Nanatrika sy nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny fikaonandoha ho an’ny fampianarana sy fanabeazana, ny Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Lietnà Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA, izay natao teny amin’ny CCI Ivato androany. Nanotrona izany koa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Ramatoa HANITRINIAINA Elisa Karena, ny minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina ary ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fampiofanana Araka asa, Andriamatoa TSILEFA Antonio.

Ny lohahevitra nentina tamin’ity fikaonandoha ity dia ny « Fampianarana amin’ny fomba vaovao ho an’ny fanovana an’i Madagasikara : fanavaozana ny rafim-pampianarana miroso mankany amin’ny laharam-pahamehan’ny Plan Sectoriel de l’Éducation (PSE) vaovao 2026-2030 »

Fototry ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana, hoy ny Lietnà Kolonely Gervais, ka izany indrindra no maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Fanabeazana; izay voalohany ho an’ity fitondram-panjakana vaovao ity. Nankasitraka manokana ireo mpikarakara sy mpiara-miombona antoka rehetra koa izy.

Ny rafitra fanabeazana dia mirindra manomboka amin’ny fampianarana fototra ka hatramin’ny fampianarana ambony. Ity fikaonandoha ity no sehatra iresahana sy ifampizarana mba hanamafisana ny kalitaon’ny fanabeazana.

Manana andraikiny feno tokoa ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny Mpanolotsaina Avo, amin’ny sehatry ny fanabeazana, indrindra amin’ny :

  • fampirisihana ireo ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly ;
  • fanohanana ireo mpampianatra amin’ny asa iantsorohany ;
  • fanatsarana ny fotodrafitrasa ;
  • fiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombona antoka.

Nantitranteriny fa ny minisitera telo misahana ny fanabeazana eto amin’ny firenena no misolo tena ny Fanjakana amin’ity fikaonandoha ho an’ny Fanabeazana ity, izay eo ambany fandrindran’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana.

Fanombohana ihany izao androany izao, hoy hatrany izy, mbola maro ireo dingana sy asa hotanterahina ho fanohanana ny fanavaozana, na eo amin’ny sehatry ny fanabeazana na amin’ireo sampan-draharaham-panjakana hafa.

Nohamafisina koa fa tsy fanagasiana no tanjona amin’izao, fa fanandratana ny hasina maha malagasy, indrindra amin’ny lafiny toe-tsaina sy ny teny. Tsy hamaivanina velively ny teny vahiny, fa ny fahaizana miteny sy manaja ny teny malagasy dia soatoavina lehibe ho an’ny firenena.