FAMPITAM - BAOVAO

Filoha RANDRIANIRINA Michaël - "... Tsy natao hahakivy ny tsikera maro sy ny fanenjehana..."

 

"Taonan'ny asa ity taona 2026 ity", hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, RANDRIANIRINA Michaël, raha nandray ireo tomponandraiki-panjakana sy lehiben'ny Andrimpanjakana ny alatsinainy 5 Janoary 2026. Araka ny fomba fanao rehefa tonon-taona toy izao, dia tonga niarahaba ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara mivady teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, amin'ny maha Raiamandrenin'ny Firenena azy, ireo Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika izay nombam-bady avy.

Taorian'izay dia nanao tohivakana ny fiarahabana ny Filoham-panjakana mivady sy ireo Mpanolotsaina avo efatra mirahalahy, miaraka amin'ny vadiny avy, nataon'ireo tomponandraikitra ambony eto amin'ny Firenena, nahitana an' :

  • ireo mpiara-miasa eto anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana izay notarihin'ny Sekretera Jeneraly,
  • ireo mpikambana ao amin'ny Goverinemanta notarihin'ny Praiminisitra, lehiben'ny Goverinemanta,
  • ireo mpikambana ao amin'ny Antenimierandoholona notarihin'ny Filohany,
  • ireo mpikambana eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana notarihin'ny Filohany ihany koa.

Na dia nandalo fotoan-tsarotra aza ny Firenena tamin'iny taona 2025 iny, dia nanamafy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, RANDRIANIRINA Michaël, fa "mbola betsaka ny asa sy fanamby miandry amin'izao taona vaovao izao."

Nambarany ihany koa fa ". na eo aza ireo fanenjehana sy ny tsikera maro, dia tsy natao hahakivy ireny fa vao maika entina hanamafisana ny finiavana hanatanteraka ny tsara kokoa eo amin'ny andraikitra napetraka amin'ny tsirairay."

Notsiahiviny koa teto fa "hiatrika ny fikaonandoham-pirenena isika izao, izay fototra sy antoky ny famolavolana ny tondrozotra ho amin'ny firosoana amin'ny fifidianana ho amin'ny Repoblika fahadimy."

Nandritra ireo fifampiarahabana nifanesy dia nanterin'ny Filoham-panjakana hatrany ny faniriany "mba ho taona ijoroan'ny fiarahamiasa, ny fifankatiavana ary ny fifankazahoana am-po, lavitry ny kajikajy politika", izao taona vaovao izao mba ho tombotsoan'ny Firenena sy ny vahoaka malagasy.

Antananarivo, faha 05 janoary 2026


Rahajason Harry Laurent
Talen'ny Serasera
eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika