Ao anatin'ny fanatanterahana ny 16 andro hiadiana amin'ny herisetra dia nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany ny tetikasa "FOSIKA", teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Michaël RANDRIANIRINA. Ny Mpanolotsaina Avo, ny Kolonely ZAFITASONDRY Noelison Marcellin sy ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry no nisolo tena ny Filohan'ny Fanaovaozana tamin'izao fanokafana ny tetikasa izao. Miompana amin'ny sehatra hiadiana amin’ny hosoka akademika, diplaoma sandoka ary herisetra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Naneho fahavononana ny hanohana izany hetsika izany ny Fanjakana manoloana ny fipariahan'ny diplaoma hosoka.

Nambaran’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Professeur RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fa mamohehitra ny tranga. Simba ny kalitaon’ny rafi-pampianarana ka mampanahy ny ho avin’ny taranaka.

Mitaky fandraisana andraikitra haingana sy hentitra izany, mba hiarovana ny fahamarinan-toeran'ny fampianarana ambony sy ny hasin’ny diplaoma eto Madagasikara.

Tanjona iorenan’izany ny fanadiovana ny tontolon’ny fampianarana ambony sy fanabeazana amin’ny resaka hosoka.

Ireto avy ireo hetsika sy paikady hanatanterahana izany:

  • Fampahafantarana sy fanentanana ny daholobe.
  • Fametrahana vovonana manokana handraisana fitorohana sy fanaraha-maso.
  • Fanatanterahana fanadihadiana, fizahana sy fitsirihana amin’ny sehatra rehetra, na miankina na tsy miankina.
  • Fampiharana hentitra ny lalàna : tsy azo ekena ny tsirambina, ary hatolotra ny fitsarana ireo tratra nanao hosoka.

Nanamafy ny Mpanolotsaina Avo, ny Kolonely ZAFITASONDRY Noelison Marcellin, ny amin’ny fitakiana ny rariny sy mangarahara eo amin’ny fitantanana ankehitriny.

Notsiahiviny fa poizina ho an’ny taranaka ny fanaovana hosoka, ary tsy azo ekena na inona na inona endriny.

Nantitranteriny fa hanohy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny BIANCO, amin’ny ady amin’ny hosoka sy kolikoly, hampandrosoana ny politikan’ny fanovana sy fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony izay manana vina hametraka indray ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny rafitra, ary hanohana tanteraka ireo hetsika ataon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Nanentana ny olom-pirenena rehetra ny Mpanolotsaina Avo mba hitondra fitorohana tsy misy tahotra amin’ireo asa tsy ara-dalàna sy manimba ny maha ara-dàlana ny diplaoma eto amin’ny firenena. Aoka isika hiaro ny hasin’ny diplaoma sy ny hoavin’ny tanindrazana.