Araka ny fampanantenana nataon'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika mivady, nandritra ny fandalovany teny Anosibe Angarangarana omaly, dia tonga nitondra fanampiana ho an'ireo vahoaka rava trano teny ny delegasiona avy amin'ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara io hariva io. Fitaovana izay natao hanorenana trano vonjimaika ahitana:

  • fanitso 1600 isa
  • "Bois rond" 1840 isa
  • "Planches" 1600 isa
  • fantsika "pointe tôle" 200 kg
  • fantsika "pointe 60" 40kg
  • fantsika "pointe 100" 80 kg

Ankoatra ireo dia nisy ihany koa fanomezana fanampiana ara-tsakafo toy ny vary, menaka, siramamy, macaroni ary "la farine" mba hiatrehan'ireto vahoaka ireto ny fetin'ny Noely.

Manodidina ny 40 tafo eo moa ny trano noravaina teny, ary araka ny toromarika avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika dia natao faran'izay haingana ny fahatongavan'ireto fanampiana ireto mba hahafahan'ireo fianakaviana rava trano ireo manao fety am-pitoniana.