Araka ny famaliana ny fanasana nataon’ny firenena Rosianina dia noraisin’ny Filoha Vladimir Poutine tamin’ny fomba ofisialy teto amin’ny Lapan’i Kremlin eto Moscou ny Filohan’ny Fanavaozana, RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo minisitra vitsy ao anatin’ny governemanta.
Nisy ny resaka fohy ampahibemaso nifanaovan’ny Filoha roa tonta izay nanambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana, tamin’ny teny malagasy, ny fahavononan’i Madagasikara hiara-hiasa amin’ny Firenena Rosianina mba ho ohatra aty Afrika.
Ankoatra ny fisaorana ny Filoha Vladimir Poutine dia nilaza ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël fa faly sy vonona ny hanokatra fiaraha-miasa vaovao amin’i Rosia i Madagasikara eo amin’ny lafiny rehetra, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana, ny sôsialy, ny fanabeazana, ny angovo ary ny ara-miaramila.
Nanatrika izany fihaonana izany koa ny Praiminisitra Lefitra Rosianina sy ny Lehiben’ny Banky Foine niaraka tamin’ireo minisitra rosianina vitsivitsy.
