Dingana lehibe eo amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, indrindra amin’ny fampivoarana ny fitsaboana ny homamiadana, ny natao androany teto amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra.
Notanterahina androany ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy izay nosoloan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tena, Dr MANAGNA Monira, sy ny vondrona Mpithi Holdings avy any Afrika Atsimo izay tarihin’I Dr. Nkanyiso Johnson Zwane, mikasika ny fananganana toeram-pitsaboana manokana ho an’ny homamiadana eto Madagasikara.
Mbola isan’ny olana ara-pahasalamana goavana atrehin’ny Firenena ny fitsaboana ny homamiadana. Maro ireo antony mahatonga izany toe-draharaha izany, isan’izany ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny loharanom-bola, ny fahataran’ny fahazoana fitsaboana, ny halaviran’ny toeram-pitsaboana ho an’ny maro, fa indrindra ny halafon’ny saram-pitsaboana. Vokatr’izany dia mbola voafetra ho an’ny olona manana fahafahana ara-bola ihany ny fahazoana fitsaboana sahaza, izay tombanana ho manodidina ny 7.000 euros ny saran’ny fitsaboana ho an’ny marary iray.
Ity tetikasa ity dia miompana amin’ny fanorenana tobim-pahasalamana eto Antananarivo, ahitana fitaovana manaraka ny fenitra iraisampirenena, toy ny IRM, ny « radiothérapie », ary ireo tekinôlôjia maoderina hafa ilaina amin’ny fitsaboana ny homamiadana.
Ankoatra ny fananganana fotodrafitrasa, tanjona lehibe koa, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana, RANDRIANIRINA Michaël, ny fametrahana rafitra ara-pahasalamana feno sy maharitra, manomboka amin’ny fitiliana, ny fitsaboana manaraka ny fenitra iraisampirenena, hatramin’ny fanaraha-maso ireo marary.
Nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana fa « (...) misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Firenena rehetra Madagasikara rehefa lohalaharana ao anatin’izany fiaraha-miasa izany ny Vahoaka Malagasy. »
Ny tanjon’izao fiaraha-miasa izao dia ny hahafahan’ireo mararin’ny homamiadana mitsabo tena eto an-toerana, akaikin’ny fianakaviany, amin’ny alalan’ny fitsaboana tsara kalitao ary manaja ny maha-olombelona.
Nanao antso avo araka izany ny Filohan’ny Fanavaozana amin’ireo minisitera voakasika sy ireo mpiara-miombonantoka rehetra mba handray anjara feno sy haneho fahavononana amin’ny fanatanterahana ity tetikasa stratejika ity ho tombontsoan’ny Vahoaka Malagasy.
