Notanterahina androany ny ampahany amin’ny famangiana ireo maratra sy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy nandritra ny tolona. Nanatanteraka izany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA sy ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Marcellin ZAFITASONDRY RANOELISON, Kolonely Solofoniaina Thierry RAMPANARIVO, Kolonely Lucien RABEARIMANANA, Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA.

Isany novangiana ny tovolahy RANDRIAMIARISOA Aina Sarobidy, izay naratra nandritra ny tolona teny amin’ny faritry ny Befelatanana Anosy, ary niafara tamin’ny fanapahana ny tongony. Nilaza ny Mpanolotsaina Avo, Lucien RABEARIMANANA, fa ny mpitolona dia toy ny rahalahy ary tsy afaka ny hitazam-potsiny ireo izay niaraka sy nandray andraikitra ho an’ny Tanindrazana izahay.

Tsy sanatria voavidy vola ny tolona natao, hoy izy, fa ho fitohizan'ny fitsaboana sy fanohanana amin'ny fiainana andavanandro dia nitondra fanampiana ho azy ny Fiadidiana ny Repoblika.

Nanampy koa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa tsy manadino ny fanoloran-tena sy ezaka natao ho an’ny firenena ny Mpitondra ankehitriny. Nankahery izy mba tsy ho kivy ny amin’ny ho avy ary mitoetra ho namana hatrany ny Fanjakana ao anatin’izany.