Ao anatin’ny famaranana ny fotoam-piasany, izay naharitra telo taona teto Madagasikara, dia nanao fitsidihana ara-pirahalahiana an’Andriamatoa Michaël RANDRIANIRINA, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Andriamatoa ABÉ Koji, Ambasadaoron’i Japana monina sy miasa eto Madagasikara.
 
Nandritra izany fihaonana izany no nanamarihan’ ny Filohan’ny Fanavaozana ny fahavononan’i Madagasikara hanokatra sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, anisan’izany i Japana.