FAMPITAM-BAOVAO

Filoha RANDRIANIRINA Michaël

Miantso fifanampiana sy fifampitokisana

"... Asa lehibe sady goavana no miandry antsika satria tery ny fotoana, isika anefa tsy maintsy mandroso malaky ..." hoy ny Filohan'ny Fanavaizana ny Repoblika, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, nandritra ny fananganan-tsaina izay notanterahina teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny ALatsinainy faha-05 Janoary 2026.

Mba hahafahana manatenteraka izany dia " ... miantso ny rehetra amin'ny fifanampiana, ny firaisan-tsaina sy ny firaisam-po, fa indrindra ny fifampitokisana..." ny Filoha, RANDRIANIRINA Michaël.

Manoloana ny mpiasan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana teto, dia notsiahiviny fa maro ny vola afafy amin'izao fotoana izao, vola kendrena hanaovana fanakorontanana eto amin'ny Firenena. Ny fifampitokisana, araka izany, no antoka lehibe hahafahana miasa am-pilaminana mba hanatratrarana ireo tanjona lehibe napetraka hitondrana ny Firenena mandritra izao fotoanan'ny Fanavaozana izao.

Teto dia mbola nohararaotin'ny Filoham-panjakana ny nanazava tamin'ny mpiasa eto anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaizana ny Repoblika mikasika ilay "prime" 310 000 Ariary nomena ny mpiasam-panjakana." ... Ambim-bolam-panjakana iny nozaraina ho an'ny mpiasam-panjakana rehetra iny ..." hoy hatrany izy.

Ity fotoana ity ihany koa moa no fananganan-tsaina voalohany niarahan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ireo Mpanolotsaina avo efatra mirahalahy, tami'nny mpiasa eto anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Fotoana izay nampitana hafatra sy toromarika ho enti-manatenteraka ny andraikitra nankinina tamin'ny tsirairay.

Antananarivo, faha 05 janoary 2026

Rahajason Harry Laurent

Talen'ny Serasera

eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika