I. FAMPITANA AM-BAVA
GOVERNEMANTA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo hetsika fandresen-dahatra ho an'ny AGOA sy ireo fihaonana momba ny andrimpanjakana sy kolontsaina notanterahina teo anivon’ny "Réunions de Printemps 2026" nataon’ny FMI sy ny Banky Iraisampirenena. Fihaonana tamin’ireo Senatera vitsivitsy sy ny Departemantam panjakana amerikanina nosoloan’Andriamatoa Christopher Landau tena, ary ny masoivoho Jamieson Greer, solontena ara-barotry ny Fanjakana amerikanina misahana ny AGOA. Ireo mpiray latabatra boribory avy any Amerika ireo dia niaiky fa nisy ny fivoarana sy ezaka nataon’ny Governemanta Malagasy mikasika ny fitantanan draharaham-panjakana, ny lafiny fahafaha-mifaninana ary ny mangarahara, sady nanamarika izy ireo fa manana ny lanjany lehibe tokoa ny sehatra ny lamba sy indostrialy mba hamoronana asa eto Madagasikara.
MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanitsiana ny isan'ireo mpianatra manamboninahitra lefitra horaisina ho an'ny andiany faha IV ao amin’ny Sekolim pirenen'ireo Manamboninahitra Lefitry ny Foloalindahy (ENSOA) ao Antsirabe.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana mpianatra miisa 80 “Officiers d'Active” ho an'ny andiany faha XLIX mivantana, mpianatra “Officiers d'Active” miisa 50 ho an'ny andiany XXIII Peloton Interarmes (XXIII°PIA), mpianatra “Officiers d'Active” miisa 65 ho an'ny andiany XXVIII Peloton de Formation des Cadres Specialistes -n’ny Akademia Miaramila Antsirabe (XXVIIIème PFMCS) sy mpianatra Manamboninahitra Dokotera miisa 15 (EOM).
MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ireo asa fanajariana sy fanamboarana vaovao ireo "postes comptables"-n’ny Tahirim-bolam-panjakana
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanamafisana ny fahaizan’ny Trano printim-pirenena amin’ny famokarana voaro ireo karatra ara-panjakana PVC.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisan’ny Fanjakana anjara ao anatin’ny dingana fandraisan'ny IMF DIANA ny fitantanana ny IMF OTIV BOENY.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanavaozana ny fitantanana ireo orinasa misy fandraisan’ny fanjakana anjara: fepetra amin’ny fanendrena sy fanafoanana andraikitra ary mason-tsivana momba ny fitantanan’ireo tompon’andraikitra.
MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny haba sy hetra mifandraika amin’ireo hetsika fanamafisana fahaiza-manao vatsian’ny fanomezana azo avy amin’ny ALSF ho an’ny sehatry ny angovo, fotodrafitrasa ary fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina (PPP) ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara.
MINISITERA MIADIDY NY FANAVAOZANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tatitra ôfisialy mikasika ny fanatanterahana ny dinika an-databatra boribory avo lenta niarahana tamin’ireo Mpiara-miombonantoka ara-tekinika sy ara-bola, izay notanterahina ny 23 aprily 2026.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanemorana ny daty hanombohana ny fizotry ny fikaonandoha ho amin’ny 3 jona 2026.
MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampidirana ny fanabeazana momba ny fandraharahana ao anatin’ny fanofanana araka asa fototra sy fohy ezaka (Formation professionnelle initiale et à courte durée)
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny datin’ireo tombana samihafa, ireo fanadinana ary fifaninanana nasiônaly eo ambany fiadidian'ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-Tekinika sy ny Fanofanana araka asa.
MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVAN-TENA ARA-TSAKAFO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fananganana ny "Brigade d’Intervention d’Urgence du Génie Rural" any amin’ny faritra.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ny fandraisana anjara isan-taonan’i Madagasikara ao amin’ny Ivontoerana fandrindrana ny fikarohana ara-pambolena sy ny fampandrosoana aty Afrika Atsimo (CCARDESA).
MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY SEHATRA TSY MIANKINA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fanoratana tetibola ao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2026 ho an’ny Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales de Madagascar (SECREN S.A), handoavana ireo fandaniana maika mifandraika amin’ny fitohizan’ireo asany sy ny famelomana indray ny fahafahany miasa.
MINISITERAN’NY VAROTRA SY NY FANJIFANA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny sehatry ny lavanila sy ny fankatoavana ireo fepetra maika ho fanarenana sy fanadiovana izany sehatra izany.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Metrôlôjia, ny 20 mey 2026.
MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanomezana fahazoan-dalana hanafatra menaka (lubrifiants) ho an’ny orinasa Jovena Madagascar.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny taratasy pôlitika momba ny "aval pétrolier"
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny fampiharana paikady hanalefahana ny fiantraikan’ny vanim-potoana main-tany amin’ny fahafahan’ny JIRAMA mamatsy herinaratra.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fandraisana an-tanana ireo tambin karama mifandraika amin’ny fidinana ifotony ataon’ny Vaomiera ara-pitantanana mpanombana (CAE) ao anatin’ny Tetikasa PRIRTEM.
MINISITERAN’NY ASA VAVENTY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiroboroboana ny asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny Fandaharanasa Fampidirana ny Tanora amin’ny fikojakojana ny lalana (PIJER), sy ireo fahafahana mandray mpiasa amin’ny asa fanamboaran dalana vatsian’ny Tahirim-bola ho an’ny lalana.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankatoavana ny tovana laharana faha-02 amin’ny tsenam-barotra laharana 313-AR/BEI/PRMP/UGPM.2025 momba ny fitantanana, fanaraha-maso ary fitsirihana ireo asa sisa tavela amin’ny fanarenana ny RN6, eo anelanelan’Ambanja sy Antsiranana – vatsian’ny Banky Eoropeanina ho an’ny Fampiasam-bola (BEI) sy ny Vondrona Eoropeanina (UE)
.MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Madagascar National Parks.
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Tontolo Iainana (JME), ny Andro Iraisampirenena iadiana amin’ny "désertification" sy ny hain-tany (JMDS), ary ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Zavamananaina (JIB) ny 12, 13 ary 14 jona 2026 ao Morondava, Faritra Menabe.
MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana amin’ny fikarakarana ny "Championnat des Nations" amin’ny taranja Volleyball Zone 7 voalohany, sokajy latsaky ny 18 taona lahy sy vavy, ny 4 hatramin’ny 15 aogositra 2026 eto Antananarivo
- Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fankatoavana amin’ny fikarakarana ny IHF Trophy Masculin Handball, ny 27 ka hatramin’ny 31 mey 2026 eto Antananarivo.
II. FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA
MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY
- Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ny fepetra sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2011-149 tamin’ny 6 aprily 2011, izay mamaritra ny fomba sy fepetra fandraisana ny rafitra fanofanana ary ny fanendrena ireo Mpianatra “Officiers d'Active” ao amin’ny Akademia Miaramila ao Antsirabe.
- Nolaniana ny didim-panjakana momba ny fanavaozana ny firafitry ny Sekolin’ny Miaramilam-Pirenena (SEMIPI).
- Nolaniana ny didim-panjakana mikasika ny fandraisana sy ny sata mifehy ireo Mpianatra “Officiers Specialisés” eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy.
MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
- Nolaniana ny didim-panjakana momba ny famenon’ny vola miditra sy lany ho an’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibola Voalohany 2026, ho famatsiana ny Tetikasa Fanamafisana ny tontolon’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina (PPP) ho fampiroboroboana ny fampiasam-bola tsy miankina (PREPIP), mitentina 5 454 224 750,00 Ariary.
- Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna ny Lalàna fandravonana ny fitantanana ny volam-panjakana 2020.
MINISITERAN’NY VAROTRA SY NY FANJIFANA
- Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fanaraha-maso ara-metrôlôjia ara-dalàna eto Madagasikara.
MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO
- Nolaniana ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny sata mifehy ny Fitaterana an drano sy ny fivezivezena an-drano eto Madagasikara.
MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO
- Nolaniana ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ny asa fametrahana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin'ny masoandro manana tanjaka 4,95 MWc ao Ankelimahery, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimasina, ary mikasika ny fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na fanesorana fizaka-manana ireo tany sy/na trano voakasiky ny asa
- Nolaniana ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ny fananganana tobim-pamatsiana herinaratra miisa valo mifandray amin’ny alalan’ny zotra herinaratra HT 90 Kv, miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra, ao anatin’ny Tetikasa Tana Medium Ring (TMR), ary fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na fanesorana fizaka-manana ireo tany sy/na trano voakasiky ny asa.
MINISITERAN’NY ASA VAVENTY
- Nolaniana ny didim-panjakana manova sy mameno ny fepetra sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2022-440 tamin’ny 30 martsa 2022 izay nanambara ho tombontsoa iombonana ny asa fanamboarana sy fanaovana tara amin’ny RN9 eo anelanelan’Analamisampy (PK 107 + 400) sy Manja (PK 274 + 844), anisan’izany ny fananganana tetezana eo ambonin’ny reniranon’i Mangoky ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Menabe, ary ny RNT12A eo anelanelan’i Taolagnaro (PK 0+000) sy Manambondro (PK 165+23), ary eo anelanelan’i Masianaka (PK 203+800) sy Vangaindrano (PK 243+000) ao amin’ny Faritra Anosy sy Atsimo Atsinanana, ao anatin’ny tetikasa PACFC.
III. FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
PRIMATIORA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABEMANANJARA Maminirina Muryelle ho Tale Jeneralin’ny « Investissements Publics auprès de la Primature ».
MINISITERAN' NY RAHARAHAM-BAHINY
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHAJARIZAFY Lanto ho Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, Représentant Permanent de la République de Madagascar auprès de l’Organisation des Nations Unies à New York.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANJATO Ny Hasina ho Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la Fédération de Russie.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFIMBELO Alain Manajary ho Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprèsde la République Fédérale d’Allemagne.
MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa FARALAHY Drouot Andry ho Lehiben’ny Distrikan’Ikongo.
MINISITERA MISAHANA NY FANAVAOZANA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa LIVERA Bevazaha ho Talem-paritry ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ao amin’ny Faritra Anosy.
MINISITERAN' NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022 1145 tamin’ny 03 aogositra 2022 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANAVONY Ny Aivotiana Rijaharimanana ho Directeur des Affaires Administratives et Financières de l’Institut National de Santé Publique et Communautaire eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-125 tamin’ny 05 febroary 2025 ary manendry an’Andriamatoa TOVONIRINA Mino Frédericko Julien ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Menabe.
MINISITERAN' NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA TSIANSA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RATOVOHERINAVALONA Zafinjaka Valimanana Jean Chrysostome ho Directeur de la Promotion du Partenariat et de la Coordination des Relations Internationales eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa FANOMEZANTSOA Michel ho Directeur Administratif et Financier de l’Institut Supérieur de Technologie d’Antananarivo.
MINISITERAN' NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAKA ASA + MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA TSAKAFO
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-895 tamin’ny 19 jolay 2023 ary manendry an-dRamatoa RAVELOMANANTSOA Santatra Herilalaina ho Directeur Scientifique du Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural (FOFIFA).
MINISITERAN' NY FAMBOLENA SY NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-064 tamin’ny 08 janoary 2026 ary manendry an-dRamatoa RANDRIAMASIMANGA Holisoa ho Directeur de la Coordination des Projets (DCP) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo.
MINISITERAN' NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY FAMPIVELARANA NY SEHATRA TSY MIANKINA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-079 tamin’ny 08 janoary 2026 ary manendry an’Andriamatoa RAVELOARIJAONA Lanto Adel ho Directeur de la Veille Economique et de la Communication eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy Miankina.
MINISITERAN' NY ANGOVO SY NY AKORANAFO
- Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Commissaire de Police RAFARALAHY Ranja Vincent de Paul ho Directeur des Biocarburants eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa FIDIARISON Kenny Marco Louis ho Directeur de la Bioénergie et de la Cuisson Propre eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAONSON Solondraibe Malina ho Tale misahana ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny andrimpanjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANANTENA Hery ho Chef de l’Unité de Lutte contre la Corruption et de la Refondation eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
MINISITERAN' NY ASA VAVENTY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025 1348 tamin’ny 19 novambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa RASOLONIRINA Yves ho Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-029 tamin’ny janoary 2025 ary manendry an’Andriamatoa TSIAMBAKAE Fahamaro Alain Triomphe ho Tale misahana ny Mahaolona eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-737 tamin’ny 14 jona 2023 ary manendry an’Andriamatoa GEORGES Ribière ho Directeur des Systèmes d’Informations eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
MINISITERAN' NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ZAMANY Heriniaina Rufin ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAVONILALA Kiady ho Tale Jeneralin’ny Gouvernance Environnementale eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFIMAHATOMBO Augustin ho Directeur Administratif et Financier eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABOTOVAO Mamisoa Hervé ho Directeur du Contrôle Forestier et de la Lutte contre les Trafics eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MARINJAKASANDRATA Rajohanesa ho mpandrindra nasiônaly lefitra misahana ny fanofanana sy ny fifandraisana ivelany eo anivon’ny Organe de Lutte contre l’Evènement de Pollution marine (OLEP) par les Hydrocarbures eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022 1068 tamin’ny 13 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAVOHITRA Donatien ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ao Sofia eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-668 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMANANA Noronirina Yolande ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ao Amoron’i Mania eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024 2019 tamin’ny 13 novambra 2024 ary manendry an’Andriamatoa HAZRADJY AHAMAD BORA Kanoso ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ao Atsimo Andrefana eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
MINISITERAN' NY FIZAHANTANY SY NY ASATANANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-428 tamin’ny 16 aprily 2025 ary manendry an-dRamatoa RASOAMANANDRAY Pierrette ho Directeur Administratif et Financier du Centre National de l’Artisanat Malagasy (CENAM) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asatanana.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASAMITIANA Veromanitra Ija ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana ao amin’ny Faritra Itasy.
MINISITERAN' NY RANO SY NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022 1616 tamin’ny 07 desambra 2022 ary manendry an-dRamatoa MAHASEZAMANA Joeline Berthine ho Directeur Administratif et Financier auprès de l’Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement (ANDEA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANJAFINDRAMAHA Ianja ho Directeur de la Régulation, des Affaires Juridique et du Contentieux auprès de l’Organisme de Régulation du Service Public de l’Eau et de l’Assainissement (OREA).
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFAHAY Hova Avotra Christiana ho Directeur de la Documentation et du Système d’Information auprès de l’Organisme de Régulation du Service Public de l’Eau et de l’Assainissement (OREA).
MINISITERAN' NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMBARISON Soanarindra Evelyne ho Coordonnatrice de l’Autorité Centrale de l’Adoption Malagasy eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina. tamin’ny
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025 1762 08 desambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANIRINA Dinah Michel ho talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Analamanga eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina. tamin’ny
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025 1768 08 desambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANTSALAMA Sandratra Antenaina Fidèle ho talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Itasy eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina.
- Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa TOKINIAINA Longosoa ho talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Bongolava eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025 1764 tamin’ny 08 desambra 2025 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANIRINA Aina Fanomezantsoa Gilbert ho talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Alaotra Mangoro eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina.
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2026-215 tamin’ny 15 janoary 2026 ary manendry an-dRamatoa HONJOZAY Vagnolahatsy Prisca ho talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Melaky eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina.
IV. FANAFOANANA FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY
MINISITERAN' NY HARENA AN-KIBON'NY TANY
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2025-906 tamin’ny 03 septambra 2025 nanendry ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany tao amin’ny Faritra Diana.
MINISITERAN' NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA
- Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talem paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga tao Analanjirofo.
Antananarivo, 19 mey 2026,
Rahajason Harry Laurent
Talen’ny Serasera
eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika
