Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo Mpanolotsaina Avo, ary notronin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain, androany teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo atleta malagasy misehatra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, notarihin-dRamanandraibe Olivier, filoha lefitry ny FSBM (Fédération Sport Boule Malagasy).
Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo atleta ireo teo amin’ny taranja tsipy kanetibe izay natao tany Roma, Italy ho an’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, ny volana septambra 2025,ary ny sokajy tanora kosa tany Espana ny volana oktobra lasa teo.
Notolorana mari-pankasitrahana sy mari-boninahitra amin’ireto laharana ireto izy ireo :
- 08 Chevalier de l’Ordre National
- 04 Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar
- 07 Chevalier de l’Ordre de Mérite Sportif
Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa na dia eo aza ny tsy fahampiana sy ny tsy fisian'ny fitaovana, dia mbola mahavita mitondra vokatra i Madagasikara.
Mampiakatra avo ny voninahi-pirenena hatrany ny atleta Malagasy, ary isaorana manokana ireo rehetra nandray anjara sy niara-niasa ka nahafahana nahazo ity vokatra manan-danja ity izay niainga avy eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Sambany teo amin’ny tantaran’ity taranja tsipy kanetibe ity no nandraisana ireo ekipa teto amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha , hoy ny filoha lefitry ny FSBM, izy ireo izay intelo topondaka eran-tany taorian’ny nanafahana ny sazin’i Madagasikara amin’ny fandraisana lalao iraisam-pirenena.
