Nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny VEZ'TIVAL andiany fahasivy tany Toliara, faritra Atsimo Andrefana, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, niaraka amin'ny Mpanolontsaina Avo, Médecin-colonel Marcellin Zafitasondry, notronin'ny mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Governemanta sy manam-pahefana sivily sy miaramila tany an-toerana.

Natomboka tamin'ny diabe namakivaky ny tananàn'i Toliara ny hetsika, izay manambatra karazana foko aty amin'ny faritra Atsimo Andrefana, nentina nampisehoana ny kolontsaina sy fanatanjahantena nentim-paharazana toy ny moraingy sns.

Tanjona mandritra ity hetsika Vez'tival andiany fahasivy ity ny hampiroboroboana ny lafiny fizahan-tany sy ny toe-karena manga, amin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra anivona sehatra maro samihafa.

Nandritra ny fandraisam -pitenenany dia nampirisika ny vahoakan'i Toliara mba hitambatra sy hiray fo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, satria efa afaka tamin'ny fangejana izay nisy teo aloha. Mila miray hina isika, hoy izy, ho amin'ny fanovana haingana fa tsy vitanay irery izany

Vonona hiady ho anareo vahoaka ny tenako, hoy hatrany izy, saingy mila anareo hanosika sy hanampy ary matoky anay.

Nambarany koa fa manana ny lanjany ny Vez'tival toy izao, izay mendrika hatao hetsika nasionaly.

Etsy ankilany, nanamafy koa,ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, ny Médecin-colonel Zafitasondry Marcellin, fa fotoana hanehoana firaisan-kina ny hetsika toy izao, ary ny hamaroan'ny fahasamihafan'ny foko misy eto an-toerana no harena lehibe enti-mampandroso ny faritanin'i Toliara .

Nanome toky ny vahoaka teto an-toerana izy ny amin'ny fiaraha-miasa sy ny ezaka rehetra amin'ny fanovana an'i Madagasikara.

Taorian'ny lanonana ôfisialy dia nitsidika sy nijery ireo tranoheva ampirantiana vokatra avy eto an-toerana, tao amin'ny kianja mitafo Tsienengea ny delegasionina notarihin'ny Filoham-panjakana .

Ny hetsika VEZ'TIVAL dia haharitra telo andro ao an-tampotanànan'i Toliara, ka ny fikambanana VAVEA na Vahatse ty Vezo Aharo no mikarakara izany.