ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël.

 

Taorian'izay dia nitsidika ny « Akany fiadanantsoa » izay natao hitahirizana ireo mpiray tanindrazana nitolona sisa tavela ny Filohan'ny Fanavaozana mivady. Ity akany ity izay vao naorina taona vitsy lasa izay nefa dia potika sahady ankehitriny, hoy ny tompon’andraikitra.