Nanatanteraka fitsidihana ifotony tany amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, omaly Alakamisy, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël sy ny Mpanolotsaina Avo, Marcellin RANOELSON notronin'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena RASAMBANY Alain.
Ity no fitsidihana voalohany nataon'ny Filoham-panjakana, ivelan'ny faritra, raha ny nambarany, ary misy antony, hoy izy, izao fidinana ifotony izao ao anatin'ny fanavaozana ny sehatra rehetra.
Nisy, araka izany ny dinidinika sy fifanakalozan-kevitra nisokatra ho an'ny rehetra, niarahany tamin'ireo tanora GEN Z tao Toliara, ny mpianatra eo anivon'ny Oniversiten'i Toliara ary ireo mpampianatra mpikaroka sy mpandraharaha ara-toekarena.
Nanambara ny Filohan'ny Fanavaozana, fa miainga avy aty ifotony ny fampandrosoana maharitra ary mitaky fanovàna ny toe-tsain'ny tsirairay aloha.
Nasongadiny koa fa zava-dehibe ny feon'ny tanora ao anatin'ny dingana fanavaozana satria tsy afaka sarahina amin'ny fanorenana Repoblika matanjaka sy maharitra ny fandraisan'ny tanora anjara.
Maro moa ireo fanontaniana izay napetrak'ireo tanora sy ny GEN Z mahakasika ny tolona ho amin'ny fanavaozana eto Madagasikara, izay nitondran'ny Filoham-panjakana fanazavana avokoa.
