
Ry Vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana!
Amin-kafaliana indray no itsidihako ny tokantranonareo tsirairay avy, amin’izao andro famaranana ny taona izao.
Ny voalohan-teny dia ny fisaorana ilay Nahary noho ny fitantanany, ny fitsimbinany, ny hery sy tanjaka ary fahasalamana nomeny antsika tsirairay avy nandritra ity taona ity.
Hivalona tokoa ny taona 2025 ! Taona iray voarakitra amin’ny tantaran’i Madagasikara satria nitondra fiovana mahery vaika sy Fanavaozana ho an’ny firenena.
Raha hanao jery todika ny tolona niainantsika Malagasy tamin’ity taona 2025 ity isika, dia mampahatsiahy an’ireo maritiora niady tamin’ny Fanjanahantany. Ny Malagasy manerana ny Nosy sy hatrany dilambato no nitsangana ka « Tsy nanaiky lembenana».
- Nitsangana ireo tanora Zandry Zanaka Gen Z nitarika ny tolona tamin’ny 25 septambra, notronin’ireo “influenceurs” sy ireo mpanakanto.
- Nitsangana ireo Zoky raiamandreny sy ireo mpanao politika.
- Nitsangana ny Fiarahamonim-pirenena.
- Ary tsy niamboho adidy ny Tafika sy ny Foloalindahy, niaro ny vahoaka sy nisoroka ny « rà mandriaka».
Tolorako fisaorana sy fankasitrahana manokana ianareo rehetra nitolona sy nanao sorona ny tenanareo ho an’ny Firenena. Mankahery anareo ny tenako ary tsy manadino ireo fianakaviana rehetra namoy havan-tiana nandritra ny tolona. Mitrakà ry Malagasy havako fa tsy ataontsika raraka an-tany ny fanoloran-tena nataon’ireo maherifo rehetra nitolona.
Avy tany anaty haizim-pito isika ry havako no miezaka miarina sy mivoaka tsikelikely ary miandrandra fahazavana. Koa manasa antsika Mpiray Tanindrazana aho, hiray hina sy hiara-misalahy, mba hahatafavoaka antsika rehetra, miaraka, ho any amin’ny MAZAVA amin’ny alalan’ny FANAVAOZANA ny Firenena.
Manomboka izao ry Malagasy Havako dia aoka isika hifantoka amin’ny fanatanterahana ireo asa sy adidy miandry antsika ho an’ny Tanindrazana, fa tsy ho lany andro amin’ny adilahy politika sy ny fifandirana volen’ny Fahavalom-pirenena.
Tsy mivaona amin’ny tanjona nifanarahana ny tolona iraisantsika. Mazava ny lalan-kombana, dia ny firosoana amin’ny fanovan-drafitra amin’ny alalan’ny fikaonan-doham-pirenena, sy ny fananganana Repoblika fahadimy, ary ny fifidianana madio sy mangarahara.
Ry Vahoaka Malagasy !
Ny tonon-taona toy izao ihany koa no voatokana anaovana tombana ezaka. Mifanojo sy mifanindry amin’ny fe-potoana roa volana nomena iasan’ny Governemanta rahateo, ny vanim-potoana ankehitriny. Ka eo am-panatanterahana ny tombana ezaka sy ny fandinihana ireo antontanisa sy mari-drefy isan-karazany izahay ankehitriny.
Aorian’izay, araka ny soridalana napetraka tamin’ny fotoana nandrafetana ny governemanta, dia hisy ny fandraisana fepetra mikasika ny fitazonana amin’ny toerany, na ny fanoloana ny mpikambana anatin’ny governemanta tsirairay, na ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny.
Napetrakay mazava tsara hatrany am-boalohany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta fa « ny laharam pahamehana ho antsika dia ny mamaly ny hetahetam-bahoaka izay naverimberin'ireo mpitolona teny an-kianja » dia ny fisitrahana ny zo fototra.
Voalohany amin’ireny ny Jiro sy Rano ho an’ny vahoaka.
Iarahantsika mahita fa maro ny asa natomboka amin’ny famokarana herinaratra. Niroso tamin’ny fametrahana ny drafitra fohy ezaka ny tompon’andraikitra ka asa mivaingana maro no natomboka.
Raha tsiahivina dia 30 MW ny tsy fahampiana amin’ny famatsiana ny herinaratra teto Antananarivo tamin’ny fotoana nandraisanay fahefana. Efa niampy 20 MW ny famokarana tao aorian’ny fanamboarana ireo milina 3 mpamokatra herinaratra eo anivon’ny JIRAMA. Eo koa ny « Transformateurs » miisa 28 izay napetraka teny an-toerana.
Tsy latsa-danja tamin’izany ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite manerana ny Nosy izay efa nisitraka ny famatsiana « panneaux solaires » miisa 370 manana tanjaka 590 KW, « onduleurs » 6 KVA miisa 40, « batteries » 7 KWH miisa 60 sy jiro 1500. Ary mba ho fanaraha-maso ireo fitaovana ireo dia efa napetraka ny « caméra de surveillance » miisa 144.
Efa nahazo vondrona herinaratra lehibe vaovao koa ny Distrikan’i Betroka, Ambovombe ary Ihosy ka tsy hisy intsony ny delestazy rehefa tafapetraka ireo fitaovana ireo.
Vokatr’ireo asa natao rehetra ireo, dia samy mahatsapa isika fa nihena ny delestazy amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara na dia tsy mbola foana tanteraka aza izany, ka dia mitohy hatrany ny asa.
Mbola hisy, noho izany, ny tetikasa « panneaux solaires » ho an’ny tokantrano tsirairay avy, izay hamidy ary azo aloa tsikelikely mandritra ny 5 hatramin’ny 7 taona, ka ny mpiasan’ny JIRAMA no mametaka ireo « panneaux solaires » ireo any amin’ny tokantrano izay mividy an’izany.
Tsy hiandry ela ihany koa fa amin’ny taona 2026 dia hiroso amin’ny dingana lavitra ezaka isika toy ny tetikasa Sahofika sy Volobe.
Mikasika ny rano dia anisan’ny asa mivaingana sy hita maso ny fametrahana ny « forages » teny amin’ny Oniversite miisa 7 manerana ny Nosy. Efa misitraka izany ireo mpianatra nitaky ireo zo fototra ireo ankehitriny, kanefa mbola tohizina hatrany ny asa. Tsara ho fantatra fa fitaovana sy fotodrafitrasa miisa 130 no voapetraka tao anatin’ny 2 volana eran’i Madagasikara. Miampy 215 000 noho izany ny Malagasy misitraka rano madio.
Ho an’ny eto Antananarivo manokana dia hanomboka tsy ho ela ny fanoloana tsikelikely ireo fantsona efa simba ka tsy ahafahan’ny rano ho tonga any amin’ny tokantrano tsirairay avy.
Mikasika ny fahalalahana maneho hevitra, izay fitakiana iray lehibe nohamafisin’ireo mpitolona dia azoko lazaina fa efa maro koa ny dingana vitantsika tao anatin’izay fe-potoana fohy niasana izay. Fa ny heveriko ho lehibe indrindra dia ny famoahana ireo gadra politika, nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo.
Hisy, noho izany, ny fanafoanana sazy feno sy manontolo ho an’ireo gadra politika. Mbola ampahany voalohany ihany no voakasiky ny didim-panjakana izay efa nivoaka amin’izao faran’ny taona izao, fa mbola hisy ny andiany manaraka rehefa vita ny fandinihana ny « dossier »-n’ny tsirairay.
Misy koa ny didim-panjakana manome fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja voakasik’izany.
Anisan’ny notakian’ny mpitolona teny an-kianja koa ny fanolorana eo anatrehan’ny fitsarana, ireo rehetra nahavanon doza teto amin’ny firenena nandritra ny taona maro, ary indrindra nandritra ny hetsi-bahoaka farany teo. Iarahantsika mahalala fa nataonay vain-dohan-draharaha izany fitakiana izany : mialohan’ny fananganana ny Governemanta aza dia efa nandefa iraka tany amin’ny Nosy Maurice izahay mba tsy hisian’ny tsimatimanota intsony !
Mbola mitohy ny ezaka amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fanaovana fanadihadiana eto an-toerana ireo rehetra nihoa-pefy.
Eo amin’izay sehatra iraisam-pirenena izay ihany dia singaniko manokana ny ezaka vitantsika tamin’ny fanamarinan-toerana sy ny fitohizan’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo firenena maro sy mpiara-miombona antoka rehetra. Efa miverina ny fitokisan’ny firenena rehetra sy ny mpamatsy vola an’i Madagasikara ankehitriny.
Mitohy koa ny fanendrena ny mpiara-miasa vaovao manerana ny Nosy. Tsy fizarana « gâteau » na mofomamy tahaka ny lazain’ny sasany akory sanatria no natao, fa dingana tsy maintsy lalovana ny fanoloana ireo tompon’andraikitra sasantsasany. Tsy maintsy arenina ny hadisoana rehetra satria hiroso amin’ny tena Fanavaozana no tanjona iombonantsika.
Eto aho dia mitodika aminareo Mpiasam-panjakana na Mpiasam bahoaka no marimarina kokoa.
Ireo ezaka rehetra notanisaiko teo dia tsy nisy tanteraka raha tsy teo ianareo. Noho izany indrindra no nandraisanay fanapahan-kevitra amin’ny fanolorana ny « prime manokana » mitentina 1 alina sy 3 hetsy Ariary, ho fankasitrahana ny asa vitanareo sy ho fanentanana anareo hiasa mafy sy hiasa tsara hatrany amin’ny fanompoana ny Tanindrazana sy ny mpiara-belona.
Mbola maro ireo adidy hosahanintsika ka izany indrindra no antony handraisana mpiasam-panjakana vaovao miisa 13 000 mahery amin’ny taona ho avy.
Ho fanampin’izany, dia hojerena manokana ny sata mifehy anareo mpiasam-bahoaka fa mila havoitra mazava kosa ao anatin’izany ny fahavononanareo hiala sy hiady amin’ny kolikoly, ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fandraisam-bahoaka.
Ampatsiahiviko fa anisan’ny fanamby napetrakay ho tanterahan’ny Governemanta koa :
- ny fanaovana ho Laharam-pahamehana ny Sosialim-bahoaka.
- Ny fiahiana ny Fahasalam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana fepetra hentitra ataon’ny Fanjakana, mba ho fiarovana ny vahoaka manoloana ny fisiana trangana nendran gidro na « variole du singe » na « Mpox » ao Mahajanga amin’izao fotoana izao.
- Ny fanatsarana ny kalitaon’ny Fampianarana. Raha ny eny amin’ny Anjerimanontolo manokana dia efa mandeha ny fametrahana « internet » maimaim-poana eny amin’ny Oniversitem-panjakana manerana an’i Madagasikara, ka afaka misitraka izany adiny telo ny mpianatra tsirairay, fa ny ambonin’izay no aloan’ny mpianatra vola.
- Ny fitandroana ny Fandriampahalemana. Hisy ary hatao ny tetikasa kavin’omby elektronika, mba hahafahana manatsara sy mampahomby ny ady amin’ny halatr’omby.
- Ny fametrahana paikady enti-mifehy ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro.
- Ny fanamboaran-dalana an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra amoahana ny vokatr’ireo Tantsaha.
- Ny famerenana amin’ny laoniny ny tahirimbola fikojakojana ny lalana.
- Ny fampitoviana lenta ny olom-pirenena amin’ny sehatry ny Fananan-tany…
- Ny fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny fampiakarana hatramin’ny 24 isan-jato ny tetibolan’ireo ratsamangaikan’ny Fanjakana Foibe sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
- Ny fampiakarana ireo tataon-ketra voatokana ho an’ny Kaominina sy ny Faritra azo avy amin’ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany.
- Ny fanatsarana ny seha-pambolena mampidi-bola vahiny toy ny lavanila.
- Hitohy koa ny tetikasa « digitalisation », ka ny tanjona lehibe ho tratrarina amin’io dia ny fanaovana karapanondro biometrika sy lisi-pifidianana nomerika, mba hahatrarantsika ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra.
- Sns sns……
Maro amin’ireo asa ireo no efa natomboka sy an-dalam panatanterahana.
Hamaranako izao lahateny izao, dia tsy hay ny tsy hitodika manokana aminareo tanora malagasy. Haiko loatra ny fitiavanareo ity tanindrazantsika ity izay nasehonareo tamin’ireny tolona ireny. Fantatro koa fa manan-talenta sy manam-pahaizana manokana ianareo amin’ny sehatra maro samihafa misy anareo.
Manainga anareo aho handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Mivondròna ianareo anaty fikambanana, manomàna tetikasa fampandrosoana ifotony amin’ny sehatra misy anareo avy. Fa ezahan’ny Fanjakana ny hanohanana ara bola ireo tetikasa mendrika ao anatin’ny fangaraharana tanteraka.
Ka dia mampahery antsika Malagasy mpiray Tanindrazana ny tenako. Mirary soa sy fanambinana ho an’ny isam-baravarana ka ho taona feno fitahiana sy fanomezam-pahasoavana ho antsika tsirairay avy anie ny taona 2026 ry Malagasy Havako.
Ho an’ny Tanindrazana !
