Natambatry ny fitiavan-tanindrazana isika, hoy ny Mpanolotsaina Avo, Kolonely Marcellin ZAFITASONDRY RANOELISON, ary maha iray antsika ny tolona.

Tonga mankahery sy mirary fahasalamana ho anareo no nahatongavanay ety, hoy izy.

Mpanolotsaina Avo, Kolonely Gervais ANDRIAMIANDRISOA, ary nisaotra tamin’ny fijoroana, nampiseho hery sy fitiavan-tanindrazana tamin’ny tolona natao.

Nitondra firarian-tsoa sy fankaherezana hatrany ho an’ireo naratra sy ny fianakaviana nidonam-pahoriana izy ireo.

Nohamafisin’ireto tomponandraikitra eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ireto fa raha misy ilana fifanampiana dia tsy tokony hisalasala.

Tsy rariny ny nahazo anay, hoy i RAZAFINDRASOLO Avotra. Nohamafisin’ny Kolonely ANDRIAMINDRISOA Gervais fa tsy mipetra-potsiny fa mandeha ny fanadihadiana ary tsy ho very maina izao.

Notsindrian’ny Mpanolotsaina Avo, Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry fa manome toky hifanampy ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ary misaotra amin’ny fandavan-tena amin’ny tolona. Tsy ho raraka an-tany izany, hoy izy. Isan’ny ezaka atao ny manarina izay rehetra tsy nety teo aloha, hoy izy, indrindra ny manatona ny vahoaka malagasy hatrany.