I. FAMPITANA AM-BAVA
MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MISAHANA NY FANAVAOZANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanendrena ny mpikambana ao amin'ny « Comité d'Experts » sy ny « Conseil de Sage » ary ny « Cercle de Réflexion des Jeunes », ho fiatrehana ny Fanavaozana sy ny Fikaonan-doham-pirenena.
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fikojakojana ireo fiaramanidina an'ny Tafika
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY
- Nankatoavina ny fampitam-baovao momba ny tatitry ny iraky ny SADC sy ny Vondrona Eoropeanina teto Madagasikara ny 22 hatramin'ny 25 oktobra, sy ny 6 hatramin'ny 12 novambra 2025, mikasika ny toe-draharaha politika sy ny fitoniana eto amin' ny Firenena.
- Nankatoavina ny fampitam-baovao momba ny fampahatsiahivana ny andraikitry ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny maha zava-dehibe ny fandrindrana ireo sehatrasa samihafa ifanaovan'ny Fanjakana malagasy amin'ny any ivelany.
MINISITERAN'NY FITSARANA
- Nankatoavina ny tatitry ny dian'ny delegasiona malagasy notarihin'ny Minisitry ny Fitsarana tany La Haye (Pays-Bas) ny 1 hatramin'ny 6 desambra 2025.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomanana ny andiany faharoa (2°phase) amin'ny Tetikasa ho fanohanana ny Fitsarana (Projet d'Appui à la Justice) eto Madagasikara.
MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana tantsoroka tekinika ho
fanohanana ny fifidianana, avy amin'ny Firenena mikambana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny paikady ho an'ireo mpiara-miombona antoka amin'ny Fanjakana malagasy ho fanaraha-maso an'ireo Orinasa manana endrika ara-panjakana.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fampiharana ny voalazan'ny Didim- panjakana laharana 2016-079 tamin'ny 03 febroary 2016 mamaritra an'ireo fepetra sy ny fombafomba hamoahana "Bons du Trésor Spéciaux" natokana ho an'ny fanonerana ny sorabola TVA any Ambatovy, antsoina hoe « BTS Ambatovy ».
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanangonana ny lisitr'ireo trosan'ny Fanjakana malagasy, hahafahana manadio azy ireo.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny pitsopitsony ara-tekinika sy ny fampiasana ireo famatsiam-bola avy any ivelany.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny asa fanarenana ny tranon'ny Tahirim- bolam-panjakana any Mananjary sy Nosy Varika (Vatovavy) ary Antalaha (SAVA).
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiatoana ny fangatahana ny tanin'ireo Orinasa manana endrika ara-panjakana (prescription acquisitive au détriment des sociétés à participation publique).
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanohizana indray ny « IMF Boeny »,izay horaisin'ny « IMF OTIV Diana » an-tanana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana eo anivon'ny Tafika malagasy, an'ireo tanora nahavita ny vava asa tanindrazana, tafiditra ao anatin'ny Fanavaozana.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana ny handoavan'ny Fanjakana malagasy indray mandritra ny herintaona, ny « Redevance de Concession » ho an'ny ADEMA, ho famaliana ny filina maika takin'ny fitandroana ny fifamoivoizana ana habakabaka.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanavaozana ny « Country Compact » ho an'ny taom-piasana 2025-2026.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny hetsika ara-pahasalamana hiadiana amin'ny aretina « bilharziose, filariose, cysticercose » amin' ity volana desambra 2025 ity.
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana ho anisan'ny afakaban-tseranana an'ireo kojakoja ara-pedagojika izay azo tamin'ny fanampiana maimaim-poana.
MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tetiandrom-panadinana 2026 avy amin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava mangataka ny fahazoan-dalana hampiasa ny vola azo avy amin' ny fahavitan'ny tetikasa AROPA (Projet d'Appui au Renforcement des Organisations Professionnelles et aux Services Agricoles) ho an'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny vokatry ny asan'ny Komity tekinika iraisan'ny minisitera mikasika ny famokarana lavanila sy ny fepetra horaisina ho fampiroboroboana indray io seha-pihariana io.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORANAFO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny varimangatsiakan'ny JIRAMA ho an'ny orinasa NEA Ambatolampy, NEA Sava et NEA Menabe.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanefana ny trosa ifanaovan'ny Fanjakana malagasy sy ny orinasa mpaninjara solika.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanatevenana ny tahirin-tsolika HFO (fuel oil) sy ny LFO (gasoil) isaky ny foibe famokarana herinaratry ny JRAMA mandritra ny fetin'ny faran'ny taona 2025.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fananganana sehatra nasionaly iray handinihana ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny lafiny angovo eto Madagasikara
- Nankatoavina ny fampiana am-bava momba fanavaozana ny falazoana « licences »
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fametrahana tetikasa fampitomboana ny tanjaky ny renirano Vohitra avy amin'ny reniranon'i Mangoro hahafahana mamatsy an'Andekaleka.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana hanao famandrihana sora-bola tapany faharoa (2º tranche) ho fampandehanana ny AES (Alimentation en Eau dans le Sud).
- Nankatoavina ny fampitana am-bava mikasika ny fandaminana ny fifaninanana "Fokontany Madio" eo anivon'ireo boriborintany enina ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA + MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomezan-dalana hitrandraka ny rano voajanahary (exploitation des eaux de source naturelle) an'ny orinasa STAR S.A, Ambatolampy, antsoina hoe « Eau cristalline », ao Manjakatompo, kaominina Tsiafajavona, distrikan' Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra.
MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana ny fanomezana aina indray ny « Comité Interministériel pour la Jeunesse » eo amin'ny sehatra rehetra.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana ny mbola hitazonan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny fitantanana ireo fotrodrafitrasa ara panatanjahantena sy ny tanora, mba hiantohana ny fitohizan-draharaha sy ny kalitaon'ny asam-panjakana.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanitsiana ny « taux de vacation » ho an'ireo mpiara-miasa amin'ny ORTM (Office de la Radio et de la Télévision publique de Madagascar).
II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY + MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA + MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO + MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY + MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA + MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY
- Noraisina ny didim-panjakana mamaritra ny tsipika fototra izay andrefesana ny sakan'ny faritra an-dranomasina isan-karazany eo ambanin'ny fahefana ara-pitsarana nasionalin'ny Repoblikan'i Madagasikara.
MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana mamaritra ny fepetra sy ny fomba fananganana ny Vaomieran'ny fanombanana ny fahaiza-manao, izay hafindra any amin'ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana miaraka amin'ny andraikitra mifandraika amin'izany.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY TETIBOLA
- Noraisina ny didim-panjakana mikasika ny famindrana ny fandoavana ny karama sy ny tambiny fanampiny ho an'ny mpiasan'ny "Autorité de Régulation des Marchés Publics" ho any amin' ny Tetibolam-panjakana Ankapobeny ary ny fampifanarahana ny rafitra fandraisan-karama.
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY TETIBOLA + MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Noraisina ny didim-panjakana manova ny andininy sasantsasany ao anatin'ny didim-panjakana laharana faha 2023-850 tamin'ny 05 jolay 2023 manome alalana ny fandraisana anjaran'ny Fanjakana Malagasy ao amin'ny renivolan'ny orinasa hatsangana « Société de Patrimoine Kianja Barea ».
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA
- Noraisina ny didim-panjakana amin' ny fananganana ny Oniversiten' Androna.
MINISITERAN'NY ASA VAVENTY
- Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao anatin' ny didim-panjakana laharana faha 2023-396 tamin'ny 12 aprily 2023 momba ny fanavaozana ny sata mifehy ny "Fonds Routiers" ary mamaritra ny fandaminana, ny fiasany sy ny andraikiny.
MINISITERAN'NY JONO SY NY TOKARENA MANGA
- Noraisina ny didim-panjakana manova ny andininy sasantsasany ao anatin'ny didim-panjakana laharana faha 2021-361 tamin'ny 31 martsa 2021 momba ny fandaminana ny fampiharana ny jono makamba amorontsiraka.
MINISITERAN' NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY TETIBOLA
- Noraisina ny didim-panjakana manova ny andininy sasantsasany ao anatin'ny didim-panjakana laharana faha 2024-960 tamin'ny 17 aprily 2024, manome alalana ny fandraisana anjaran'ny Fanjakana Malagasy ao amin'ny renivolan'ny orinasa hatsangana « Société d' exploitation, de gestion et de maintenance MIAMI S.A ».
III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
FIADIDIANA NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHAJASON Harry Laurent ho Tale misahana ny Serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa AUGUSTE Marius Arnaud Wilfried ho Tale misahana ny Tetiksan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa REALY Onitiana Voahariniaina, ho Talen'ny Kabinetra Sivily eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
PRIMATIORA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2020-1684 tamin'ny 09 Desambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAINIBE RANJAVELO Hely Fanja ho Mpandrindra Nasionalin' ny Birao Nasionaly misahana ny Sakafo sy ny Fanjarian-tsakafo (ONN).
MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MISAHANA NY FANAVAOZANA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOSON Andriantsiferana Jean Laurent, ho Tale Jeneraly misahana ny "Encadrements Stratégiques et Opérationnels" eo anivon'ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATOVONKERY Princy Ba-Hou, ho Tale misahana ny Maha olona eo anivon'ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIAMISATA Vonimalala Ony, ho Tale misahana ny "Affaires Juridiques" eo anivon'ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJAONARISON Hary Nantoanina, ho "Directeur de la Coordination de la Concertation" eo anivon'ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAFALIMANANA Andry Tiana Fenosoa, ho "Directeur des Encadrements de la Concertation" eo anivon'ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-727 tamin'ny 27 Martsa 2024 ary manendry ny Médecin-Colonel RATSIMBAZAFY Antso Mihamitiana, ho "Directeu" Général Adjoint du Centre Hospitalier de Soavinandriana" eo anivon' ny Minisiteran'ny Foloalindahy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-729 tamin'ny 27 Martsa 2024 ary manendry ny Médecin-Colonel BITENY Anicet, ho "Directeur Technique du Centre Hospitalier de Soavinandriana "eo anivon'ny Minisiteran' ny Foloalindahy.
MINISITERAN'NY ATITANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, ho Lehiben'ny Faritra mpisolo toerana an'i Vakinankaratra.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARINIRINA Clémence, ho Lehiben'ny Faritra mpisolo toerana an' Analamanga.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANARIVO Bertrand, ho Lehiben'ny Faritra mpisolo toerana an'Anosy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa DJAOSERA Irénée, ho Lehiben'ny Faritra mpisolo toerana Sofia.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHARIJAONA Djiby Jean Berthinot, ho Lehiben'ny Faritra mpisolo toerana an' Androy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMILAVONJY Tsiverihasy Tialy, ho Lehiben'ny Faritra mpisolo toeran 'Ihorombe.
MINISITERAN' NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Berthole, ho "Directeur des Grandes Entreprises au sein de la Direction Générale des Impôts " eo anivon'ny Minisiteran' ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-046 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIMANANA Tanteliniaina Jeannine, ho "Directeur des Affaires Juridiques et de Lutte contre la Fraude au sein de la Direction Générale des Douanes" eo anivon' ny Minisiteran' ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1173 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAJOELISON Andriamahazomanana Liva, ho "Directeur de la Législation Fiscale et du Contentieux au sein de la Direction Générale des Impôts" eo anivon'ny Minisiteran' ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-173 tamin'ny 22 febroary 2023 ary manendry an' Andriamatoa RAMANANKAMONJY Alain Brilland, ho "Directeur de la Surveillance Douanière au sein de la Direction Générale des Douanes" eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1364 tamin ny 28 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAMONJY Mamy Ny Aina, ho "Directeur de la Dette Publique au sein de la Direction Générale du Trésor" eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1176 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAFIDIMANANTSOA Herizo Stéphan, ho "Directeur de l'Audit Interne" eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1117 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RARIVOSON Andriatiana Maharo, ho "Directeur de la Programmation des Ressources au sein de la Direction Générale des Impôts" eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
MINISITERAN' NY FILAMINAM-BAHOAKA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-636 tamin'ny 04 may 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an' Analamanga eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1162 tamin' ny 16 septambra 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police TALILY Damy, Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Vakinankaratra eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1144 tamin'ny 03 aogositra 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RADANIELSON Andry Ny Aina, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'Itasy eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-838 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RAZAFIARSON Elutin, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Bongolava eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1001 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry ny Commissaire Principal de Police MORATAMBY Roger, Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Diana eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1002 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police GERVERIN Raelison, ho "Directeur Régional de la Sécurité Publique de SAVA" eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1295 tamin'ny 07 oktobra 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police LEKIRA RASOLOFONIRINA Liva Stéphane, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'Analanjirofo eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1118 tamin'ny 09 septambra 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RAMAROLAHY Daniel Jean, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Sofia eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1103 tamin'ny 08 may 2024 ary manendry ny Commissaire de Police RAWILLY
Michel, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Melaky eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka. - Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-843 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIAMBELOSON Orlando Nirina Rakotoharo, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Matsiatra Ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-839 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police MANDINIMANANA Hery Nirina, ho Talem-pantry ny Filaminam-bahoaka an'Amoron'i Mania eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1366 tamin'ny 28 septambra 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police TOMBO Jacky, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'Atsimo Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran 'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1039 tamin'ny 24 aprily 2024 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police ZAFIMANGASOA Gervais, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Fitovinany eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RANDRIAMAHASOA Pascal, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Vatovavy eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-845 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police TABALY Ramahefarilala Fabio, ho ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Menabe eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1287 tamin'ny 07 septambra 2022 ary manendry ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavintafika Vololonandro, ho Coordonnateur, Cheffe de l'Inspection Générale de la Police eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1036 tamun'ny 24 apnly 2024 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RAFANOMEZANTSOA Brunel, ho Directeur de la Police Economique eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1104 tamin'ny 08 may 2024 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RABENANDRASANA Jean Marcel, ho Directeur de la Police Judiciaire eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-707 tamin'ny 27 martsa 2024 ary manendry ny Commissaire Principal de Police OSTROM Whenss, ho "Directeur de la Recherche et de la Formation Continue" eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1003 tamin'ny 17 aprily 2024 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RAKOTOARIJAONA Faly, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an' Atsinanana eo anivon'ny Minisiteran' ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1294 tamin'ny 07 oktobra 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police de Première Classe RAKOTOVAO Jean Christian, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'Alaotra Mangoro eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1688 tamin'ny 09 desambra 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police FELOKONY Christ Noëlson, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Boeny eo anivon' ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-842 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police de Première Classe RAMBELOMANANA Grimond, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka an'i Betsiboka eo anivon'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJAONARISON Tolojanahary, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka an 'i Vakinankaratra.
MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-341 tamin'ny 10 may 2017 ary manendry an'Andriamatoa SOLOFOARISINA Wilfrid Chrysante, ho Directeur Général de l'Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-910 tamin'ny 15 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa JAONA Clément, ho Coordonnateur de la Cellule Anti-corruption.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1189 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Hanitra Harivola Clara, ho Directeur de 'Institut Malgache des Vaccins Vétérinaires(IMVAVET).
MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK'ASA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1697 tamin'ny 25 septambra 2024 ary manendry an' Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Jean Jacques Romuald, ho Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fano fanana arak'asa.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-629 tamin'ny 13 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIAINA Andriamanambina, ho Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy fano fanana arak'asa an'i Vakinankaratra.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-696 tamin'ny 11 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RABETALATA Chantal, ho Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy fanofanana arak'asa an'Itasy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-249 tamin'ny 03 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa ROSA Manampanahy Jeremiah, ho Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy fanofanana arak'asa an' Analanjirofo.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-919 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMISAINA Andriatsiory Tseheno, ho Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy fanofanana arak'asa an'Alaotra Mangoro.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHOLY HARIMINO Francesca Jenny, ho Tale misahana ny mpiasa eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOSON Tefinanahary, ho Directeur du Patrimoine et Logistique eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fano fanana arak'asa
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-703 tamin'ny 20 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RASOAHANITRINIAINA Théophile, ho Directeur de l'Ingénierie de Formation et Pédagogie eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-702 tamin'ny 20 martsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RASOLONIRINA Tsimanosika Olivier, ho Directeur des Evaluations Professionnelles et de la Validation des Acquis de l'Expérience eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa .
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-311 tamin'ny 21 febroary 2024 ary manendry an' Andriamatoa RANANJASON Laza Julias, ho Directeur de l'Orientation et de l'Insertion Professionnelle eo anivon'ny Minisiteran' ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-2016 tamin'ny 04 desambra 2024 ary manendry an' Andriamatoa RAMANAKANJA Fenoharimanana Freddy, ho Directeur des Relations Publiques eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa .
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa FELANJANAHARY Laingotahina, ho Directeur de l'Incubation Professionnelle eo anivon'ny Minisiteran' ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOZAFY Soatoly Larissa, ho Coordonnateur de la Cellule d'Audit Interne et de la Lutte contre la Corruption eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FIONONANTSOA Bon Espérance, ho Coordonnateur de la Cellule d'Enseignement Civique et Environnementale eo anivon'ny Minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONINDRINA Nambininjanahary Alice Honorette, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa an'I Bongolava.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa BOUDI Serdos Olivier, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa an'i Diana
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa CINTURATO Sebastia Jean Pierre, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa an'I Menabe.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa LALAONIRINA Olynah Joelle, ho Talem-paritry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa a n'Anosy.
MINISTERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Noraisinany didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Toarson, ho Tale Jeneralin'ny Fonds de Développement Agricole (FDA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RATOVOSON Arimino Navale, ho Directeur Général de la Digitalisation et de la Gouvernance des Données (DGDGD) eo anivon'ny Minisiteran' ny Fambolena sy ny Fiompiana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJAO HARILALA Serge Eric, ho Directeur Général de la Coordination des Projets, Programmes et Partenariats (DGCPP) eo anivon' ny Minisiteran' ny Fambolena sy ny Fiompiana
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHERIJAONA Noro Clara, ho Tale misahana ny Serasera eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NOROMALALA Fenosoa Ravaka, ho Directeur du Système d'Information et de la Digitalisation (DSID) eo anivon'ny Minisiteran' ny Fambolena sy ny Fiompiana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIAINA Herisoa Marinà, ho Directeur d'Appui à la Vulgarisation, à l'Entrepreneuriat et aux Financements (DAVEF) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-620 tamin'ny 13 desambra 2024 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANASANDRATRA Haingotiana Zo Harimamy, ho Directeur des Services Vétérinaires eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa TOVONOMENJANAHARY Isilovy Théogène Espoir, ho Tale misahana ny Raharaha sy ny Vola ny Centre de Lutte Antiacridienne de Madagascar (DAVEF) « Ivontoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara » (IFVM).
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1443 tamin'ny 04 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAKOTOMAMONJY Andrianantenaina, ho Tale Teknika ny Centre de Lutte Antiacridienne de Madagascar (DAVEF) « Ivontoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara » (IFVM).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa FINDRAMA MARINJAVA Luc Elson, ho Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana (DRAE) an'Atsimo Andrefana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MANJORAZA Ramarolahy José, ho Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana (DRAE) an' Androy.
MINISITERAN'NY INDOSTRIA SY NY FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRA TSY MIANKINA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAHERY Hanitsoa Ravo, ho Directeur des Projets, des Partenariats et de la Copération eo anivon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa FALIARIVONY Liliane Kezia, ho Directeur de la Promotion de l'Entreprenariat eo anivon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLOFOARIZAKA Felaniaina Vatosoa, ho Directeur de l'Innovation et des Infrastructures eo anivon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1651 tamin'ny 21 desambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RATOMPOARY Bienvenue Marcelle, ho Talem-paritry ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana an' Alaotra Mangoro.
MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR'ANDRO
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-406 tamin'ny 12 aprily 2023 ary manendry an-dRamatoa RAHARIVOLOLONA Maminirina Estel, ho Coordonnateur Général des Projets eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-874 tamin'ny 08 jona 2022 ary manendry an'ny Kolonely RASAMBOMANANA Yvon Patrick, ho Directeur des Transports Routiers eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-714 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAVELOSON Nestor Mamitiana, ho Directeur des Transports Ferroviaires eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISOA Faniry Alban, ho Tale Jeneralin'ny Aviation Civile de Madagascar.
MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORAN'AFO
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1423 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RATOVOMIHARINJANAHARY Nicolas, ho Directeur Inter régional an'i Mahajanga eo anivon'ny Minisiteran'ny Angovo sy Akoran'afo.
MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-148 tamin'ny 31 janoary 2024 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMBAZAFY David Andrianantenaina, ho Tale Jeneralin'ny Harena an-kibon'ny tany eo anivon'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MIKALY Andréas Alpha ho Directeur des Programmes, Suivi et Evaluation eo anivon'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany.
MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1019 tamin'ny 23 aogositra 2023 iii manendry an-dRamatoa RANDRIAMAHEFARILALA Rindra, ho Tale Jeneralin'ny Office Nationale de l'Environnement (ONE) eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Tainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RANDRIAMBOAVONJY Nicolas, ho Directeur d'Appui à la Promotion de l'Economie Verte et Bleue eo anivon'ny Minisiteran' ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-781 tamin'ny 16 jolay 2020 ary manendry an' Andriamatoa TSIRESY Edmond Clark, ho Coordinateur de l'Unité de Coordination de la Recherche, de l'Education et de la Formation eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana
Lovainjafy. - Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1059 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIMANANA Josette Evelyne Marcelle, ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy an'i Bongolava.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1059 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAHAINGONDRAHETY Volana Nasolo, ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy an'Itasy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1060 tamin'ny 30 aogositra 2023 ary manendry an' Andriamatoa LIFA Gérald, ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy an'1 SAVA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1054 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an' Andriamatoa RAJAONARIVO Marc Behaja, ho Talem-paritry ny Tontolo lainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy an'Analanjirofo.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1137 tamin'ny 09 septambra 2020 ary manendry an' Andriamatoa RAOBINANDRASANAMAHAIVONONA Christian, ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy an'I Matsiatra Ambony.
MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-373 tamin'ny 02 aprily 2025 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Andrianantenaina Zo, ho Directeur de la formation, du projet et du développement régional du Centre National de l'Artisanat Malagasy eo anivon'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asa tanana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-524 tamin'ny 06 martsa 2024 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMAHENINA Nirina Bienvenue, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana an' Atsinanana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an' Andriamatoa RAKOTOHARISOA Nasaina Donatien, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana an'Alaotra Mangoro.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-935 tamin'ny 11 aprily 2024 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOSOLOFO Nirina Mamisoa, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana an'i Matsiatra Ambony.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-579 tamin'ny 28 may 2025 ary manendry an-dRamatoa RABEMANANJARA Toky Harimalalatiana Emilienne, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana an'Amoron 'I Mania.
MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1114 tamin'ny 08 may 2024 ary manendry an' Andriamatoa TIANDRENY Hazara Jipaty, ho Talem-paritry ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana an'Atsimo Andrefana.
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJIMIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-530 tamin'ny 06 martsa 2024 ary manendry an' Andriamatoa INDRIAMIANDRAZARA Jao Vahatra, ho Directeur de la Conduite du Changement eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajimirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Kolonely RALAHY Herinirina Hajalalaina, ho Directeur de la Cellule Anti-Corruption eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajimirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ZERITINY, ho Talem-pantry ny Mponina sy ny Firaisankina an' Anosy
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa HANITRINIRINA LorSacia Tirinay, ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina an Thorombe.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MANDIMBISOA Manoela Jean, ho Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina an' Androy.
MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1600 tamin'ny 14 aogositra 2019 ary manendry an' Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Andriamaromanda Henintsoa Mitsinjoarivo, ho Coordonnateur de la Cellule de Coopération et de Partenariat eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1075 tamin'ny 02 may 2024 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMBAZAFY RATSIMIHETY Samuelson Ferdinand Gabriel, ho Tale des Etudes et Formation en Multimédia eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFITRIMO Toavintsihoarana Ranto, ho Tale des Arts et de la Promotion Artistique eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa LAHINIRIKO Denis Alexandre, ho Directeur du Patrimoine eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-907 tamin'ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIVONY Fanomezantsoa Tsinjonirina Lalaina, ho Directeur de l'Identité Culturelle eo anivon'ny Minisiteran' ny Serasera sy ny Kolontsaina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMANDRESY Tianahanantsoa, ho Talen'ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an'ny Faritra Analamanga.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMANANDRAISOA Hanitriniaina Franckline, ho Talen'ny Serasera sy ny Kolontsaina an'ny Faritra Itasy
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-037 tamin'ny 15 janoary 2025 ary manendry an'Andriamatoa NOMENJANAHARY Théodore Rakotovao, ho Tale Jeneralin'ny Kolontsaina eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1892 tamin'ny 06 novambra 2024 ary manendry an'Andriamatoa RABEKOTO Christian, ho Tale Jeneralin' ny Office National des Arts et de la Culture (OFNAC) eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-049 tamin'ny janoary manendry an' Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Mendrika Mitia, ho Coordonnateur de la Cellule de Coordination de Contrôle Interne eo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN NY FOLOALINDAHY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1092 tamin'ny 08 septambra 2023 manendry ny Talen-tsekolin' ny Etamazaoro.
MINISITERAN'NY ATITANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-024 tamin'ny 17 janoary 2025 manendry ny Tale Jeneralin'ny Institut National de la Décentralisation et de Développement Local ny Minisiteran'ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana.
MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-271 tamin'ny 21 febroary 2024 manendry ny Partenariats et Relation avec les Institutions ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1689 tamin'ny 08 desambra 2025 manendry ny Tale misahana ny Raharaha sy ny Vola an'ny Agence Nationale d'Appui au Logement et à l'Habitat (ANALOGH).
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana manendry ny Sekretera Jeneraly, Tale Jeneraly sy ireo Tale rehetra eo anivon'ny Secrétariat d'Etat en charge des Nouvelles Villes et de l'Habitat auprès de la Présidence de la République.
MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Talem-paritry my Fahasalamam-bahoaka an'Atsinanana.
MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-1722 tamin'ny 08 desambra 2025 manendry ny Directeur de la Communication, du Système d'Information et de la Digitalisation (DCSID) eo anivon'ny Minisiteran' ny Fambolena sy ny Fiompiana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-860 tamin'ny 06 aogositra 2025 manendry ny Coordonnateur des Projets et Partenariats (CGPP) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-619 tamin'ny 13 martsa 2024 manendry ny Directeur de la Vulgarisation et de la Professionnalisation des Producteurs (DVPP) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN' ASA SY NY ASAM-PANJAKANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1792 tamin'ny 18 septambra 2019 manendry ny Directeur de la Formation Continue de l'Ecole Nationale d'Administration de Madagascar (ENAM).
MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJIMIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-3 tamin'ny 21 febroary 2024 manendry ny Tale Jeneralin'ny Opérations et de la Vulgarisation des TICs eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
V. SAMIHAFA
- Notapahana nandritra ny filankevitry ny Minisitra fa ho andro tsy hiasana fa handraisan-karama ny 02 janoary 2026.
- Nampatsiahivana nandritra ny Filan-kevitra ny tokony hanajana ireo fepetra entin' ny didy aman-dalàna mahakasika ny "perquisition", hisy ny naoty fampatsiahivana mahakasika izany.
Antananarivo, 22 desambra 2025,
Ny Fitaleavan'ny Serasera eo anivon'ny Fiadidian'ny Fanavaozana
ny Repoblikan'i Madagasikara