Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo Mpanolotsaina Avo, ary notronin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré, androany teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo atleta malagasy misehatra eo amin’ny taranja Bodybuilding, notarihin'Andriamatoa RANDRIAMANARIVO Harinelina Jean Alex, Filohan'ny Federasiona malagasin'ny fibatana fonjamby, ny Bodybuilding ary ny Culturisme.
Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo atleta ireo teo amin’ny taranja bodybuilding tamin'ny fifaninanana.
World BodyBuilding & Physique Sports Federation (WBPSF) natao tany Batam, Indonezia, ny 11 hatramin'ny 17 Novambra 2025:
- Rado RAKOTOMANDIMBY, teo amin'ny sokajy maherin'ny 80 ????? no nandrombaka ny tompondaka eran-tany. Notolorana ny mariboninahitra Chevalier de l'ordre National Malagasy sy mari-pankasitrahana Chevalier de l'Ordre de Mérite Sportif
- Maurice MARINJARA kosa, teo amin'ny sokajy "Classic Physique" (latsaky ny 1,75m) no nahazo ny medaly volafotsy ary notolorana ny Chevalier de l'Ordre de Mérite de Madagascar.
Tsy tongatonga ho azy izao vokatra izao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, raha tsy teo ny ezaka sy ny fanomanan'ireo mpikarakara rehetra, indrindra ny teo anivon'ny Federasiona. Araka izany, notolorana ny mariboninahitra Chevalier de l'Ordre National Malagasy ihany koa ny Filohan'ny Federasiona malagasin'ny fibatana fonjamby, ny Bodybuilding ary ny Culturisme, Andriamatoa RANDRIAMANARIVO Harinelina Jean Alex. Ny Tale Teknika Nasionaly eo anivon'ny Federasiona,
Andriamatoa RANDRIAMAMPIANINA Maronjaka Abavola kosa, dia nomena ny Chevalier de l'Ordre de Mérite de Madagascar.
Nanterin'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Alain Désiré RASAMBANY ny fisaorana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ireo Mpanolotsaina avo mpiaramiasa aminy, amin'ny fanohanana ny tontolon'ny fanatanjahantena malagasy.
Manoloana ireo vokatra tsara nisesisesy azon'ireo atleta malagasy dia mbola nanamafy ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana hanohana araka izay tratra ireo Atleta ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, indrindra amin'ny fikarakarana ireo izay hisolo tena an'i Madagasikara amin'ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro samihafa.
Teo am-pamaranana dia nanararaotra nanome toromarika ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Filohan'ny Fanavaozana, mba hanao izay azo atao hahafahan'ny vahoaka malagasy mijery mivantana ireo lalao mandritra ny Fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika amin'ny taranja baolina kitra izay atao any Maroc, ny 21 Desambra 2025 hatramin'ny 18 Janoary 2026 ho avy izao.
