Nankalazaina androany 20 novambra 2025, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Ankizy. Nanatrika izany teny amin'ny kianjan'Alarobia ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
« Ny androko, ny zoko » no lohahevitra nentin'ireo ankizy miisa manodidina ny efajato (400), izay voasokajy ho miaina eny an-dalambe nanamarika ity fotoana ity.
Nohamafisin'Andriamatoa Lucien RABEARIMANANA, Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, fa : "Zava-poana ny fidradradradrana fanavaozana raha tsy mijery ny ankizy isika". Nandritra ny lahateniny dia nanasa ireo mpiara-miombon'antoka rehetra izy mba handray anjara ao anatin'ny fikaonandoham-pirenena izay ho atao. Ilaina, hoy izy, ny hevitra, ny torolalana, ny soso-kevitra rehetra entina hampandrosoana ny ankizy, indrindra fa ny fijerena sy fanajana ny zon’izy ireo.
