Ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël
« …Misokatra amin’ny fiarahamiasa anaty fifanarahana madio i Madagasikara… »
Ny 9 janoary 2026, noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2026 dia tonga niarahaba an’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, RANDRIANIRINA Michaël, sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana tety amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Vondron’ny Diplômaty miasa eto Madagasikara.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony Andriamatoa Caabi Elyachroutu Mohamed, Sojaben’ny Diplômaty sady mpitondratenin’ny Vondron’ny Diplômaty eto Madagasikara, dia nampahatsiahy fa nitondra lesona ho an’ny rehetra ny Vahoaka Malagasy ary afaka mitroatra manoloana ny tsy rariny. Nankasitraka ny finiavan’ny fitondrana mijoro ankehitriny kosa ny tenany amin’ny fanomezana lanja ny fifanakalozan kevitra sy ny fisokafana amin’ny fitadiavam-bahaolana, indrindra ny amin’ny lafiny pôlitika. Nankasitrahan’izy ireo ihany koa ny ezaka ataon’ny Fanjakana amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ny ady amin’ny fahantrana, indrindra ny famaliana ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy amin’ny famahana ny olan’ny jiro sy ny rano.
Ankilan’izay kosa, « …Tsy fahatapahana na fononteny pôlitika no nisy teto fa fandraisana andraikitra hikendrena fiainana tsaratsara kokoa ho an’ny vahoaka Malagasy… » hoy ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël. Nambarany koa fa « …hatao anaty fisokafana sy fifanakalozana ny fitadiavam-bahaolana…, hatao laharam-pahamehana ny fanaingana ny toekarem-pirenena amin’ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra sy rano fitsotro madio, fanamafisana ny ady amin’ny fahantrana, ny famoronana asa ho an’ny vahoaka Malagasy ary ny fitrandrahana ireo harena voajanahary mifototra amin’ny fifanarahana ara-drariny sy ahazoan’ny rehetra tombony ». Ankoatra izay dia mbola nanamafy Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa « … misokatra amin’ny fiarahamiasa i Madagasikara, anaty fifanarahana madio sy tsy misy fitsabahana. »
Saika nahatonga solontena teto amin’ity lanonana ity avokoa ireo firenena sy vondrona iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara. Izany dia manamafy fa eken’izao tontolo izao ny Fitondrana mijoro ankehitriny ary maneho ny fahavononan’izy ireo hiara-hiasa amin’i Madagasikara. Teo am-pamaranana ny lahateniny dia tsy nohadinoin’ny Filoham panjakana ny nisaotra ireo tanora naneho fahasahiana sy ny finiavan’izy ireo hampandroso ny Firenena.
Antananarivo, faha 09 janoary 2026
Rahajason Harry Laurent
Talen’ny Serasera
eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika
