Nandritra ny fihaonana tany Toliara ihany dia nidinika sy nifanakalo hevitra tamin'ireo antoko, fikambanana sy fiarahamonim-pirenena ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Tao amin'ny Toby Général RAVELOSON MAHASAMPO "Bataillon Infanterie Toliara " no nanatontosana izany.
Samy nitondra ny hetahetany avokoa ny mpisehatra izay nahitana ny tomponandraiki-panjakana ambony sivily sy miaramila, ny Raiamandreny sy ireo Hazomanga. Niompana mikasika ny fiainam-pirenena ankehitriny, indrindra ny olana misy ao anatin'ny faritanin'i Toliara ny fifanankalozan-kevitra.
Ohatra amin'izany, ny fangatahan'izy ireo ny fahaleovan-tenan'ny distrika sivy ao anatin'ny faritanin'i Toliara izay ahitana foko maro.
Eo koa ny olana eo amin'ny tanora manoloana ny tsy fananana asa. Tafiditra tao anaty lahadinika koa ny olan'ny mpampianatra mitaky ny tambin-karama momba ny trano fonenana sy ny ambaratongan-karama.
Isany voaresaka nandritra izao fihaonana izao ny olana misy eo amin'ny sehatry ny fanamboarana ny sira misy Ioda.
Namaly ireo rehetra ireo ny Filoham-panjakana ary nanambara ny fahavononany hatrany hiara-hiasa amin'ny vahoaka malagasy amin'ny firosoana amin'ny fanavaozana tena izy.
