Nihaona tamin’ny Filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana Michaël RANDRIANIRINA, ny Dr Salim Ibrahim Bin Ahmed Mohamed Alnaqbi, Ambasadaoron’i Emirats Arabes Unis androany 20 novambra 2025, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Ity, fitsidihana am-pirahalahiana ity dia natao mba:
- hanamafisana indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, sy
- hametrahana miaraka ny làlana sy sehatra hiaraha-miasa amin’ny ho avy
Nodinihina nandritra ny fihaonana ity ihany koa :
- ny vahaolana maharitra momba ny olan’ny angovo,
- ny famahàna ny olan’ny famatsian-drano
- ny ady amin’ny kolikoly,
- ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny fahasalamana ho an’ny rehetra.
Ny Fanjakana Malagasy dia nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Emirats Arabes Unis ho an’ny fanavaozana sy fanorenana ny firenena.
